Misy afaka milaza momba ny andriana avy ao Ampanefy atsimondrano ve ianareo. ny olana mantsy efa lasa ko razana avokoa ireo olona lehibe izay heveriko fa afaka nanome ahy valiny. misy ihany ireo mana tahiry fa toa saropiaro amin’ny zavatra fantany sy ananany (tetiarana). ny fantatro dia oe terak’Andrianjaka no fiantso anay. nanao lova tsy mifindra toy ny andriana rehetra (endogamie moa no fiteny anzany). ny fahafantarako azy aloha dia zanadralambo ny olona avy ao ampanefy. fa ny mahatonga azy hoe terak’andrianjaka no mahatonga mametrampanontaniana.