andriana c'est juste un titre ou…

Accueil Forums Madagascar – Coutumes, croyances, histoire andriana c'est juste un titre ou…

5 sujets de 246 à 250 (sur un total de 402)
  • Auteur
    Posts
  • #21778
    mpandalo
    Membre

    Ela aho nitady vao nahita ny an’i Rainitovo, fa sendra tafandalo tao Ambohijatovo tamin’ny erin-taona ka nifanojo tamin’ny fisiana angaha ? Ka asa raha mbola misy ao.
    Ambohimanana tokoa no efa ela nahitana vy. Fanongoavana tany amin’ny 1400 tany ho any dia voaporofo fa antsy vy no namonoana jamoka. Ka Andriamanelo taty aoriana be hono no nahitana ny vy. Ka i Ralambo taty aoriana be hono no nihinanana omby voalohany …
    Ankorona sy Ambohimanana ary Andramasina tokoa hoy Domenichini sy Ramiaramanana vadiny.

    Ny taty aoriana no nandiso raha ny fijeriko azy, satria hoy ny teny gasy :  » … nahitana ny vy », dia navadiky ny frantsay hoe : » … le fer a été decouvert ». Dia nivadika teny gasy indray hoe  » namorona ny vy … ».

    Ny mahatsara ny fikarohana tao Fanongoavana, dia tena hanamarinana ny daty isan-karazany amin’ireo tetiarana samihafa talohan’Andriamanelo.

    archive.org . « tantara » ny atao recherche , dia mivoaka eo : « Tantara my andriana eto Madagascar: documents historiques d’après les … -« 

    #21779
    mianatra
    Membre

    Mpandalo, efa ananako io version 1974 io sy ny version teny frantsay fa ilay @ teny gasy ankehitriny de RANDRIANARIVELO no olana, isaorana tokoa aloha ianao @ilay http://www.archive.org fa mahasoa foana ny nataonao pour les autres et pour moi même, tsy ho vatra ny hilanja ilay boky @toerana rehetra izay aleha anefa indraindray mila misidika kely ao.
    veloma daholo é

    #21781
    mpandalo
    Membre

    mianatra >>> Tsy azoko tsara izany ilay notadiavinao.

    Ary raha tsy hita ilay CD, tsy sahy mifarimbona mamoaka version vaovao ve eto ?

    #21784
    mianatra
    Membre

    Mpandalo
    pourquoi pas !
    positif hatrany aho, saingy tsy afeniko fa ho ahy dia « tena mbola manify anié ny fahalàlana ny tantaransika » sady nisy fotoana na teo @ faha-tany gasy aza na t@ na-colonie antsika dia natao izay amonoana ireny tantara ireny, isika izao anié vao mba mifoha, zara misy ohatra anareo, mbola mahatana ny essentiel , noho izany dia tokony ho atao an-tsoratra tokoa aloha izay azo soratana, mampirisika ny tenako, ce qui me gêne: c’est que j’ai très peu d’atout
    eto foana aho é
    veloma

    #21786
    Ampandrana
    Membre

    Slt mianatra!
    Fotoana marina izao ifoazana itadiavana ny marina amin’ny tantarantsika. Saingy ny olana sarotra be ny mahita boky andalinana .
    Amiko aloha raha ohatra tena andalina dia aleo sur terrain mihintsy fa tsy variana loatra amin’ny famkiana boky. Ary io ary no hitako urgent indrindra satria dieny mbola velona ireo olona antitra mahalala tantara. Manahy aho mantsy fa ny taranaka aty ahoriana anie tsy dia mivaky loha amin’izany tantara izany. Soa ihany aza misy antsika eto amin’ny koolsaina mbola mangetahera mafy ny tantarantsika.
    Mahafinaritra anahako izao ny manaraka ilay fandaharana « Ny aty aminay » amin’ny TV Plus. Ireny no tokony ataontsika mikaroka ny tantarantsika. Ny tsy azoko koa anie dia izao e. Misy ny manao fiakoroana nefa tokony mba avoaka amin’ny télé. Ohatra izao ilay hoe fikaroana tany Ambohimanana momba ilay test t@ carbone 14 izay nanamarihana fa efa nisy olona tao amin’io toerana io t@ 9 ème siècle sady nahalala nanefy vy sy niompy omby. Nefa tsy hita izany rehetra izany raha tsy ao anaty boky. Ka tokony avoaka amin’ny télé ireny.

5 sujets de 246 à 250 (sur un total de 402)
  • Vous devez être connecté pour répondre à ce sujet.
error: