andriana c'est juste un titre ou…
Accueil › Forums › Madagascar – Coutumes, croyances, histoire › andriana c'est juste un titre ou…
-
AuteurPosts
-
06/03/2010 à 6h46 #21840AmpandranaMembre
Izao anie no mampiome e!
Misy ny olona miseo andriana nefa misy ilany hova. Ary matetika dia odina fanina ilaina toerana maha-hova na tsy dia resahina ireo havana amin’ny lafiny hova.06/03/2010 à 16h15 #21842tanyMembreIzao anie no mampiome e!
Misy ny olona miseo andriana nefa misy ilany hova. Ary matetika dia odina fanina ilaina toerana maha-hova na tsy dia resahina ireo havana amin’ny lafiny hova.Diso dia diso tokoa ireny olona ireny satria : Sady tsy an-tany no tsy
am-parafara fa mitsingevaheva eny foana. Mandrora mitsilany.Inona moa no tokony aharatsy ny maha Hova rehefa izay ny sata nametrahan’A/tra ny tena?.Hilaza ny tenanao ho Andriana ihanao, ataon’ireo havanao Andriana fihomehezana , maty fosa ,ny eson-teny sy ny qualificatif « mpisavika » manginy fotsiny.
Tsy milaza aho akory , sanatria hoe rava ny fihavanana an: Mpihavana (ary mety ho akaiky dia akaiky) fa ny sata no maha samy hafa azy.
Aza asiana olana ny @ izany raha toa ka izay no izy.11/03/2010 à 7h16 #21889AmpandranaMembreSlt daholoe! Ny tiako lazaina dia izao. Rha mitohy izaoresahinareoizaodia tsy hatana secret ao amin’ny famille-nareo ianaraeo.
Amiko dia tokony atao mise à jour ny filaharan’ny firazanana eto Imerina ka toy izao ny eritreritro:
– Ny andriana
-Ny safiotra
-ny hova
-ny andevo.
Ka ilay hoe safiotra dia ireo misy silakova. Dia amin’izay mba afaka miteny hoe « izahay safiotra ». Ary tsy tsy tokony hisy hamenatra ireo rangs 4 ireo ireo satria enao izany ve dia ande hanome tsiny ireo razanao any am-pasana. Fa ny mahamenatra dia miseo miteny ny firazanany tsy araka ny marina.11/03/2010 à 10h45 #21895mpandaloMembreIzaho aloha tsy handetika azy loatra ry Mpijery a! Na mamely mafy manao ahoana aza. Ohatran’ny mahatsiaro ny fahatanorako ara-tantara aho mantsy. Nomen’ny ray aman-dreny ny tetiarana mikasika ny loharano nipoirana. Nahavaky ny Tantaran’ny andriana, nahita vaovao sasantsasany eny amin’ny serasera, nomen’ ireo havana mpampianatra avo lenta amin’ny tantara malagasy sopapa. Dia aviavy ery mampiseho ny kely mba hay satria andriana ray sy reny manambady andriana ray sy reny.
Aoka fotsiny e! hay ao ambadika ao misy tena mahafehy lavitra an’ity resaka tantara-drazana ity. Izany hoe tetiarana eran’ny sobika izany ( na misy aza tena fopla , sa ahoana ?).
Misy zavatra sasany tena tsy ho azon’ny mpanaraka tantara an-tsaina mihintsy raha tsy mifandray amin’ ireo olom-bitsy mitahiry ny tantara. Samy mahalala ny T.A. daholo ireo nanao maternelle amin’ny Tantara .Samy mahalala koa ny Etude Critique natao’i Razafindrazaka sy Rasamimanana mikasika ny Andriantompokoindrindra manokana. Dia iny foana no entin’ny avy any Ambohimalaza ho « argumentaire ». Ny tsy hain’izy ireo mantsy, dia efa nisy nanampahaizana tany ho any, efa ela dia ela, nahavita ny etude critique an’io bokin-dRasamimanana io. Vitsy mpanana.
Inona koa moa ny tena mampisendotra an’ ireo mpitahiry tantara ? Toa hoe fasam-bazimba hono ny an’i Nenibe Ravolondrenitrimo ao Ambohimihakoja ao …11/03/2010 à 13h36 #21900mpijeryMembreMpandalo: Sarasara tompoko, mahavariana fa raha mahita ny fizotran’ny fihevitrao h@ voalohany aho dia fantatro avy hatrany fa terak’Imahazaza ianao. Ary mahatalanjona fa na ao ambadiky ny pseudo aza dia misy fisintonan’ny ra iraisana sy ny fitaizana itovizana nahatonga ahy nihevitra irery hoe il (ou elle) doit être un des notres.
Tsy nifaka mihitsy ny fanamboloana satria hay tena teraky ny hazo malama tsy azo ianihana ianao. Tena tsy mahagaga e. Tsy misy tsy torian’ny razana sy ny fiaviany, sady tsy vitan’izany fa miharihary (ny kely saina ihany no tsy mahay mijery izany) fa olona avara-pianarana ianao. Tsy faly ny hiteny akory fa faly ny nahita ny havako eto aho.
Trarantitra aza marofy tompoko mifanatera @ taranaka aman-dimby. Isika mahalala tsara ny olona faka taranaka. -
AuteurPosts
- Vous devez être connecté pour répondre à ce sujet.