andriana c'est juste un titre ou…
Accueil › Forums › Madagascar – Coutumes, croyances, histoire › andriana c'est juste un titre ou…
-
AuteurPosts
-
19/10/2009 à 16h28 #21333AnonymeInactif
Ka ny Tantaran’ny andriana izany no tena réference ?
20/10/2009 à 11h55 #21339AnonymeInactifHeky ihany
Ny Zazamarolahy rehetra dia naterak’Andriamasinavalona avy amin’ny vady mahazaka fanjakana avokoa. ny zanak’ireo indray naizay natsangany no mandova ny satan’ny Zazamarolahy avy eo. Raha milaza an’Andriambelomasina ianao dia tena marina tokoa fa zana-dRangorinimerina izay kanak’anabavin’Andriamasinavalona izy. nisy rafitra fifandovam-panjakana napetrak’Andriamasinavalona nefa nahatonga azy ho nandova fanjakana. Rahavanin-dRangorinimerina izay atao hoe Ravololondralambo no nampivadian’Andriamasinavalona tamin’Andriantsimitoviaminandriandehibe zanany ary ny zanak’izy ireo no handimby fanjakana any amin’ny Avaradrano. tsy niteraka nefa Ravololondralambo dia tsy maintsy nanangan-janaka izy. tsy iza izany fa Andriambelomasina lahiaivonn-dRangorinimerina. mbola misy rohim-pihavanana hafa mahaton,ga ny ady hevitra hoe Zazamarolahy sa Andriamasinavalona ny tera-dRangorinimerina hafa tavela tany amin’ny Tantsaha…20/10/2009 à 17h28 #21341AnonymeInactifTsy mpirahavavy Rangorinimerina sy Rampananamboninitany fa zanak’olo-mirahavavy, teny Anosindrampanana ankilan’Alasora Rampananamboninitany renin-dRangorinimerina, Ravololondralambo II zana-dRavololondralambo I kosa dia teny Ilafy rehefa nisara-panambadiana, Andriambolanambo no fianakaviany.
Raha t@ andron’Andriambelomasina dia zazamarolahy tsy iadian-kevitra ny tera-dRangorinimerina, satria ireo zazamarolahy dia nataon’Andrianampoinimerina hoe terak’Imahazaza, Andriamifonozozoro no razambe milevina ao @io Mahazaza io mety nisy angamba fanamboarana nokasainn’Andrianampoinimerina t@ terak’Andriampalimanana kanefa tsy azo fafana ny nentin-drazana fa mandra-kandroany dia zazamarolahy ihany no fahafantaran’ny terak’Itsirangaina sy Ankeribe ny tenany, ary araka ny firaketana dia milaza mazava izy fa Zazamarolahy ny terak’Andriankotonavalona ao Ambohipoloalina izay eny tantsaha ny rahalahiny, zazamarolahy tsy azo iadian-kevitra koa ny ao Anosiarivo, ary Ratsimisotry sy Ravalontsalama sy ny terak’Andriamohara koa dia zazamarolahy, ireto aza mbola isan’ny zanakanadriana t@ andron-dRanavalona 1ère.
20/10/2009 à 17h37 #21342AnonymeInactifAmpiako kely
Ravalontsalama sy Andrianaivo Razo zanany sy Ratsimisotry sy ny sasany t@ireo tera-dRabodonandrianambonimena zanakavavin’Andriamohara dia izimirahalahy mianadahiavy t@ Ranavalona I. Ny anaran-dRafotsirabodo hoe Rabodonizimirahalahy dia fanatitranterana ny maha-izimirahalahimiandahiavy azy.
20/10/2009 à 18h03 #21343AnonymeInactifFaranako kely, Andrianambonimena zanakanabavy no tena zanakandriana mpandova t@ Andriamasinavalona fa nodian-dry zalahy tsy fantatra ka ny firaisana reny (Rampananiambonitany) @ io zanakandriana mpandova io no itoeran’ny hasin-dRangorinimerina sy ny zanany fa tsy ny fananganan’ny zanak’Andriamasinavalona tsy akory izay tsy voatery nisongadina be ny renin’ireo (jereo ny an’Andriantsimitoviaminandriana).
Toa adinon’ny maro koa fa zanakan’anabavin’Andrianjakanavalomandimby iraitampo aminy Andriamifonozozoro vadin-dRangorinimerina.
Ny tetiaram-behivavy no herin’ireo zana-drangorinimerina ireo, ka antony nanaovan’Andrianamboatsimarofy vava t@ Mayeur tonga tao aminy fa ny maha-zana-behivavy azy no légitimté an’Andriambelomasina fa izy kosa no tarana-dehilahy.Tsy ny fananganan’Andriatsimitovy an’Andriambelomasina akory no nampiakatra ny fianakaviany fa ny maha-zanakanabavin’Andrianambonimena azy. Izay no nahatonga ny Marovatana nitady fihavanana t@ Andrianamboatsimarofy hiaro ny zanak’Andriambelo fony maty rainy fa tsy mahatamby (ireo zana-behivavy ireo) hono izy.
Ny terak’Andriantsimitoviaminandriana ohatra (eny Anosiavaratra) dia tena Andriamasinavalona.Veloma e!
-
AuteurPosts
- Vous devez être connecté pour répondre à ce sujet.