andriana c'est juste un titre ou…

Accueil Forums Madagascar – Coutumes, croyances, histoire andriana c'est juste un titre ou…

5 sujets de 171 à 175 (sur un total de 402)
  • Auteur
    Posts
  • #21525
    ambodirano
    Membre

    Aiza kosa e. Efa mba voavakiko sy voadiniko ny boky nosoratan’ i Gilberte Ralaimihoatra. Mety tsy ho sahy hitsikera kosa aho raha toa ka feo tatsy sy teroa fotsiny no henoko. Nahafinaritra ahy ny fomba nametrahany ny tetiarana, fa kosa tsy maintsy mitandrina foana: marina daholo ve ireo anarana ireo ?

    Ho averiny hono io boky io. Marina tokoa, fa asa, efa tena zokiny mihintsy izy na dia mbola matanjan-tsaina tsara.

    Marina izany kah ! Manaja ny hevitrao ny tenako. Ny fandinihako azy manko dia efa « condensé »-n’ ny Tantaran’ny Malagasy (RAINITOVO) izay mampivadika atidoha ny daty ao anatiny, ny TA ets ets… ny Tetiarana atolotr’i Mme Ralaimihoatra. Ary ny tena tanjany dia miainga amina sehon-javatra (évenements) voaporofo fisiana sy daty ary miakatra any @’ny fahagola ela be tany. Ary misy navelany ho banga eny antsefantsefany eny rehefa tsy voamariny ‘lay izy. Ny anaran’ny Razambe nanjaka aloha dia misy diso fanoratra fa azo vinaniana ihany ny tena mety ho izy . Ohatra ANDRIAMORAINY zokin’Andriandranolava nefa tsy nanjaka na ni-abdiquer dia nataony hoe AndriaMORAONY hita any @n’ny boky sasany koa. Marina aloha fa mila fahamalinana izany toy ny amin’ny fikarohana rehetra. Fa ny tena tsikaritro aloha dia misy ny rantsana (branches) voafafa tanteraka @ny Tetiarana satria resy na manelingelina ny Mpanjaka taty aoriana . Izay no mahatsara ny hanoratana indray ny Tantara ary ataona mpikaroka sy mpandinika marobe izany. Mety ho dingana lehibe no vita raha izay satria hivoaka amin’izany ny ROHIMPIHAVANANA mety tsy hoeritreretin’ny sasany akory .

    #21526
    Anonyme
    Inactif

    Efa niresaka tamin’ i Rtoa Gilberte Ralaimihoatra aho, taona maro lasa izay, ary efa nividy ny bokiny.

    Dia nosokafany ilay boky teo amin’ ny pejy mikasika ny tetiarana indrindra, dia naka penina izy, ary nisy novainy tao anatiny satria nisy diso.

    Na izaho mpandinika tantara aza dia mahatsapa izany, fa mbola misy mifangaro ny zavatra nosoratany mikasika ny tetiarana !

    #21529
    Anonyme
    Inactif

    Mitovy hevitra izany isika sy ianao ry ‘invité’.
    Ambodirano a. Iza moa no ho afaka anamarina anarana sy tetiarana mila ho 500 taona lasa izay, nefa tsy nisy soratra fa lovan-tsofina fotsiny ?

    #21530
    Anonyme
    Inactif

    ilay hoe tompon’ny bika aman’endrika ary fahaizana aloha ny terak’Ambodifahatra dia fialonana kosa raha handa an’izany. ndeha zahao de ho hitanao fa tsy mba hoe betsaka fotsiny ireo sady taviny no volony fa dia tena zavon-tany mihintsy.izay hoe andriana sy tsy andriana any alou de tsy dia idirako loatra izay fa izay zanak’Ambodifahatra mba fantatro dia olona manam-panahy ary manam-pahaizana. Tsy anganongano io leiroa fa tena marina.

    #21531
    Anonyme
    Inactif

    Aiza kosa e. Efa mba voavakiko sy voadiniko ny boky nosoratan’ i Gilberte Ralaimihoatra. Mety tsy ho sahy hitsikera kosa aho raha toa ka feo tatsy sy teroa fotsiny no henoko. Nahafinaritra ahy ny fomba nametrahany ny tetiarana, fa kosa tsy maintsy mitandrina foana: marina daholo ve ireo anarana ireo ?

    Ho averiny hono io boky io. Marina tokoa, fa asa, efa tena zokiny mihintsy izy na dia mbola matanjan-tsaina tsara.

    Ny resaka tsotra nefa manahirana indrindra dia ny mikasika ny Tetiarana.
    Tsotra satria samy manao izay saim-patany ireo mpikaroka izay mamoaka boky ,any ka toa lasa toy ny tsotsotra ilay izy.
    Sarotra satria ireo manana ny azy dia tsy mamoaka ny tena izy ary
    io zavatra iray io dia tena la clé manidy tanteraka ny vavan’ireo manana ny azy manokana.Ny « izy samy izy » kosa aloha dia samy manana ny azy e.
    ny azy

5 sujets de 171 à 175 (sur un total de 402)
  • Vous devez être connecté pour répondre à ce sujet.
error: