andriana c'est juste un titre ou…

Accueil Forums Madagascar – Coutumes, croyances, histoire andriana c'est juste un titre ou…

5 sujets de 151 à 155 (sur un total de 402)
  • Auteur
    Posts
  • #21358
    Anonyme
    Inactif

    Misy fanontaniana kely ireto ry heky,

    raha azoko tsara zany dia tokony ho Zazamarolahy ny teranak’andriambonimena fa izy nanaiky ho andriamasinavalona dia andriamasinavalona ry zareo.

    toa misy filazana hoe zanak’Ranavalomanambonitany Andrianambonimena.

    ary ahoana le hoe , Andriamifonozozoro na Rafonizozoro vadin-drangorinimerina dia toa hoe eny Vatobe no milevina fa tsy ao Ambohimanga izany. Mbola ao ny fasany ao mifatotra fakaknkazo ao. Sa mety hoe nozaraina roa ny fatiny ka ny antsasany any ambohimanga ary ny antsasany ery Vatobe.

    #21359
    Anonyme
    Inactif

    Ny terak’Ambodifahitra dia tompon’ny endrika’bika sy fahaizana ary
    ny harena. IIzany rehetra izany no tena azo hilazana fa sady Taviny tokoa izy ireo no sady volony hoy ny fitenin’ntaolo azy.
    Tsy midika anefa izany fa rehefa toy izany izy dia ho Andriana.
    Hova ,vady tsy andranon’Andriamasinavalona na « vaidikely » no niterahiny foin’izy nanjaka.
    Tsy nitondra titre Printsy mihintsy izy ireo na dia zanaky ny mpanjaka aza.
    Ny teraky Lazaina sy Ambatofotsy -Avaradrano ihany no tena azo lazaina fa Andriana satria ZanadRalambo@Andrianjaka ny sata entiny.
    Tany @ androndRadama 1ier izy ireo no niady mafy ny hilahatra
    @ Lazaina ,Ambatofotsy A/drano satria tsy neken’ireto farany haka vady ny ao aminy ka nandeha nitalaho tany @ mpanjaka hoe « samy mitovy izao ka hi-fanavakavaka.
    Raharaha be t@izany satria nahatsiaro tena ho voatery hivarilavo
    ny terak’Andrianjaka ary mbola nandaha mafy an’ireo « zanadralambo Tsotra » any ka voatery namoaka didy hentitra ny mpanjaka ka voatery nanaiky ihany t@ farany.
    Tsy an-tsitrampo fa an-katerena.
    Mijere documents dia ho hitanao ao ny momba azy.
    Manontania ireo ray aman-dreny be dia hazava aminao ny marina.
    Fa maro @izy ireo kosa aloha no nanambady Andriambe e!.Tsy azo
    lavina izany satria marina dia marina loatra.
    tsy sanatria mitsikera fihavian’olona tsy akory fa Tantara no resahina ary ny tantara dia tsy tefitefena fa ny tena izy ihany no
    izy ary aleo tsy amboamboarina izany .

    Raha ny any am-piandohana aloha dia io voalaza eo ambony io no tena izy.

    #21465
    Anonyme
    Inactif

    Betsaka ny miteniteny foana sy ny mirediredy ato, mikasika ny:

    – Zanadralambo Ambodifahitra : tena diso hevitra tsy mahay tantara;
    – Zanadralambo: tena diso tsy mahay tantara,
    – Zanakandriana: betsaka zazamarolahy no misavika ho zanakandriana…ets.

    #21479
    ambodirano
    Membre

    Ra Heky a voalohany aloha Rafohy no niteraka an’Andriamanelo ary Rangita no bebean’i Andriamanelo.

    TSIA ahitsio kely fa Rangita dia zoky demi-soeur iray ray (Andrampenitra na Rafandramanenitra) @ndRAFOHY saingy tsy niteraka RANGITA dia nanangana anzandriny dia ataon’ ny tantara sasany hoe reniny (mère adoptive selon les lois de l’époque là oui !)

    #21485
    Anonyme
    Inactif

    Slt Ambodirano. Tsy miteny izaho hoe ny anao diso fa aza tonga dia miteny ny an’olona ho diso fa samy manana source de document avy. Nefa raha dinihiko dia ny anao no tsy dia mitombina kokoa aza. Rafandrafanenitra dia Andriamanjaka teo Ambohimasombola ary Rafaramahery no vadiny izay niterahany an’i Rangitatrimovavimanjaka. Raha voalazanao dia iza àry no renin’i Rafohy? Stria tadidio fa Ratsiseranina no Rahavavin’i Rangita ; Ary Rangita no nanjaka satria izy no zokiny (Principe du fanjakana Ifanoavana) Ratsiseranina kosa nanoha ary avy eo Ambohimasombola izy no nifindra tetsy Andraisisa Eo Ankadivoribe. Ary tadidio fa aza tonga dia miteny ianao fa tonga dia diso ny lazain’ny olona fa porofoy aloha.
    Samy manana ny sorce ny olona tsirairay. Ianao zao avy eny Ambodirano Manana ny anao . Izahay avy eny Ambohimasombola manana ny anay ihany koa. Ny tiako tenenina fotsiny dia aza tonga dia miteny ianao hoe diso ny an’ny olona fa hadihadio tsara aloha. Bon courage e§ Ity ny Mailko raha te hamaly ianao ramrov5@yahoo.fr

5 sujets de 151 à 155 (sur un total de 402)
  • Vous devez être connecté pour répondre à ce sujet.
error: