andriana c'est juste un titre ou…
Accueil › Forums › Madagascar – Coutumes, croyances, histoire › andriana c'est juste un titre ou…
-
AuteurPosts
-
24/02/2010 à 11h53 #21817mpandaloMembre
Il faut se remettre dans le contexte. En 1864, il y avait tellement peu de manuscrit que presque tout restait à faire. Est-ce encore le cas en 2010 ?
Je reprend le recueil de Raombana en 1843. Il a réussi à noircir 6000 pages sans bouger du palais ( et d’Anosy ). Ou est le travail de terrain dans ce cas là ?
24/02/2010 à 14h25 #21818mpandaloMembrePar contre, toujours concernant Raombana et un éventuel travail de terrain interéssant, seules 4000 des 6000 pages de son recueil ont été retrouvés. Il est maintenant sûr que ce ne sera jamais au complet car des pages ont été vraiment brulées lors des évènements de 1947. La dernière trace des dernières pages est en Angleterre.
Ca, ça pourrait être un travail de terrain, car le contenu est inestimable, et ce n’est pas en allant interviewer à Anosy actuellement qu’on aura le contenu.
24/02/2010 à 15h42 #21819mpijeryMembreMifameno tsara ihany ny hevitrareo fa tsy mifanohitra akory.
Ilaina ny terrain + vakiboky + famille mahay + niveau intellectuel + ny notatarain’ny dadabe sy bebe.
Misy recoupement foana atao, misy resabe foronin’ny boky, misy torapo ny lovatsofina, misy resaka vilana ataon’ny valala mpiandry fasana, misy savidrazana ataon’ny mpisisika sy ny te hanao fasana eo an-tanindrazana, misy resaka diso ataon’ny tsy mahay, kanefa tena hita miharihary ny marina rehefa atambatra ireo.
Ny vodivona no manamarina tetiarana, ny tahiry tranainy tsy nisy mpahita anaty vata no manamarina tantara, ny fianakaviana isan-tsokajiny mihaona no mifampitantara tantara. Eo no maha-zavadehibe ny fikambanam-pianakaviana satria tsy ho hitan’ny mpikaroka isolé mihitsy (ialako tsiny na andeha mbamin’ny lohany aza) ny resaka hifanaovan’ny mpikaroka isam-pianakaviana miresaka sy manambatra vakoka.
Raombana no resahinareo satria navoaka hitambahoaka izy io fa misy tahiry izay ao @ circuit fermé ihany no mamaky azy.24/02/2010 à 16h04 #21821mpijeryMembreNb: ny tahiry t@ 1870 hitako farany, efa tanaty vata tranainy tsy nisy mpijery tany ambanivohitra, voan’ny sery be aho avy eo noho ny vovoka satria efa tsy nisy nivaky loha ilay izy, fa mba te hikarokaroka dia niverina nikorofoka ny fati-taratasy.
Ireto ny conclusion:
-Nisy ray aman-dreny lehibe nanoratra : tsy lovan-tsofina ihany fa izay hitany no nolazainy.
– Nisy ray aman-drenibe nitahiry.
-Nisy fotona tsy nisy nivaky loha t@izany
-nisy ahy nanao terrain, inona moa no terrain teo fa raha ny marina nikarokaroka no natao.Tsaroako tsara fahiny fahazaza, tezitra mafy t@ilay hadivory manodidina ny tanana, fa fehezin’ny ray aman-dreny foana hoe aza mandeha lavitra fandrao mianjera any anaty hadivory any, ny baolina raha lasa any dia sahirana mafy mihitsy vao azo indray, izao vao hoe io ange ny mametraka ny satan’ny fasana odiana rahtrizay, tahak’izany koa ny tahiry tsy noraharahiana tany.
Fa izao kosa aloha e: ny zavatra hitako sy voavakiko tao? Aoka lesy marina ah.
En bref, peu de mérite mais beaucoup de chance, d’avoir un aîeul tia soratsoratra, d’avoir un dépôt intact, d’être passé au bon moment, lanin’ny voalavo ny ttsy sasany soa fa tsy dia ilay important loatra.Raha tantara basique no karohina dia misy méthode be ary afaka mirehareha fa nitady dia nahita, rehefa ilay haut niveau kosa dia tena mampanetry tena fa tonga aminao io rehefa tonga, misy mikaroka hatraiza hatraiza ianao tsy mahita indraindra anefa mivoaka ho azy eo.
Hoy ry zalahy mpandala an’idadabe hoe, avoakany amin’ialahy rehefa tiany, hoy kosa ny sasany hoe rehefa tantara avo lenta ny hasina no miasa, hoy kosa aho hoe mety efa voasoratra ihany ny hatao halala ilay tsy fantatry ny olona. Ny fanontaniana farany sisa dia hoe tokony zaraina ve sa hifampitataran’ny mahay saropiaro? Ahoana ny hevitrareo?
24/02/2010 à 17h27 #21824mpijeryMembreNy tena mahafaly aloha dia maniry te hikaroka ny tantarany ny tsirairay, tena manentana anareo tokoa hahafehy tsara ny anareo tena zava-dehibe io satria io no balise lehibe mametra ny famoronan’ny ireo mahay mamaky boky sy ny milaza fa mpanao terrain hamorona tantara sy tetiarana tsy mari-pototra satria misy mihevitra fa tsy misy mahay intsony ny tantara marina ka migodana ny lalana. Io kosa no maha-zavadehibe ny vodivona sy ny fianakaviana satria ireo no manamarina ny tetiarana izay misy mihevitra fa mety ho azo foronina tokoa.
Ny fahalalana tsara ny tetiarana, ny tantara, ny terrain, ny rohim-pihavanana dia mahatonga ny mpahalala valalanina sy sanganehana ary talanjona mijery ireny tetiarana miezinezina avoaka @ tranokala ireny misy ray aman-dreny am-polony izay hajaiko sy omeko voninahitra tompon’ny tahiry sy mahay ny tantara, iray amin’izy ireo ihany no hitako niseho tao ny tetiarany satria tsy fanao t@ tany gasy ny mampiseho izany @ olon-tsy fantatra fandrao mamandrika toerana @ sampana tsy manan-taranaka ny sasany ka hilaza hoe izahay koa hanao fasana eto fa samy taranaka isika, manana anjara tany eto aminareo izahay, kanefa rehefa mivory ny fianakaviana tsy misy mahalala hoe iza izy ary mifampiditra amin’iza.
Toa ilay resaka mihevitra fa hisy vola sy fahefana zaraina sahala @ vatomamy ho an’ny andriana no mahatonga ny maro hisisika amin’izany. Raha izaho aloha dia mahita tsy fahamatorana satria tsy mbola latsaka sy lalim-paka ny fizakana sy ny fisitrahana ny fiandrianana ary indrindra ny adidy sy vesatra goavana zakaina amin’izany fa toa resaka intéressé fotsiny no maro (dia ho sanatria ve resaka trano sy fiara sy vola sy voyage sy fahefana no mahamaika?) . Raha mbola tsy mendrika ny fo sy ny fanahy heveriko fa mbola tsy mendrika ny handray fahefana sy hanery ny olom-pirenena rehetra amin’izany ny andriana.
Ny fahefan’ny andriana @ 2010 mantsy tsy ho tahaka ny fahefan-dRadama intsony fa fahefan’ny fanahy, aiza tsara aloha no misy ilay fanahy? -
AuteurPosts
- Vous devez être connecté pour répondre à ce sujet.