andriana c'est juste un titre ou…

Accueil Forums Madagascar – Coutumes, croyances, histoire andriana c'est juste un titre ou…

5 sujets de 181 à 185 (sur un total de 402)
  • Auteur
    Posts
  • #21542
    Anonyme
    Inactif

    Andriantompokoindrindra dia nanjaka tokoa.
    Ny mpialona no mamadika tantara hatrany.
    Ary raha mbola eto Imerina sy eto Madagasikara dia tsy ho afaka amin’Andriantompokoindrindra na hiodi-kavia na hiodi-kavana.
    Fa nitondra faisana sy voahozona hatramin’ ny tarànany daholo izay namingana sy nijoro ho fahavalon’ Ny Andriantompokoindrindra.

    Hatsipy ny tady eny an-tandroky ny omby !
    Hatsipy ny teny ho an’ ny manam-panahy !

    #21543
    Anonyme
    Inactif

    Eny hoy aho. Aleo atao hoe nanjaka Andriantompokoindrindra fa sao mamary fo eo ny avy any.

    #21544
    Anonyme
    Inactif

    Mba hanimpy teny kely fotsiny aho :
    -1)-Andriana avy aiza moa i Ra8 ary hatr@ oviana?….2002 angamba.
    2)-Nanjaka tokoa i Andriantompokoindrindra nanditry ny fotoana fohy
    fa NANOHA ny rahalahiny izy avy eo ary nanao izany am-pahendrena sy am-panajana.

    #21545
    Anonyme
    Inactif

    Slt Ambodirano, misy zavatra tsy mazava ny zavatra lazainao Hoy ianao hoe mpirahalahy i Rafandrandava ,Ramasindohafandrana ary Rafandrampohy ary Rafaramahery no anabavin’izy ireo. Amiko aloha tsy mitombina izany sady tsy maraka ny laojika. Tadidio fa fony mbola nanjakan’ireo Andriamanjaka ireo teny Ampandrana dia mbola ny « FANJAKANA IFANOAVANA » no nisy teny raha amin’ny vahiny dia hoe « droit d’ainessa » izany hoe izay zanaka zokiny indrindra no mandimby fanjakana. Tamin’ny nanjakan’i Rangita sy Rafohy vao nisy ny « FANJAKANA ARINDRA » izany hoe raha manjaka ny zokiny indrindra dia ny zandriny manaraka azy no mandimby.
    Koa raha hoy ianao hoe mpirahalahy Rafandrandava , Ramasindohafandrana ary Rafandrampohy dia fanajakana arindra no nisy teny Ampandrana. Nefany averiko indray fa fony teny Ampandrana dia mbola fanjakana ifanoavana no nisy teny.
    Tsy fantatra intsony izay marina ry Ambodirano a. Tena mampalahelo ahy isika Malagasy amin’ny tantarantsika. Samy manana ny source daholo ka tsy intsony izay marina.
    Eo ampnaovana recherche ihany koa izaho zao momba an’Ampandrana.
    N.B: Tadidio kely fa fony teny Ampandrana dia mbola tsy nisy izany Andriana izany (période faha-vazimba). Ary izay no mahavoa antsika Malagasy ankehitriny mandino ny Hasin’ny vazimba izay razan’ny Andriana nanjaka taty ahoriana. Ary tadidio fa ny fanaratsiana ny vazimba dia « Histoire à la sauce coloniale ». (ramrov5@yahoo.fr)

    #21546
    Anonyme
    Inactif

    Hono oa raha ohatra ka Nanjaka marina i Andriantompokoindrindra izany anissan’ny Andriamanjaka, naninona no tsy tafiditra tao anatin’ny Vohitra masina 12 nahorin’Andrianampoinimerina i Ambohimalazabe. Satria tadidio fa ny antony nanaovana ny vohitra roambinifolo dia ho fatsiarovana ireo Andriamanjaka teto Imerina. Ary vohitra zokiny indrindra dia Ampandrana izay toerany nankana sy ilevenan’ireo mapnjaka vazimba RAZAN’ANDRIANA. Koa tsy dia voaporofo lohatra amiko ny hoe nanjaka i Andriamtompokoindrindra

5 sujets de 181 à 185 (sur un total de 402)
  • Vous devez être connecté pour répondre à ce sujet.
error: