andriana c'est juste un titre ou…

Accueil Forums Madagascar – Coutumes, croyances, histoire andriana c'est juste un titre ou…

5 sujets de 271 à 275 (sur un total de 402)
  • Auteur
    Posts
  • #21920
    Ampandrana
    Membre

    Slt mpandalo!
    Marina ny teneninao ny amin’ny efa napetrak’i Andrianampoinimerina dia ilay hoe : Andriana, Hova, andevo. ireo no efa napetraka ka tsy hisy sahy hanova. Siangy izao efa betsaka koa no tsy manaja izany satria misy andriana manambady hova na andevo ka tsara ampanarahina izany koa ny hierrarchie.
    Izaho akory miteny izany tsy amely olona eto amin’ny forum am’izany. Izaho tsy mbola nanona hoe i rkoto na rabe dia izao ny firazanany satria izaho tsy mahalala alohan’ny tompony.
    Fa ny zava-misy hitako no mahatonga ahy hiteny an’izany. Misy olona namako miteny amiko hoe izy andriana avy any amin’ny rainy fa hova avy any amin’ny reniny dia midehaka be hoe andriana.
    Koa averiko indray fa tsy mahalala izay olona eto amin’ny forum akory izaho sao misy manao resaka vilana fa ny zavatra hitako amin’ny fiainako andavanandro no asiako fanamarihana.

    #21922
    mpandalo
    Membre

    Manao ahoana ianao Ampandrana.
    Azoko tsara ny tianao lazaina fa aza manahy.
    Soa toavina nolovaina ny maha andriana amin’izao fotoana izao. Raha andriana ny rainao, raha andriana ny reninao, ka tezaina aamin’ny maha-andriana anao ianao, dia andriana koa ianao izany. Raha misy iray amin’ireo tsy andriana, dia efa tsy izy intsony ianao izany.
    Raha mbola nisy mpanjaka tompon’ny razana amin’izao isika miteny izao, dia mety hanapak’ izy hoe aleo i rahanona no ho atao andriana fa nanampy ny fanjakako. Aleo ry rahanona retsy, hijanona ho andriana ihany fa tonga ny nankato ny teniko fa tsy niady tamiko.
    Nefa moa efa tsy misy mpanjaka intsony…
    Ka dia ny soa toavina nolovaina sisa no kolokoloina tsara. Tsy démocratie akory ity resaka andriana ity, ka ny be sy ny maro no hifidy hoe atao kilasy manokana izahay satria efa miha-maro anisa.

    Marina fa mihavitsy ny andriana. Tsy olana mihintsy izany. Rehefa tsy misy intsony ny andriana, dia tsy misy intsony, fa tsy ireo safiotra mihintsy akory no andeha hijoro ho andriana na hamoronana kilasy vaovao hitovitovy amin’ny andriana.

    #21925
    tany
    Membre

    Miarahaba an’ i Mpandalo..Efa in-jato @arivo sy aman-tapitrisa no nahitan-tsika teto ny momban’ny resaka sata : tsy hiverenako intsony ny momban’iny satria tany @ forum 2006 , dia IO FOANA no natao ambetin-dresaka ..
    Mino aho anefa fa izay hanjaka eo( si Roi ,il y aura) , tsy ny classification nobiliaire no ahamay azy aloha, fa ny raharaham-pirenena , indrindra moa ka ny fanarenana ny toe-karena ary ny fiadanan’ ny Ambanilanitra eto amintsika, bref… ny ahatsara sy ny ahasoa ary ny famerenana ny Hajan’ Gasikara.

    Mino koa aho anefa ( eritreritro manokana ity ) fa olona « mitàna » io
    ary hitazona , arak’izany ,fa tsy hanao fizaràna SATA ohatr’ireny fizarana « ordre national « ireny.

    « Olona Voatendry io ,ary ho henjana dia ho henjana ny fepetra hapetrk’Andriamanitra aminy  » hoy ny prédiction’ny Baiboly, ka izay no manamafy ny finoako azy tsy » hanaonao foana ».

    Tsy tokony hisy ahamenatra ny SATA misy ny tena raha toa ka hainao ny manaja ny tenanao aloha , ary ny manodidina anao. FITIAVANA JAMBA , FIFANKATIAVANA GOAVANA (grand amour) no
    loharano nipoiran’ny ankamaroan’ireo olona ireo…Izay ary no safidin’ireo nahitany masoandro ka atao ahoana fa dia …izay no izy e !.

    #21928
    mpijery
    Membre

    Les discussions sont terminées pour moi, les jeux sont faits.
    Fa niverina kely,
    Sanatriaviko, ary fady in-7 mandifotrolona aminay ny manonontonona anaran’olona iray vaninandro aminay . Tsy fomba nitezana anay mihitsy, ary tsy fomban’ny terak’ifohiloha miray aminay tahaka an’i Mpandalo sy Tany.
    Misy hajany ny olona, izay tsy manana azy no tsy mitandro azy.

    Lasa lavitra ny saiko, mety ho lasa emperora ihany eto @ ity internet ity, fa ny fombany dia afaka hiampanga ny tsirairay, ny razany sy ny sainy ary ny fahalalany.

    #21933
    mpijery
    Membre

    Effectivement, je suis fort content que les avis se rejoignent: le silak’hova ne peut se faire admettre comme andriana, c’est un postulat de base.
    Les hostilités s’étant déclenchées à cause d’une tentative par un descendant d’Andriamihaja Tsimiamboholahy de Namehana de faire admettre son ancêtre comme andriana, je pense que tout est bien qui finit bien.
    Merci à tous, les débats quelque peu animés, ont amené à rétablir la vérité sans l’aide d’une quelconque théorie intellectuelle, l’andrianité s’obtient par la filiation, aucune discipline intellectuelle ne pourrait y déroger.

5 sujets de 271 à 275 (sur un total de 402)
  • Vous devez être connecté pour répondre à ce sujet.
error: