andriana c'est juste un titre ou…

Accueil Forums Madagascar – Coutumes, croyances, histoire andriana c'est juste un titre ou…

5 sujets de 161 à 165 (sur un total de 402)
  • Auteur
    Posts
  • #21507
    Anonyme
    Inactif

    Saika anontany anao fotsiny izaho ry Ambodirano; raha ny voalazanao dia tsy niteraka I Rangita. Aminao izany mandainga ireo olona milaza ho taranak’i Rangita eto amin’ny Koolsaina no sady manao « tsarava tompoko »?

    #21508
    Anonyme
    Inactif

    Réponse dans le tantaran’ny andriana. Trouves-en un et lis le et ensuite, tu pourras poser des questions aux anciens. Manjary manao questions bêtes loatra sa minomino foana zay tenenin’ny olona @ forum.

    #21509
    Anonyme
    Inactif

    Ianao no tena minomino foana raha ny Tantaran’ny Andriana fotsiny no « référence »-nao satria efa hiaraha mahalala fa tsy marina daholo ny voalaza ao nefa io ve no atoronao ny olona te ahafantatra.
    Teto amin’ity forum ity aho dia namaky lahateny mitombona sy manakaiky ny marina kokoa noho ny TA amin’ny lafiny sasany.

    #21513
    Anonyme
    Inactif

    Ny TA dia 95% marina daholo ka mba mieritrereta vao miteny. Dia zay koa no hanaovako oe rehefa avy mamaky ianao, dia miresaha @ ireo ingahy ndriana sy ireo ankizy ao tanàna (taranaka andevo) fa zareo mahay tsara ny tantarantsika. Ny eto mantsy betsaka ny mamorona.

    #21516
    ambodirano
    Membre

    Saika anontany anao fotsiny izaho ry Ambodirano; raha ny voalazanao dia tsy niteraka I Rangita. Aminao izany mandainga ireo olona milaza ho taranak’i Rangita eto amin’ny Koolsaina no sady manao « tsarava tompoko »?

    Mmmmhh … Tsy mandainga izy fa amiko dia mety ho tsy mahalala tsara fa mbola anteriko indray fa tsy niteraka Rangita fa nanangana an-dRafohy zandriny. Izany anefa dia tsy milaza hoe tsy Mpanjaka nahay nitondra teo IMERIMANJAKA izy ary fototry ny Fanjakana arindra. Fa aoka tsy izay manao tsarava tompoko akory dia itompoina teny fantatra. Mila mbola averina hosoratana hoy aho ny Tantarantsika tany ampiandohan’ny Fanjakana Merina (Rangita sy Rafohy dia nanjaka entre 1550 1580 tany) indrindra ny mikasika ny dynastie Antehiroka. Satria mety tsy ho fantatrao fa Antehiroka zanadahy Rafandramanenitra rain’izy mirahavavy saingy nanambady ny Andriana vavy Rafaramaheriomby faravavin’izy 3 mirahalahy (Rafandrandava , Ramasindohafandrana ary Rafandrampohy) izay nifandimby nanjaka tao Ampandrana ary nony niamboho avokoa dia nodimbiasandRafaramaheriomby faravaviny izy 3 mirahalahy. Mpirahalahy ireo fa tsy mpianaka mpiafy fa diso ny tetiarana nataon’ny eoropeana. Antenaiko fa mbola hoazavain’ny genealogiste izany fa Rtoa Gilberte Ralaimihoatra no efa nanomboka ny fanitsiana. Ary hoampiako hoe Rafaralahinataonitany raindRafandramanenitra dia nanambady Andriana vavy anabavin’Andriamorainy na Andriamoraony ary ny raibeny koa torak’izany ary ny rain’ity farany ANDRIANDRANOALA dia nanambady andRAPOLOALINA Andriana vavy koa rehefa nandositra tany Ankaratra atsinanana satria izy dia zandrindRAZEVOMANANA Mpanjaka Antehiroka voaroakan’ny Andriana tao FANONGOAVANA satria resy tamin’ny ady lehibe tao tamin’ny taona 1430 tany.

    Mety hahaliana ny sasany izany ary manokatra ny adihevitra hafa momba ny Tantaran’ny Fanjakana rehetra tamin’izany.

    Soava tsara daholo tompoko.

5 sujets de 161 à 165 (sur un total de 402)
  • Vous devez être connecté pour répondre à ce sujet.
error: