Miarahaba antsika rehtra e!
Dia tratry ny fety daholo!
Miarahaba anao ry Ambodirano izay vao nahita anao. Misy zavatra mba tiako anontaniana anao ity.
T@ voalohan’ny volana desambra dia namonjy fetim-pianakaviana avy @ fiancé-ko za tàny Mantasoa. Ary tena hitako fa mbola mitana ny maha-andriana azy ry zareo. ny tiako anontaniana anao dia izao: mbola anisan’ny taranak’i Andriampanarivofoinamanjaka sy Ranavalotsimitovy ve ny andriamasinavalona avy ao Mantasoa.
Araka ny nazavain’ny beben’ny fiancé-ko fa avy ao Miadamanjaka Mantasoa no tena nipoiran’ny Andriamasinavalona eny @ iny faritra . Ary eo koa no niandohan’ny andriana @ toerana iray atao oe Ankadivory. ka ahoana no fahitanao an’izany.
Soava tsara e!