andriana c'est juste un titre ou…

Accueil Forums Madagascar – Coutumes, croyances, histoire andriana c'est juste un titre ou…

5 sujets de 191 à 195 (sur un total de 402)
  • Auteur
    Posts
  • #21571
    Anonyme
    Inactif

    Tera-behivavy @ Rsoherina sy Andriambelomasina Nampoina ary efa notendren-draibeny hanjaka ao aorian’ireo naterany.
    Saingy SOMARY maimaika izy satria notetehin’ny anadahin-dreniny ho vonoina ahafahan-janany , izay tsy voatendry, hanjaka.
    Question de vie ou de mort no tena marina ary tsy maintsy niaro ny tenany izy.

    Fa maninona no izy no tsy maintsy manjaka ? Ary ireo anadahiny angaha tsy kaoty ? Jereo tsara ny tantara e!

    #21572
    Anonyme
    Inactif

    Moa ve ireo vadin’ i Rangita sy Rafohy dia ao anatin’ ny lalàna napetraky ny razambe teto aloha, raha mikasika ny fitondra-panjakana?

    Moa ve ny nataon’ i Nampoina dia mifanaraka amin’ ny hafatry ny razambe tany aloha be tany ?

    Moa ve torak’iany koa tamin’ i Ilaidama?

    Moa ve torak’izany koa tamin’ i Mavo ka hatramin’ i Razafindrahety?

    Rehefa mandalina ireo fanontaniana ireo, dia mahita zavatra hafa mihitsy. Izay ilay mahafinaritra ilay mandinika tantara !

    Valivakio ihany ny an’i Alain Délivré. Efa misy azo sintonina ao mikasika ny arindra, ifanaovana sns sns

    #21575
    ambodirano
    Membre

    Slt Ambodirano, misy zavatra tsy mazava ny zavatra lazainao Hoy ianao hoe mpirahalahy i Rafandrandava ,Ramasindohafandrana ary Rafandrampohy ary Rafaramahery no anabavin’izy ireo. Amiko aloha tsy mitombina izany sady tsy maraka ny laojika. Tadidio fa fony mbola nanjakan’ireo Andriamanjaka ireo teny Ampandrana dia mbola ny « FANJAKANA IFANOAVANA »….
    Tsy fantatra intsony izay marina ry Ambodirano a. Tena mampalahelo ahy isika Malagasy amin’ny tantarantsika. Samy manana ny source daholo ka tsy intsony izay marina.
    Eo ampnaovana recherche ihany koa izaho zao momba an’Ampandrana.
    N.B: Tadidio kely fa fony teny Ampandrana dia mbola tsy nisy izany Andriana izany (période faha-vazimba). Ary izay no mahavoa antsika Malagasy ankehitriny mandino ny Hasin’ny vazimba izay razan’ny Andriana nanjaka taty ahoriana. Ary tadidio fa ny fanaratsiana ny vazimba dia « Histoire à la sauce coloniale ». (ramrov5@yahoo.fr)

    An ân ân efa nisy ny fanjakana Andriana tamin’ny andron-dRafandrana mirahalahy avy kah. Andriana ireo na dia mifangaro Antehiroka aza ary MBOLA NANARAKA ny SUCCESSION « Vazimba » : mifandimby ny mpirahalahy vao mandimby ny zanak’anabavy (Rafaramahery) io . Ny hypothèse-nao no tsy logique ary mbola be mpahalala nefa tsy mitombina satria noho ny ady antrano (guerres intestines) dia afaka nanjaka daholo izy 3 mirahalahy + ny anabaviny satria maty tanora hatrany noho ny ady. Lava loatra ny période AMPANDRANA raha mpianaka mpiafy ets… ireo fa kajio ny daty . Mbola hanoratra hoa anao ny tenako dia afaka mifandresy lahatra isika fa adi-hevitra tsara hipoitra io lafiny iray io.

    #21585
    Anonyme
    Inactif

    ANDRIANAMPOINIMERINA usurpateur hoy raombana?
    Andrianampoinimerina anie zanak’ i Ranavalonandriambelomasina sy Andriamiaramanjaka, koa usurpateur ahoana?
    Raha hoe nanao coup d’etat i Andrianampoinimerian dia … marina.
    Efa saika maty in-3 izy, notetehin’i Anadahindreniny izay mpanjaka hovonoina, ka niady izy mianaka.
    Raha resy Andrianampoinimerina, hafa ny tantaran’ny Merina sy i Madagascar: tsy nisy Radama I, fanjakana 1795-1895 etc.
    Usurpateur satria tafakatra teo aminy fitondrana tsy aminy fotoana tokony ho izy, fa noho ny HERY….
    Karazany ilay tena gasy vendrana izy amin’izay lafiny izay.

    #21586
    Anonyme
    Inactif

    Ny maha-usurpateur an’ i Nampoina dia i Ralaitokana zanaky Andrianjafy no tokony ho nanjaka, hoy ny taranaky Andrianjafy. Fa Nampoina no nanongana an’ ny rahalahin-drainy, nanao coupt d’etat, mba hahazoana fanjakana. Avy eo izy mety namorona ny hafatra napetraky Andriambelomasina. Mety ho marina tokoa izany.

    Fa misy zavatra tsy milamina ao, matoa i Raombana sahy milaza fa usurpateur i Nampoina. Anjaran’ ny mpikaroka tantara no mahafantatra izany !

5 sujets de 191 à 195 (sur un total de 402)
  • Vous devez être connecté pour répondre à ce sujet.
error: