andriana c'est juste un titre ou…

Accueil Forums Madagascar – Coutumes, croyances, histoire andriana c'est juste un titre ou…

5 sujets de 126 à 130 (sur un total de 402)
  • Auteur
    Posts
  • #21106
    Anonyme
    Inactif

    Sao mba misy mahafantatra ny taranak’Andriampenitra tsy miray lova amin’Andriamanelo sy Andriamananitany. anaran-tanàna fotsiny dia ampy raha misy mahalala

    #21107
    Anonyme
    Inactif

    Ny tena marina tsy hoe taranak’i Andriapenitra sy miray lova amin’Andriamanelo sy Andriamananitany. Rehefa Andriana samy taranak’i Andriapenitra avokoa. Andriapenitra dia mpajanka vazimba avy any Ampandrana ao atsimon’Ankadivoribe, Ambohimasombola no renivohitra.Tao Andriampenitra no nanjaka ary RAFANDRAFANENITRA no tena anarany ; RAFARAMAHERY no vadiny ary izy miavady ireo no niteraka an’i RAGITAMANJAKA, izany hoe avy eny Ambohimasombola no fiavian’i Rangita zay vao nifindra taty Imerimanjaka. Ao Ambohimasombola no misy ny fasan’i Andriapenitra (Avaratry ny Fiangonana FJKM Ambohimasombola, ny an’i Rafaramahery kosa eo ambony atsimon’ny fasan’i Andriampenitra.Ary mmbola maro ny olona manasina àny. Ary tadidio faf tao Ambohimasombola renivohitr’Ampandrana no nisy ny fanjakana merina voalohany.
    Izaho manoratra eto moa dia avy ao Ambohimasombola ary izahay aty dia misy tarank’i Andriampenitra sy Rafaramahery vadiny. Mahagaga anefa fa ohatra adinon’ny olona ankehitriny ny lazan’Ambohimasombola satria anisan’ny tanànan’andriana nalaza taloha i Ambohimasombola.

    #21109
    Anonyme
    Inactif

    Ra Heky a voalohany aloha Rafohy no niteraka an’Andriamanelo ary Rangita no bebean’i Andriamanelo. Tamin’ny Andron’i Ragita sy Rafohy dia nisy ny Fanjakana Arindra izay rafitra iray. Ny dikany dia hoe ny fitondrana ny fanjakana dia ifandimbiasana; izany hoe Andriamanelo aloha no manjaka avy eo Andriamananitany. Ny dikan’ny hoe »ny Alakamisy an’Andriamanelo, ny Zoma kosa An’Andriamananitany » tamin’izany andro izany mantsy dia ny Alakamisy dia jour du PRINCE fa ny Zoma dia jour du ROI izany hoe tokony i Andriamananitany no mandimby an’Andriamanelo. En plus ny nahatonga ny anarana hoe Andriamananitany anie dia hoe « Andriana Tompon’ny Tany » celui qui possède la terre . Nefa moa tian’Andriamanelo Andimby azy ny zanany dia nataony izay hevitra rehetra hamonoana an’Andriamananitany. Rehefa maty ANdriamananitany dia noentina nandositra ny zanany lahy atao ANDRIANAMBONINOLONA. Ary fanajana ny tenin’Rangita sy Rafohy dia tsy maintsy maka vady ny taranak’Andriamananitany avy amin’Andrianamboninolona ka ny zanak’ity farany no nalain’i Ralambo vady Ratsintohina ary niteraka an’Andrianjaka.
    Noho izany dia Andrianjaka izany no tena tokony hanjaka fa tsy Andriantompokoindrindra na dia hoe lahimatoan’Imerina aza ity farany satria Andrianjaka dia avy amin’ny ligné tokony hanjaka dia ny taranak’i Andriamananitany avy amin’Andriamboninolona.
    Tsy Andrianamboninolona akory izaho manambara etona fa mpandinika tantara fotsiny.

    #21112
    heky
    Membre

    Mitombona ny anao ary Ratsitohina no vady nahazaka fanjakana nahatonga an’Andrianjaka nanjaka. miteraka olana hafa indray nefa izany ho an’ny Andriantompokoindrindra sy ny fandraisany ny tantara. ny tiako hazavaina teo aloha fotsiny dia ny fizotran’ny niforonan’ny satan’ny zanakandriana sy zazamarolahy ary ny andriamasinavalona. niniako tsy nolazaina mantsy ireo voalazanao teo ambony ireo satria fantatro loatra ny adihevitra eo amin’ny samy andriana ny mikasika ny tokony nanjaka sy tokony hanjaka. mbola tsy vita mantsy io resaka io ary ahiako tsy ho vita mihitsy raha ny fijeriko azy. fototra mampisara-bazana ny andriana eto Imerina ary miteraka fifanavakavahana mihitsy aza. misy mantsy ohatra ny olana amin’ny fandraisana ny tantara eo amin’ny Andrianamboniolona sy ny terak’Andrianjaka, tsy lazaina intsony ny fifandirana mikasika an’Andrianjaka sy Andriantompoindrindra, ny eo amin’ny zazamarolahy sy ny zanakandriana… rehefa tena fakafakaina mantsy n y tantara dia toa betsaka kokoa ny mampisaraka noho ny mampiombona rehefa te hanindraindra ny azy ny tsirairay. ilaina izany ny fandalinana tsy miandany nefa rehefa mahakasika ny voninahitry ny sasany ny famakafakana dia miakatra avo dia avo ny feo ka tahaka ny tsy andriana intsony no miresaka.

    #21113
    Anonyme
    Inactif

    Misaotra anao namaly. ianareo mihitsy ange izany no tadiaviko e! mpikaroka ara-tantara mahakasika manokana an’Imerinatsimo aho. tsy ampy intsony mantsy ny boky izay heveriko fa efa nanary ny 80 isanjaton’ny tantara. tsy maintsy izay nefa no iaingana aty ampihandohana.

5 sujets de 126 à 130 (sur un total de 402)
  • Vous devez être connecté pour répondre à ce sujet.
error: