andriana c'est juste un titre ou…

Accueil Forums Madagascar – Coutumes, croyances, histoire andriana c'est juste un titre ou…

5 sujets de 176 à 180 (sur un total de 402)
  • Auteur
    Posts
  • #21536
    Anonyme
    Inactif

    Sarotra satria ireo manana ny azy dia tsy mamoaka ny tena izy ary
    io zavatra iray io dia tena la clé manidy tanteraka ny vavan’ireo manana ny azy manokana.Ny « izy samy izy » kosa aloha dia samy manana ny azy e.

    Izay aloha e! Sarotra be ny mamoka tetiarana tena mari-pototra ho an’ ny daholo be satria tsy tantara fotsiny ireny ho anay, fa mbola iainana mandrak’androany. Efa nahala mpisavika , fianakaviana manan-kaja tsy menatra mangata-bady amin’ny tetiarana sandoka nojapina teny fotsiny. Raha tsy mailo, dia tratra ao.

    Mijerijery ny eny amin’ ny Taniko sy ry Aviavy aho . Rehefa mijery ny mikasika ny fianakaviako aho dia mitsiky ihany satria misy diso dia diso tokoa, mampivady mpianadahy ohatra … fa aleo hijanona amin’ izao. Amin’izay tratra eo foana ireo manao copier-coller fotsiny dia manandrana mijapy .

    #21537
    ambodirano
    Membre

    Mitovy hevitra izany isika sy ianao ry ‘invité’.
    Ambodirano a. Iza moa no ho afaka anamarina anarana sy tetiarana mila ho 500 taona lasa izay, nefa tsy nisy soratra fa lovan-tsofina fotsiny ?

    Izao no azonao atao koa : manokafa ny « Tantaran’ny Malagasy… » nosoratan’i RAINITOVO dia ho hitanao ao fa ny anadahindRaketaka reniben-n’ ANDRIANJAKA Mpanjaka satria renin-dRatsitohina dia nanana anadahy natao hoe ROBIN II satria metisy anglisy rizareo efa niondrana antsambo tany Angletera t@ 1600 tany izy io ary niverina teto tonga tao Alasora namangy ny anabaviny. Ary namela TANTARA voarakitra antsoratra any Angletera any ary fototry ny Tantara nataon-dRainitovo. Io no niaingan’ny Tetiarana be dia be ka tsara ho fantatra raha ny hevitro.

    #21538
    Anonyme
    Inactif

    Ambodirano >>> Tsy mitovy loatra ny fijerintsika ny tantara . Fa iza moa no renin’ i Ratsitohina ? Fa naninona moa no Andrianjaka no nahazo ny fanjakana fa tsy ny zokiny avy ao Ambohimalazabe ?

    #21539
    Anonyme
    Inactif

    Mba vakio ny bokin’ i Dr Rasamimanana, Bakoly Ramiaramanana, Gilberte Ralaimihoatra, JP Domenichini, dia ho hitanao fa tena nanjaka tokoa Andriantompokoindrindra !

    Raha tsy izany ve izy nahazo ny antsasaky Imerina Roa Toko ho lovany sy Fanjakany !

    #21541
    Anonyme
    Inactif

    Ahoana e! ho alefa eto indray ve ny resaka tsy mety tapitra mikasika ny

    nanjakan’ikakibe Andriantompokondrindra ( hoy aho hoe Andriantompokondrindra fa tsy

    Andriantompokoindrindra, toy ny tena fanoratra azy) ?

    Rasamimanana hoy ianao ? izy tokoa ve moa tsy hiaro ny azy ? Bakoly Ramiaramanana ve ( ? efa nandinika tokoa izy, fa afaka teneninao ve hoe aiza ho ainy nosoratany manambara mazava fa nanjaka Andriantompokondrindra ? Mr Domenichini ve ? Hay moa ? Izy io mihintsy no anisan’ny niteny fa Andriantompokondrindra no fiteny. Izany « indrindra » izany hono mantsy tsy nisy taloha, fa ny sasany tamin’ny taonjata faha 19 no namadika ny teny « angalisy » indeed ho « indrindra ». Tompon’ny rindra hono ny zanaka lahimatoan’i Ralambo, fa tsy tompoko indrindra. Tompon’ny rindra, izany hoe mandrindra fa tsy manapaka. Hoy ny namako izay hoe taranaky ny Levita, taranaky ny mpisorona … izany tokoa mantsy no anjarany sy ireo razambeny avy any amin’ny reniny.

    Malaza koa fa tsy mety maty ny fanorona fa telo no dimy foana. Dia noraisin’ireo tsy mieritreritra ho fanalikana ny rainy niantso vonjy azy roalahy tany Ambohidrabiby.Ka izany hono no tsy nanomezan-dRalambo ny fankajana ho azy. Tsss!

    Nodinihin’Andriantompokodrindra tsara ny mety ahazoana ny fanjakana, nefa izao foana no valin-teny : « Tsy mety maty ny fanorona fa telo no dimy ». Fantany tsara fa tsy mety ho azy ny fanjakana, ka izany no nanaovany fifanekana tamin’ny zandriny mba ahazoan’ ny taranany manjaka koa.

    Inona no mety ho antony tsy nahazahoany fanjakana ?

    – Ara-tetiarana sy fanajana ny hafatra napetraka, mahery be ny an’ Andrianjaka, satria ny reniny Ratsitohina sy ny raibeny Andriamboninolona dia tompokon-kafatra avy any amin’ny Rafohy andovana fanjakana.
    – « Période charnière » io fotoana io, satria tsy maintsy ho tohizana ny natombokin’ ny mpanjaka Hova, izany hoe ho an’ny Vazimba niova ( ambaniandro ) ny tany sy ny fanjakana fa tsy ho an’ny vazimba fototra insony. Ka diniho hoe ambaniandro no nahasarika an’ Andriantompokodrindra sa vazimba fototra? Hoy tokoa mantsy ilay andriandehibe ao Ambohimalaza izay : « nafenina tamin’ny fomba vazimba Andriantompokondrindra », « misy lakana mivadika ao Ambohimalazabe ».sns …
    – sns …

5 sujets de 176 à 180 (sur un total de 402)
  • Vous devez être connecté pour répondre à ce sujet.
error: