Actus

VIDEO. Andry Rajoelina serait le descendant d’un traître qui trafiquait de l’or à l’époque royale, selon un blogueur

Le texte ci-dessous a été écrit par Patrick Raharimanana, un blogueur très suivi à Madagascar. Sa publication a été très commentée. Mais ce qui a surtout fait exploser sa visibilité, c’est la réaction de Fenosoa Ralandison, une inconnue qui se dit « Princesse » et qui n’a pas hésité à violer son devoir de neutralité en défendant publiquement Andry Rajoelina. En effet, selon Patrick Raharimanana, Rajoelina XIII Honneurs, un hova qui projetait de faire un coup d’état à l’époque de la royauté et qui trafiquait de l’or, serait l’ancêtre d’Andry Rajoelina. Une manière de dire que le PFM (président français de Madagascar) est sans doute la réincarnation de ce piètre personnage. Vous trouverez ci-dessous son texte intégral ainsi que la vidéo de Fenosoa Ralandison. PS : on se demande bien pourquoi c’est elle qui prend sa défense. De plus, avez-vous remarqué son langage corporel (regard fuyant) ?  

« Diplomasia : Hitondra inona ny fihavian’i Emmanuel Macron aty Madagasikara

(Tantara lava, ezahina fintinina sy dinganina, vakio tsikelikely ho an’izay tsy mahazaka, na tsy ampy fotoana amakiana, miandry fanampian’ireo Mpahay tantara, sy mpiaro ny vakoka rehetra ihany koa, ny tantara manko dia nosoratan’ireo mpandresy an’ady hatrany).

Hisy ny fivoriana faha 5 n’ny COI, na ny Vaomieran’ny Ranomasimbe Indianina, iraisan’ny nosy aty amin’ny ranomasimbe indianina, ny alakamisy 24 aprily 2025, izay atao ao amin’ny CCI Ivato Antananarivo. Ho avy ao avokoa ireo filoham-pirenena 5 mandrafitra ny COI. Madagasikara, La Réunion (Frantsa), Unions des Comores, Maurice, Seychelles. Hanao fitsidihina ara-panjakana eto Madagasikara anefa ny filoha frantsay Emmanuel Macron, alohan’izay fihaonana COI izay, ka hiaona amin’ny filoha malagasy Andry Rajoelina.

Raha ny angom-baovao, dia eny amin’ny Lapan’Andafiavaratra, toeram-piasan’ny Praiminisitra farany, Rainilaiarivony, tamin’ny andron’ny faha mpanjakan’Imerina, talohan’ny nidiran’ny fanjanahantany frantsay, no atao ny fihaonana. Tsy adino fa tao amin’io Lapa io ihany koa, no natao ny fihaonan’ny solontena malagasy sy frantsay, nandinika ny amerenan’i Lafrantsa ireo Nosy 5, bodoany ato amin’ny faritry Ranomasimbe indianina.

Iza moa Rainilaiarivony ?

Izy dia tsy andriana, na mpanjakan’Imerina, fa novadiany avokoa, nefa tsy nisy niterahany, ireo Mpanjakavavin’Imerina 3 nisesy, Rasoherina, Ranavalona II ary Ranavalona III, dia nijanona ho Praiminisitra teo hatrany izy, nandritra ny 31 taona. Lasa toy ny andriana, vadin’andriana izy izany. Izy no tena nitondra ny fanjakan’Imerina, lehiben’ny Tafika. Ireto Mpajakavavy vadiny kosa, manaraka eny ihany. Nisy ny fanaovan-tsonia nataony ho fiaraha-miasa alliance franco-malgache ny 17 desambra 1885. Ranavalona vadiny, nirona tamin’ny fiaraha-miasa amerikanina sy angilisy. Natanjaka ny protestantisme.

Niteraka an’i Rajoelina XIII Honneurs (13 Honneurs) i Rainilaiarivony praiminisitra, tamin’ny vady an-jorony. Nirona tamin’ny fanjakana frantsay izy tamin’ny fitondrany. Rajoelina kosa nanao trafikana volamena niaraka tamin’ny angilisy Abraham Kingdon, ary nifampiraharaha fa anome ny 1/3 n’ny harena an-kibon’ny tany eto Madagasikara, raha lasany ny fahefana. Sandaina 10 000piastres, 1000 piastres isan-taona, mandritra ny 10 taona, ny fanomezana harena ao anatin’ny distrika rehetra izay ilain’ny angilisy.

Nanomboka narary anefa ny praiminisitra Rainilaiarivony, ary nanendry ny zafikeliny Ratelifera handimby azy, ka dia nikasa anongam-panjakana Rajoelina zanany noho ny fialonana. Tratra anefa i Rajoelina, ka voaheloka ho faty, ary nesorin’i Rainilaiarivony tsy ho mpandova azy (déshérité). Voaroaka hiala an’i Madagasikara ireo angilisy. Ny Frantsay moa efa niara-niasa tamin’ny fitondrana Merina, nirongatra ny hetsiky ny Menalamba, nisy ny fizarana an’i Afrika teo amin’ny Amerikanina, Angilisy, Frantsa, ary tonga i Joseph Gallieni ampandry tany.

Nivadika tampoka ny Frantsay, hanao an’i Madagasikara ho eo ambany vahoany, sous protectorat, izay lasa colonie française, na zanatany frantsay ny taona 1896, heritaona taorian’ny sonia fiaraha-miasa Frantsa-Madagadikara nataon’i praiminisitra Rainilaiarivony. Nalefa sesitany tany La Réunion, avy eo tany Algérie i Rainilaiarivony. Ranavalona, mpanjakavavy vadiny kosa, mbola najanona tao an-dapa, nefa dia nalefa tany La Réunion avy eo, satria mbola nitarika fihokoana tao an-dapa.

Navotsotry ny Frantsay, tsy novonoina kosa i Rajoelina, izay nigadra an-terivozina mandra-maty tany Ambositra. Nahazo famotsoran-keloka, grace tamin’ny Frantsay izy taty aoriana, rehefa lasa sesitany tany Algérie, mbola tany voazanaky Frantsa, i Rainilaiarivony, rainy.

Maty tany Alger ny 17 jolay 1896 i Rainilaiarivony, teo amin’ny faha 68 taonany, ary nalevina tao amin’ny cimetière Saint-Eugène tao Alger, renivohitry Algérie. Noho ny fangatahany fahavelony, hilevina an-tanindrazany, dia nokarakarain’i Le Myre de Viliers, ancien Résident général de Madagascar, ny fampodiana ny taolam-balony ny taona 1900, ary nalevina miaraka amin’ny rainy Rainiharo ao Isotry izy. Fasan-dRainiharo ankehitriny (Jereo tahirin-tsary).

Ary nafindra tany Alger i Ranavalona sy ny fianakaviany, niaraka tamin’ireo mpiasany, napetraka tamina villa tsara tarehy, nahazo vola niainany tsara, tamin’ny Frantsay, ary nahazo nitety, nitsangatsangana, tany Paris mihitsy. Maty tany Alger izy ny taona 1917, teo amin’ny faha 55 taonany. Nalevina tany. Ary nampodiana an-tanindrazana ny taolam-balony, 21 taona taty aoriana. Milevina miaraka amin’i Rasoherina, mpanjakavavy vadin’i Rainilaiarivony, rain’i Rajoelina, ao amin’i Rovan’Imerina Manjakamiadana.

Iza i Andry Rajoelina ?

Io Rajoelina XIII Honneurs, déshérité, mpanogam-panjakana, saika anongana an-drainy, mpanao trafika volamena, nivarotra harena an-kibon’ny tany malagasy rehetra io izany, no Raiben’i Andry Rajoelina, filoham-pirenena malagasy ankehitriny. I Andry Rajoelina no manova ny tantara, ka manao fiakanjon’i Radama, mametraka ny fanovana eny anaty Rova, ho hisy arène des gladiateurs, manao ho vakoka ho an-drainy ny musée eny Amboditsiry.

Nangataka ho nationalité française moa i Andry Rajoelina sy ny vady aman-janany. Nomena azy ny maha vazaha taratasy azy (naturalisation sur demande). Ady hevitra tsy vita moa ny fahafahany nilatsaka ho Filoham-pirenena, raha mandrara izany ny Lalampanorenana sy ny lalam-pifidianana, satria ny lalàna malagasy, hatreto raha mbola tsy asiana fanovana, dia manary tena tsy ho Malagasy intsony ireo mangataka nationalité hafa.

Tsara ho fantatra, fa rehefa misy fivorian’ny taranaky Rainilaiarivony, dia tsy antsoina i Andry Rajoelina sy ny taranany, satria efa voahilika tsy isan’ny mpandova an’i Rainilaiarivony. Mbola ady tsy vita eo amin’ny fianakaviana ny Lapan’Ambohitsorohitra, satria fananan’i Rainilaiarivony, izay nalain’i Frantsay, ary takian’ireo mpandova. Ifandirana eto izany ny maha Lapa-panjakana azy ity, na fananana manokan’i Rainilaiarivony, nobodoan’i Frantsay.

Mipetraka izany ny fanontaniana, ny antony nahatonga an’i Andry Rajoelina, naniraka an’i Monja Roindefo, niaraka tamin’ny vahoakan’Antananarivo, haka ny Lapan’Ambohitsorohitra, nefa niainga tao amin’ny ONE, sy Tresor ny tifitra tamin’ny fanonganam-panjakana ny 2009. Tsy nahagaga raha may ny ONE. Maro ireo mpiasa mahafantatra ny tantara nitranga tao, ary naharitra ela nifandimby tamin’ny fitondrana mihitsy ny DG ONE, misehatra momba ny permis environnemental, takiana alohan’ny hitrandraka harena an-kibon’ny tany.

Ahoana ny fihaonana eo amin’i Emmanuel Macron sy Andry Rajoelina ?

Raha hiverina amin’ny fahatongavan’i Emmanuel Macron izany, dia mila jerena ny toeran’i Lafrantsa maneran-tany. Tsy mikaoty Lafrantsa ankehitriny, mibahan-toerana tanteraka i États-Unis, Chine, Russie, miaraka amin’ny Brics. Miezaka Europe mipoitra, fa resy tanteraka ao anatin’ny ady ankolaka atao any Ukraine. Ara-toekarena, potehin’i Donald Trump, filoha amerikanina, tanteraka amin’ny alalan’io resaka haba io Europe, vakivaky, tsy mitovy hevitra ireo firenena 27 mandrafitra azy.

Potehiny ny fanalalahana ara-pananahana LGPD, anisan’izany ny faniriany hakany an’i Canada, izay nataony moa, ny nialan’i Praiminisitra Trudeau, izay mirona amin’ny fisainana PD. Potehin’ny Amerikana, fitondrana Donald Trump, ny wokisme, izay fironana miady mba hisian’ny fampitoviana ara-pananahana, ara-bolokoditra, ara-pinoana, miaro ireo vitsy an’isa. Madagasikara dia maro PD ireo mpitondra, hatramin’ny mpandraharaha lehibe akaiky fanjakana maro PD, ireo mpihira sy mpanakanto miaraka amin’ny mpitondra, maro PD.

Ho gaga ve isika raha nahazo fanampiana manokana tamin’ny Covid ireo PD sy sarimbavy, ary makorel. Nahita faisana tamin’izany ny Filoha Zimbaboeanina Robert Mugabe, nanenjika ny PD, dia nakaton’ny Banque mondiale ny famatsiam-bola, satria nanjakan’ny PD ny fitantanana an’i FMI sy Banque mondiale. Iza no namatsy vola 180 millions de dollars an’i Andry Rajoelina tamin’ny campagne électorale 2018, maro ny niahiahy fa ireo PD.

Lalàna voalohany nampidirina tao amin’ny Antenimierampirenena, vao lany filoha i Andry Rajoelina, ny resaka fanambadian’ny lahy sy ny lahy, ary ny vavy samy vavy, fa nidona tamin’ny rindrina, tsy nanaiky ny Gasy, ny fiangonana sy finoana samihafa, ka nivadika malaky ho resaka genre, ka Mialy Rajoelina, vadiny, no niditra, hiaro an’i Andry Rajoelina, toy ny tsy tafiditra tanatin’ny resaka PD.

Emmanuel Macron, ao Frantsa, dia fin de mandat, efa manomboka ny propagande ho amin’ny 2027. Tsy to teny ao Frantsa intsony izy. Miezaka mitraka ivelan’i Frantsa, lohalaharana hiady amin’i Rosianina, mitarika an’i Europe, fa tsy mahazaka. Miezaka mandravona an’i Europe, hiady ara-toekarena amin’ny États-Unis, fa kely hery. Aty Afrika efa mandroaka an’i Frantsa avokoa ireo firenena maro. Manavotr’aina aty amin’ny Ocean Indien izany sisa, ny mpitondra frantsay ankehitriny. Madagasikara no tokony hifehy an’i Ranomasimbe Indianina.

Andry Rajoelina fin de mandat ihany koa 2028, mitady lalana hanao 3ème mandat, fa tsisy mpisolo hiaro azy, sy ny fananany, miaraka amin’ireo mpandraharaha akaiky azy. Efa hala-bato no andreseny, tsisy olona tonga mifidy azy, ankoatr’ireo mahita tombony aminy, sy omena vola sy vary masaka. Ampiasaina ny Foloalindahy, indrindra ireo Zandary, akaiky an’i Lafrantsa, anao tsindry sy fampiasan-kery hamoretana vahoaka, samborina sy gadraina ireo mitsikera, ireo manohitra tsy voavidy. Foanana sy giazana ireo mpanao gazety. Ampiasaina amin’ny fiarovan-tseza sy ny fananana ireo mpitsara.

Miezaka manatsara tarehy any ivelany i Andry Rajoelina, COI, SADC, trophée… fa efa halam-bahoaka. Fihaonan’i Emmanuel Macron sy Andry Rajoelina izany, dia fihaonan’ireo filoha samy halam-bahoaka. Hitondra inona ? Tanàna madio ivelany ?

Samia tsara
Patrick Raharimanana
(Loharano, testament et arbre généalogique de la famille Rainilaiarivony, sary nindramina Musée de la Photographie de Madagascar portrait Rajoelina XIII Honneurs, enterrement Rainilaiarivony à Isotry) »

S’abonner
Notification pour
guest

6 Commentaires
Commentaires en ligne
Afficher tous les commentaires
Aigle

Je crois que les malgaches vont revivre la colonisation.
C’est triste.

Analyste

On est déjà en plein dedans. Regardez tous ces idiots qui nettoient à fond la capitale pour accueillir Macron.

MDRM

J’ai regardé un peu par curiosité ce que disent les médias proches de Rajoelina sur ce texte et seule La Vérité en parle. Ils démentent l’histoire de la loi sur les LGBT. Par contre, aucun démenti pour le lien de parenté entre Rajoelina 13 honneurs et Andry Rajoelina.

Personnellement, je crois que Patrick Raharimanana dit la vérité puisqu’il a fait des recherches généalogiques. Du coup, on rentre vraiment dans des trucs diaboliques, comme si Andry Rajoelina est revenu de l’enfer pour achever ce qu’il n’a pas pu faire quand il était Rajoelina 13 honneurs. En plus, les 2 personnages ont tous les deux des dents de lapin ! Etrange coïncidence quand même….

Razily

Tsy hainareo angah fa ny hova ange tena ratsy loha e! zareo mianakavy mintsy no ratsy toetra, ary efa nentin-drazany io! hova betsileo zao no tena betsaka ao an-dapa ao

Rasolo

Du coup, Rajojo a fait une fausse généalogie et il y a un idiot qui s’est engouffré dedans sans meme se poser de questions sur la source. Mouhahahaha
Moi je dis que Patrick Raharimanana n’aurait surement pas publié un tel texte sans avoir des sources sures, sachant qu’on emprisonne pour tout et n’importe quoi dans ce pays
Nan le mec, il a assuré ses sources avant de pondre ses affirmations et le fait que ni Rajojo, ni la Vérité ne démente pas, ben ça veut bien dire ce que ça veut dire

Pfff

Zany no hatao oe avendranana! sady @ zay lery condescendant be miseo milay hoatriny Koto, nefa izy no tena dondrona miteniteny foana! c’est comme wikipedia, tout le monde écrit ce qu’il veut dessus. Zany ve de mbola tsy azony foana h@ zao? lasa mirediredy eo mason olona rehetra eo, mba mahalala menatra oe

error: