Ao ambohidrabiby dia misy atao hoe andriandoriamanjaka, ara-tantara dia nataon-dRalambo sy andrianjaka ho andriana mandrakizay izy ireo. Porofon’izany, ny teny hoe « manjaka » eo aminy. Izany hoe exception manamarina ilay règle ny génération 7 maha-andriana ireo andriandoriamanjaka ireo. Porofon’izany koa, ireo andriandoriamanjaka no nivady tamin’ny famille andriambahoaka ka niteraka ireo razan’andriana tany Imamo. Voalazan’ny lovantsofina fa ao akaikin’ny manazary dia misy tanàna atao hoe fonohasina izay ary 7km ao avaratr’arivonimamo dia misy tanàna atao hoe » Ambohibe » izay andriandoria no voatazon’ny lovantsofina fa tompony. Any amin’ny faritry betsileo koa , ao avaratr’i Sahambava dia misy tanàna izay voatazon’ny lovantsofina fa Andriandoria no namorona azy ary » Ambohimalaza » no anaran’io tanàna io ary voatazon’ny lovantsofina betsileo fa » noble » no firazanan’ireo andriandoria ireo, izany hoe tsy lasa hova velively ireo andriandoria rehefa tapitra ny7ème génération. Ny tena interessant dia hoe, ankehitriny, tsy misy ofisialy intsony ny andriana aty Imerina satria foana nefa izany dia ireto andriandoriamanjaka ireto noho izy natao doria dia izy irery ihany izany no andriana aty imerina ankehitriny fa ny sisa dia » taranak’andriana ».