andriana c'est juste un titre ou…
Accueil › Forums › Madagascar – Coutumes, croyances, histoire › andriana c'est juste un titre ou…
-
AuteurPosts
-
27/08/2009 à 13h24 #21094AnonymeInactif
Mahakasika ilay génération 7 dia misy ny exception ary mifandraika amin’ny tantaran’ambohidrabiby izany. Teo ambohidrabiby dia nisy fanambadiana roa sosona nataon-dRalambo: ralambo nampanambadiana an’dRatsitohinamanjaka , zanak’andrianamboninolona, ary ireo andriandoriamanjaka zafikelindrabiby nampanambadiana ny iray tampo amin’i Ratsitohinamanjaka. Ny terak’ireo fanambadiana roa sosona ireo dia samy mahazo manjaka. Io fanambadiana io no manazava ny lovantsofina eo Ambohidrabiby sy ny any Ambohibe amin’Andriampenovola izay mitazona fa taranak’andrianamboninolona ihany koa ny andriandoriamanjaka . Na izany aza, ny terak’ireo fanambadiana roa ireo dia tsy mijanona ho andrianamboninolona akory fa mitondra ny sata manokana toy ny zanadralambo amin’andrianjaka sy ny andriandoriamanjaka.
27/08/2009 à 20h47 #21095AnonymeInactifMety ny ataonao: manontany rehefa tsy mahalala. na nobeazina tamin’ny mahaandriana ianao na tsia dia zonao ny mahalala ny tantara. Raha tsorina ny hevitry ny hoe andriana aloha dia efa niova nanarala ny fivoran’ny fanjakana merina. mbola fikarohana lavabe no hatao mba hanaporofoina izany amin’ny fomba siantifika (misy manao izany ankehitriny ary tsy voatery hahafaly ny andriana satria manitsy ny fandraisana ny tantara). ny efa eken’ny be sy ny maro, izany hoe ny mpikaroka tantara ara-tsiatifika sy ny mpikirakira tantara ankehitriny) no omena anao. Tany ampihandohana dia mbola tsy vorafitra tahaka ny ahalalantsika azy izao. tamin’ny nandimbiasan’i Andrianjaka an-dRalambo no niandohan’ny fizarana. tohizako rahampitso fa tonga ny fiara hodiana!
28/08/2009 à 13h22 #21096AnonymeInactifde JAO MAHAROVO
Je suis un Tsaravoninahitra. Pourqoui? Tout simplement car Le Tsaravoninahitra est défini par un espace géographique tout comme les Voromahery ou les Mandiavato…..ou les Hovas Tsimahafotsy ou les Tsimiambolahy ils sont tous définis par un espace qui leur est propre. En fait, c’est la désignation des autochtones datant du XVIII siècle. A vrai dire, c’est un espace défini par un groupe appelé Tsaravoninahitra. Un autre exemple les gens d’Imerikasinina fussent appelés Les Tsimiverindoha. Je vous conseille de vous référer à l’ouvrage Firaketana entrée Antanamalaza/Andriamaheritsialaintany/. C’est beau d’avoir ce titre mais aucunement le mot n’a pas la connotation nobiliaire que vous espériez trouver. C’est la quête identitaire que vous faites c’est une démarche encourageante. Courage.
A l’heure où l’éthique sur les plans disparait » Soyons des Tsaravoninahitra » dans notre conduite de tous les jours.
Jao Maharavo. Zazamarolahy-Tsaravoninahitra.
28/08/2009 à 21h03 #21097hekyMembreHeky ihany!
rehefa nandimby an-dRangita mantsy Andriamanelo dia nafarana fotsiny hoe: anao ny alakamisy fa an’Andriamananitany ny zoma. tsy nisy rafitra napetraka mba hahazoana miaro izany fandovam-panjakana izany ka niafara tamin’ny famonoana an’Andriamanananitany mba hanjakan-dRalambo zanany. naka lesona tamin’izany Ralambo ka rehefa nanome ny fitondrana an’Andrianjaka izy dia nametraka rafitra mamaritra ny satan’Andriantompokoindrindra zokiny: rafitra hifanajana sy iarahana mitondra ny fanjakana. nomena sata ihany koa ireo havan-tetezina sy fianakavian-dRalambo: ny taranak’Andrianamboniolona, ny Andriandranando ary ny Zanadralambo. Nanomboka teo amin’Andrianjaka ka hatramin’Andriantsimitoviaminandriandehibe (voalohany) dia vitsy no nateraky ny mpanjaka ka tsy mila nalamina ny fandovam-panjakana. Nony najaka kosa Andriamasinavalona dia nanambady maro mba hahafahany ihany koa manitatra ny fanjakana. izany no nahatonga ny hoe : vady mahazaka fanjakana. maro be ny zanany nefa tokony ho iray, raha ny tokony ho izy no mpandova. izany no nahatonga azy hametraka sata vaovao. ny naterany tamin’ny vady mahazaka fanjakana no nomeny ny satan’ny ZAZAMAROLAHY. IREO SY IZAY hatsangan’ireo ho zanany no mahazo mandova fanjaka na MANJAKA. ny zanany hafa sy ny havany miara-mizaka fanjakana aminy ary ny ZanadRangorinimerina (hazavaina io amin’ny manaraka raha tianao) no nomena ny satan’ANDRIAMASINAVALONA. nanjary 6 hatreto ny fizarana. erhafa tonga indray Andrianampoinimerina dia efa maro loatra ny zazamarolahy afaka mandova fanjakana. Mba hahafahany manilika azy ireo indray dia nametraka rafitra iray vaovao izy. Nomeny sata ireo naterany ka noheverina ho afaka mandova ary nataony indray hoe :ZABAKANDRIANA. feno fito izy izay. tiana ny manamarika fa ny sata dia tsy midika fiandrianana fitsiny ihany fa indrindra indrindra andraikitra mivantana eo amin’ny fiaraha-monina. tsara ny manamarika fa nanomoka tamin’Andrianampoinimerina no nanomezana olona hafa tsy manana rohim’pihavanana amin’Andriamankjaka ny satan’Andriamasinavalona. ohatra: Andriamahazonoro.29/08/2009 à 11h07 #21098AnonymeInactifMiarahaba anareo rehetra tompoko, mba te hahalala aho hoe misy ve ny fikambanan’ny andriana andriamasinavalona aty franta? izay manana info momba io dia mba iangaviako hanome numero telephone,adresse mail, misaotra mialoha antsika rehetra.
-
AuteurPosts
- Vous devez être connecté pour répondre à ce sujet.