andriana c'est juste un titre ou…
Accueil › Forums › Madagascar – Coutumes, croyances, histoire › andriana c'est juste un titre ou…
-
AuteurPosts
-
18/12/2009 à 8h47 #21547AnonymeInactif
Aoka marina e ! aleo mihintsy atao hoe nanjaka ikakibe Andriantompokondrindra, fa sao misy tapaka lalan-drà mamaky an’ity forum ity.
18/12/2009 à 15h59 #21549AnonymeInactifFa angaha moa Andrianampoinimerina no azo atao référence.
Izy aza efa nolazain’ i Raombana fa usurpateur !
Ary amin’ ny maha-usurpateur azy dia tsy maintsy nangataka tso-drano teny Ambohimalaza aloha, izay vao sahy niseho vahoaka, satria fantany hoe any no misy ny Hasina raha mbola tia hanjaka.Raha ny mikasika ny any Ampandrana indray dia tsy mpirahalahy velively ry Rafandrana, Rafandrandava, Rafandrampohy, Ramasindohafandrana, fa mpianaka avokoa. Fanjakana ifandovana, ny zanaka lahimatoa no mandova fanjakana hatrany.
Fa ry Rangita sy Rafohy koa anie dia usurpatrices, fa tsy nanaraka ny hafatry ny razambe tany aloha. Ny akoho vavy tsy maneno !
18/12/2009 à 22h07 #21555AnonymeInactifRehefa andriana fotsiny dia efa zavadehibe. Marina fa i Andrianampoinimerina tsy tokony nanjaka fa andriandehibe izy dia izay ny essentiel. Cousin germain an’ny tokony tena mpanjaka izy, fa tsy hova nangalatra fanjakana na andevo. Sady mpanjaka nahavita azy be koa izy.
Rangita sy Rafohy ndray tsy usurpatrices zany. Propos gratuits fotsiny kosa zany.
19/12/2009 à 17h30 #21562AnonymeInactifRehefa andriana fotsiny dia efa zavadehibe. Marina fa i Andrianampoinimerina tsy tokony nanjaka fa andriandehibe izy dia izay ny essentiel. Cousin germain an’ny tokony tena mpanjaka izy, fa tsy hova nangalatra fanjakana na andevo. Sady mpanjaka nahavita azy be koa izy.
Rangita sy Rafohy ndray tsy usurpatrices zany. Propos gratuits fotsiny kosa zany.
Tera-behivavy @ Rsoherina sy Andriambelomasina Nampoina ary efa
notendren-draibeny hanjaka ao aorian’ireo naterany.
Saingy SOMARY maimaika izy satria notetehin’ny anadahin-dreniny
ho vonoina ahafahan-janany , izay tsy voatendry, hanjaka.
Question de vie ou de mort no tena marina ary tsy maintsy niaro
ny tenanay izy.21/12/2009 à 0h17 #21570AnonymeInactifNy olana amin’ ny mpandinika tantara ankehitriny dia mandinika ambolony fotsiny, ka matetika maka toky amin’ izay nolazain’ ny taty aoriana, toa an’ i Rangita, Rafohy, Nampoina, Mavo, sns, fa tsy miakatra lavitra. Koa eo no fahavoazany.
Ny tsara ho fantarina dia hoe moa ve izay lalàna fandovam-panjakana niainana na nataon’ i Rangita sy Rafohy dia mifanaraka amin’ ny hafatry ny razambe tany aloha?
Moa ve ireo vadin’ i Rangita sy Rafohy dia ao anatin’ ny lalàna napetraky ny razambe teto aloha, raha mikasika ny fitondra-panjakana?
Moa ve ny nataon’ i Nampoina dia mifanaraka amin’ ny hafatry ny razambe tany aloha be tany ?
Moa ve torak’iany koa tamin’ i Ilaidama?
Moa ve torak’izany koa tamin’ i Mavo ka hatramin’ i Razafindrahety?
Rehefa mandalina ireo fanontaniana ireo, dia mahita zavatra hafa mihitsy. Izay ilay mahafinaritra ilay mandinika tantara !
-
AuteurPosts
- Vous devez être connecté pour répondre à ce sujet.