andriana c'est juste un titre ou…
Accueil › Forums › Madagascar – Coutumes, croyances, histoire › andriana c'est juste un titre ou…
-
AuteurPosts
-
09/02/2010 à 7h55 #21759mianatraMembre
Ambodirano bjr, misaotra nanoma soupape @ ilay toerana hividianana ilay boky sady nomenao ordre de prix , misy ny rehetra tokoa eny AMBOHIJATOVO marina izany, fa ny prix eny tsy mba flexible fa élastique ka tsara ny natao @ ilay ordre de prix, au max izany 50 000fmg eo eo, veloma é
09/02/2010 à 9h54 #21760mianatraMembreAmpandrana, Ambodirano sy ny rehetra bjr,
mila humilité betsaka ny fandinihana ny tantara-ntsika fa indrindra ny teny AMPANDRANA AMBOHIMASIMBOLA iny, zavatra nitranga vers les années 1500 no resahintsika eto anefa 1810 na 1820 ( @ RADAMA ) vao tonga ny soratra, soa ihany misy ny lovantsofina, ny (vestige) fasana , vatolahy, ny fanasinana ireo razana ( pratique religieuse ancestrale : sans blasphémer je dirais: NY FIVAVAHANA NAMPIANARIN’ I RALAMBO » EH NY HASIN’ NY ENY AMPANDRANA, NY RAZAKO NY AO…, dia notohizan ‘ANDRIANAMPOINIMERINA IZANY….) mba nitazomana izay sisa tavela.
Noho ny tsy fitazomana an-tsoratra dia betsaka ny versions, ary izay mitantara dia samy manao version @izay mahametimety ny azy, ny mety dia confronter-na ampilaminana sy ampanajana ny versions rehetra, matetika zavatra iray lhany anie ay no noresahina.
Ny tena AMBOHIMASIMBOLA dia ilay tanàna fahagola ery ambony, ao anaty hadivory, misy aviavy maniry eo, manana vavahady vato izy (indrisy fa mila irodana io vavahady io noho ny ataon’ny CARRIERE HAZOVATO manapaoka an’IFANDRO @ dynamita, latsaka izany ny ranomasoko ry zalahy), ankehitriny dia mikisaka ety ambany andrefana ny tanànan’ AMBOHIMASIMBOLA izao.
Raha hamangy ny misy an-dRAFANDRAMANENITRA ianao dia miala avy eo @fiangonana, midina tokony ho 900 à 1200m à droite, ao anatin’ toerana hoe maizin’andro io izy, efa voafono ao anaty trano biriky ( na tsy afaka mandeha eny ianao dia hita ao @ google / ambohimasimbola io;
Raha hamangy an- dRAFARAMAHERY ianao dia miakara ery ambony @ ambohimasimbola fahagola, ataovy ao an-damosinao ilay vatolahy misy soratra hoe « RALAMBOTSARA », mitodika mianavaratra izany ianao dia hitanao sur le flanc d’Ambohitraina, 600 à 800m miala na hadivorin-AMBOHIMASIMBOLA, @ iny miakatra be iny no misy azy, nandositra niala avy eo AMBOHIMASIMBOLA hono izy no tratran ‘ ny mpanenjika azy teo, ka teo izy no maty dia nanafatra hoe » avelo hipetraka eto aho. »
Efa napetrako t@forum du 21/01/2010 ireo
Raha mandeha eny ianareo dia manetra zavatra kely ihany, na iny HASINA na iny entretien des lieux araka ny finoanao, ary raha maka tany kely eo ianao dia ataovy eo ANJOROFIRARAZANA rehefa tonga any an-trano, izay no nataoko ary toa manambina ihany, izay no mba azoko zaraina
veloma daholo é09/02/2010 à 17h06 #21762mianatraMembreSalut Mpandalo, misaotra @ soupape , hiezaka é
Veloma10/02/2010 à 7h50 #21763AmpandranaMembreSlt Ambodirano.
Azafady raha somary masiaka kely ka nahatafitohina aanao ny zvatra nolazaiko. Marina fa i Rafohy sy Rangita dia tsy milevina eny Imerimanjaka fa nalevina anaty lakana mifanarona. Misy milaza fa mety ho any amin’ny profndeur ny faraihin-dRangita i Rangita. Fa raha ohatra ka mandeha eny Ambohimasombola kosa ianao dia efa naontany ireo mpiandry La Doany izahay fa ao no milevina i Rafandrafanenitra sy Rafaramahery. Efa nanontany ireny Andevon-drazana mpiandry tanàna ireny koa izahay dia mialza ry zareo fa tena eto Ambohimasombola no milevina ireo Olona fahagola ireo. Ary tamin’ny taona 2009 teo anie no nainga nodoran’ny mpanao ratsy ny fasana ilevenan’i Rafamahery sy Rafandrafanenitra fa akaikin’ny tanàna lohatra ka natahotra ry zareo sao matin’ny fokonolna. Ka ilay fasana teo an-tampon’Ambohitraina no nodoran’ireto mpanao ratsy. Dia nalaza be hoe fasan’i Rafaramahery nefa rehefa nanotany ilay taranak’andevo iray teo Ambohimasombola izahako dia hoe : »Fasan’i Andrimanjaitra ilay may tetsy Ambohitraina fa tsy ny an’i Rafaramahery. Tsy may izany ny fasan’i Rafaramahery fa raha mikasa handoro ny mpanao ratsy dia matin’ny fokonolona eo ». Koa ny zavatra tiako lazaina anao fotsiny di a mandehana any Ambohimsombola dia anontanio ireo mpiandry la Doany hoe aiza no milevina i Rafandrafanenitra sy Rafaramahery.11/02/2010 à 6h38 #21764AmpandranaMembreHono oa sao dia misy mahalala hoe iza no taranak’ireo misoratra amin’ilay tetiarana misoratra ao main’ny Rovan’Ilafy io. Iza kay no taranak’ilay Rajaona Laurent misoratra ao.
-
AuteurPosts
- Vous devez être connecté pour répondre à ce sujet.