andriana c'est juste un titre ou…

Accueil Forums Madagascar – Coutumes, croyances, histoire andriana c'est juste un titre ou…

5 sujets de 221 à 225 (sur un total de 402)
  • Auteur
    Posts
  • #21679
    Anonyme
    Inactif

    Araka ny tantara anie naharitra 100 taona mahery ihany anie ny dynastie teny e

    Efa nisy nanamarina angaha io ?

    #21707
    ambodirano
    Membre

    Slt av. Tratry ny taona ary mirary soa é ! Mbola tsy niresaka taminao aho angamba satria vaovao amiko ny anaranao eto. Miala tsiny amin’ilay ranamana anankiray teto ihany koa fa mbola tsy nanoratra ho azy aho fa be raharaha ihany tao ao izay.

    Tena be fanontaniana ianao ry av fa mitovy amin’ny eritreretinao ihany ny valin’ireo amiko afa-tsy ny momba azy telo mirahalahy, na efatra mianadahy:
    Rafandrandava,Ramasindohafandrana,Rafandrampohy miaraka amin-dRafaramahery moa izany izay lazainareo sy ny Tantara sasany hatramin’izao hoe : i (1) niteraka an’i (2) izay niteraka an’i (3) ary io niteraka an’i (4) [izy 4 mianadahy ireo] . Amiko aloha dia mbola averiko indray hoe tsy mitombina izany satria raha ao anatin’ny 50 na 60 taona (1520-1570 ohatra) dia tsy ary ho nanjaka daholo ireo raha nifampiteraka fa mpirahalahy ary ny anabaviny tompon’ny farany. Izany no fomba nifandimbiasan’ny Mpanjaka faha-Vazimba (mode de succession royale vazimba) fa dynastie Andriana zana-dahy mihitsy ny tao Ampandrana anefa , saingy mbola vitsy anisa tamin’izany andro zany. Fantaro fa Rangita zana-dRafaramahery efa nanjaka io 1570 io ary Rafandrandava tamin’ny 1520. Ary ny fanjakana tao Ampandrana dia naharitra mihoatra ny 100 taona kah : 1450-1570 na 1580 aza (130 taona izany) avy eo Rangita nankeo Imerimanjaka.

    Betsaka ny Mpanjaka nantsoina hoe Rafandrana ka mety afangaron’ny olona : ao Andrianamboniravina (1430) tao Beravina , Andriandranolava zanany (1480) tao Ambatondrakorika ary izy 3 mirahalahy resahintsika samy teraka manodidina ny 1500 daholo. Koa kajio ihany izay mifanakaiky amin’ny marina ! Ny fanjakana arindra no natombok’i Rangita sy Rafohy raha nandahatra ny hanjakan’Andriamanelo sy Andriamananitany ny Alakamisy sy Zoma izy mirahavavy mianaka ireo.

    (mbola hitohy)

    #21708
    ambodirano
    Membre

    (tohiny)

    Raha tianao ho fantatra na mba te-hampitovy ianao dia : Rangita sy Rafohy dia milevina ao Imerimanjaka (ny taolambalony moa izany) . Rafaramahery nanjaka teo Ambohimasimbola fa teraka sy nanambady an-dRafandramanenitra teo Andraisisa ary samy milevina eny Ambohitraina izy mivady: io tendrombohitra avobe manaloka ny lapan’Iavoloha (Mavoloha) io eo ambony andrefany ho an’izay te-hahafantatra. Ary izy telo mirahalahy Rafandrana resahintsika dia eny Soalandy (Ankadivoribe) ary ny an’izy roalahy zandriny izay hita vao tsy ela izay dia efa voarakotra briky mavokely ankehitriny. Ireo tanàna nitoeran’ny razamben’ny andriana rehetra ireo no nanoritra an’ Ampandrana ary ny atsimo indrindra dia ny tendrombohitr’ IFANDRANA na Ifandro (1496 metatra ny hahavony) . Koa raha ny tokony ho izy dia tokony tsy hokitikitihana intsony ireo tendrombohitra rehetra ireo satria mitahiry ireo razambe nipoirantsika (nécropole royale) hoy ny frantsay.

    Ary farany ny loharanom-boky nahazoako ireo dia ireo « classiques » rehetra fantatsika fa indrindra ny « Tantaran’ny Malagasy manontolo », Rainitovo 1930 1932 ary ny bokin-dRalaimihoatra Gilberte 2001 izay mitondra zava-baovao maromaro ihany tsara ho fantatra na dia tsy ho marina daholo aza fa ny mpanoratra tantara eo hanamarina na hanatsara izany , izay no faniriana.

    Dia ataoko fa hamaly ny fanontanianao ireo ary niniako nangalana fotoana lavalava mihitsy. Raha mbola hafahafa aminao ihany moa ireo zavatra azavaiko ireo dia efa loharanon-tantara mifanipaka atsimo sy avaratra ny antsika izany.

    #21711
    mianatra
    Membre

    slt av, azo heverina fa mitombina kokoa ny hoe mpirahalahy ireo rafandrana.. toa izay hoe mpianaka, ny hoe IFANAOVANA mantsy dia fomba fifampifehezana eo @ olona mitovy « rang » (mpirahalahy) fa tsy « hiérarchisé »(mpianaka), mety tsara izany teo @ ANDRIAMORAONY sy ANDRIANDRANOLAVA, fa ny teo @ ANDRIANDRANOLAVA sy RAFANDRANA dia fandovana, satria tsy nanana taranaka natanjaka i ANDRIAMORAONY dia mora sy nandeha ho azy ny fandovana ho an’ i RAFANDRANA, ny samy RAFANDRANA nifamatotra t@ IFANAOVANA dia nilamina sy niroborobo ny fanjakana. I ANDRIAMPENITRA dia efa MPANJAKA tany @ toerana hafa no tonga teny, nanambady an-DRAFARAMAHERY vavy tamin’ireo RAFANDRANA izy afahany manafy ny toerany teo, sahala @ nataon’ireo RAFANDRANA MIRAHALAHY AVY nanambady ny zana’ANDRIAMIHOATRA tompon’ny tany t@iny toerana rehetra iny » izany ny hoe FANJAKANA IOMBONANA, miaraka tononina ny lahy sy ny vavy ka ny vavy mitondra anarana » avec un sens de propriété ou de mis en valeur » …MANANANITANY na …NANAMBOANITANY.Naka ny anarana hoe RAFANDRAMANENITRA mihitsy izy. Ireo RAFANDRANA zokiny anefa niteraka ary nanana mpanohana matanjaka ka izay ny olana ho an’i RAFANDRAMANENITRA SY RAFARAMAHERY, supposition ihany ny arosoko ireo fa tsy misy porofo ka tsy mitompo teny aho. HO ahy lany andro isika raha ifandahatra lava hoe mpianaka na mpirahalahy ireo RAFANDRANA ny tena tokony ho raisina avy @ IZY IREO dia ny fahendrena ao @hoe IFANAOVANA , IZANY HOE FIFANDAMINANA SY FIFALIANA SOA, ny mampikorotana ny tanin-tsika anio dia io tsy fahaizana MIFANDAMINA SYMIFAMALY SOA IO
    PS : iny toerana hoe AMPANDRANA iny no zokiny indrindra @ ireo tendrombohitra roambinifolo, indrisy anefa fa rehefa nitondra RATSIRAKA sy RAVALOMANANA dia lasa VULGAIRE CARRIERE ho an’HAZOVATO izy ankehitriny, sao dia mba IZANY no naharava ny fanjakan’izy roalahy ireo , ny zanak’ANDRIAMPENITRA HONO SAROTRA ASIAN-DRATSY toa misy ny hoe TSY MANIRY VARY???

    #21712
    tany
    Membre

    Eeee! Eo ary ho eo ihany foana Ampandrana sy ny Hasiny n’inoninona atao azy.
    Na hotrongisina aza ny vato eo amboniny…..eo ihany izy e!.
    Mahatantesa valin-kitsaka kosa ireo nanao tsinotsinona azy. Any @
    fara mandimbiny no hitontona ny Tsiny.

5 sujets de 221 à 225 (sur un total de 402)
  • Vous devez être connecté pour répondre à ce sujet.
error: