andriana c'est juste un titre ou…
Accueil › Forums › Madagascar – Coutumes, croyances, histoire › andriana c'est juste un titre ou…
-
AuteurPosts
-
16/02/2010 à 8h46 #21772mianatraMembre
Slt Ambodirano sy Mpandalo, misaotra ry zareo fa dia azoko ilay boky « Et si la lune ne revenait pas », teny Ambohijatovo tokoa vao nahita , nataon-dry zalahy 150000fmg, faly aloha fa nahita ihany é;
Sao mba misy manana soupape azahoana ilay T.A. version CD amin’ny teny gasy ankehitriny/Lucien RANDRIANARIVELO mivady , efa t@ 2002 hono no efa vita izy io fa tsy mahita azy aho
veloma vetivety é16/02/2010 à 10h44 #21773mpandaloMembremianatra >> hay ianao any Dago. Mahavoa kosa ianareo izany koa. 150 000 fmg, nefa aty 37 euros miaraka amin’ ny frais de port.
Ny T.A. an-dRANDRIANARIVELO, toa efa lasa gisa mainty amin’izao fotoana izao.
Kanefa, raha misy débit tsara amin’ny internet, dia ao amin’ny http://www.archive.org efa vita numérisation ny tome I sy II ( edition Académie malgache 1974 ).16/02/2010 à 11h16 #21774ambodiranoMembreSlt Ambodirano sy Mpandalo, misaotra ry zareo fa dia azoko ilay boky « Et si la lune ne revenait pas », teny Ambohijatovo tokoa vao nahita , nataon-dry zalahy 150000fmg, faly aloha fa nahita ihany é;
Sao mba misy manana soupape azahoana ilay T.A. version CD amin’ny teny gasy ankehitriny/Lucien RANDRIANARIVELO mivady , efa t@ 2002 hono no efa vita izy io fa tsy mahita azy aho
veloma vetivety é> mianatra , tsara vintana ianao izany fa dia mazotoa mamaky azy , ary mandalina ilay tetiarana be ao anatiny dia milazà vaovao eto momba io rehefa misy é ;
> mandalo misaotra @n’ilay lien T.A archive.org
16/02/2010 à 12h04 #21775mpandaloMembreNa dia aty am-pita aza, dia nahita boky sasan-tsasany ihany mikasika ny resaka vazimba, hova, merina nanomboka tamin’ny andron’ny Andriantomara.
Ny tsikaritro, dia toa nangala-tahaka ny nosoratan’i Rabetrano ireo tetiarana lazaina ho marina, satria i Ranavalona ( Mavo ) no nangataka aza. Manuscrit de l’ombiasy hoy biographie sasany. Na ny tantara nosoratan-dRabezandrina ( Rainandriamampandry ), na ny version sasany ao amin’ny TA dia ny azy no miverimberina. Ny an-dRainitovo no somary miova kely. Ohatra hoy izy hoe Andriampohy fa tsy Rafohy. Ny an’ i Rainitovo no nalain’ny Gilberte Ralaimihoatra-Nicole hanaovana an’ilay tetiarana ( tsy matiko lolo ny fomba fampisehony azy ). Toa izany koa ny an’ny boky nosoratan’ny vadiny ( Edouard Ralaimihoatra ).Mikasika ny hoe « hoy ny mpiandry doany tary hoe i Rahanona no milevina ato … ». Asa, misy mandainga tsotra izao mikasika ny ao ambany masony, satria tiany hiakatra ny hasina eo aminy, sady rehefa betsaka no olona mankao, dia mitombo ihany koa ny akoho atao laoka. Tsetsatsetra tsy aritra ihany ny ahy iny, fa ao amin’ny tanàna iray tena fantatro izay, na tantara mitovy izao aza, dia tsy mitovy ny version an’ireo taranak’andriana, taranakin’ny Bemihisatra sy ireo vavala mpiandry fasana … Ka na teny an-toerana aza no nahazo info, « c’est toujours à prendre avec des pincettes… ».
Farany, jereo ihany ny tantara navoakan’i Rainitovo, fa tena mahaliana indrindra ny tome I sy II mikasika ny alohan’ Andriamanelo. Tsara jerena koa ny fandinihina nataon’i Délivré mikasika ny chrononologie samy hafa. I David Rasamuel koa fahavelony, dia tsy nanaiky raha tsy vita boky ny thèse d’archéologie nataony mikasika an’i Fanongoavana, izay heverin’ny rehetra fa loharanon’ny fanjakana merina/hova tamin’ ny andron’ Andrianamponga. Tena tsara tokoa ny mampitaha ny dinidinika amorom-patana sy « théorie » amin’ny vokatry ny Carbone 14 tao Fanongoavana.
16/02/2010 à 16h01 #21777AmpandranaMembreSaika adinoko. Aiza no mety ahitana ireo boky Tome1 sy Tome 2 nosoratan’i Rainitovo ireo. Amiko aloha dia tsy dia avy any Ifanongoavana lohatra ny tena fiavian’ny fanjakana Merina na Hova, avy aty Andrefana aza no fahalalako azy.
Momba ny vokatry ny Carbone 14 indray dia maro ihany ny recherche hita izay tsy dia mifanaraka amin’ny lazain’ny TA. Ohatra ny hoe tamin’ny andron’i Andriamanelo vao nisy ny fanefena vy sy tamin’ny andron’i Andrianjaka vao nisy ny fiompiana omby. Nefa nisy document izay hitako milaza fa nisy site archéologique tàny amin’ny faritra Andramasina dia hita tamin’ny Carbone 14 fa tamin’ny 9ème siècle dia efa nisy olona tamin’io toerana io ary hita tamin’izany fa efa nisy ny fiompiana omby sy vokatra azo avy tamin’ny vy. Ity ny doc hitako: »A quelques kilomètres seulement d’Andramasina, surplombant Ankorona, se trouve Ambohimanana, le site actuellement connu comme le plus ancien des Hautes terres. Trouvés à quatre mètres de profondeur dans un premier fossé et datés au Carbone 14, des restes de charbon d’Ambohimanana donnent la date du IXe – Xe siècle. Les fouilles d’Ambohimanana ont fourni la preuve que, dés l’époque « vazimba », les Malgaches élevaient le zébu et en consommaient la viande. Que, dés cette époque aussi, ils connaissaient la métallurgie du fer. »
Ka raha mba fantatrao dia omeo ahy hoe aiza no mety ahitana ireo boky nosoratan’i Rainitovo ireo. -
AuteurPosts
- Vous devez être connecté pour répondre à ce sujet.