Rehefa ao anatiny, dia tokony mahafantatra fa misy ny fikambanana. Raha tsy ao anatiny, indrisy tokoa moa fa tsy voatery ahalala ny fisian’ny fikambanana.
Toa mety tsy mifankahazo ny resaka. Ny Fikambanambe Andriamasinavalona na Zazamarolahy dia tsy naheno aho. Raha tsy hoe Fikambanana miafina angaha noho ny voalazako teo aloha? Ny Jaky Mena mantsy dia tsy azy irery fa castes maro no ao. Na izany anefa misy ny Fikambanan’ny Andriamasinavalona teraky ny atsy na eroa. Hitanao amin’ny filazana an-gazety eny rehefa misy lanonana. Ny an’ny Zazamarolahy kosa dia tsy naheno mihitsy aho ny toa io.