andriana c'est juste un titre ou…
Accueil › Forums › Madagascar – Coutumes, croyances, histoire › andriana c'est juste un titre ou…
-
AuteurPosts
-
15/03/2010 à 14h19 #21936jakyMembre
Tsara va daholo isika teraky Rangitamanjakatrimovavy.
Dia mahavariana tokoa ny fizotran’ity forum ity tao ho ato fa betsaka ireo milaza ny tenany ho andriana ankehitriny nefa tsy izy.
Soa ihany fa ny andriana, dia manana ny maha-izy azy ary tsy misehoseho amin’ny hafa ny firazanany sy ny fihaviany, fa ny toetra sy ny fomba fanaony no hahafantarana azy hoe: indreto ny terak’Imahazaza, indreto ny terak’ny trano fohiloha, indreto ny terak’Imahandrihono.
Asakasak’isika ihany io, fa na andriana ianao na ty andriana. Ny tsara sy mahasoa ho anao, ho an’ny tanindrazana ihany katsahina.
Dia soava tsara daholo ary tompoko.
15/03/2010 à 16h23 #21937ambodiranoMembreMisy resaka tiana atao ihany eto :
> mpijery nanao hoe :
« Raikitra indray ny fanitaran-dresaka @ dadan’i Koto an «Ie resabe mihitsy ny momba ny dadan’i Koto fa Andriamihaja no tena tokony ho Dadany satria izy no tao andapa tamin’io fa Rainiharo sy Rainijohary mbola mpitazana fotsiny na mbola tsy nahazo vahana. Fa fantatrao koa moa hoe maro koa no zanany na tsy nisy natsangany aza ny sasany ankoatr’ireo efa fantatr’olona toy ny zanany t@ndRazafinjanahary, Rasoaray, Rasoamieja Mary. Misy ireo eny @n’ny andriandranando ankehitriny ary misy koa ny taranak’ilay zanany lahy teraka tany antSakalava (petrak’hevitra hypothèse-n’i Raymond Delval nanoratany boky matevina be io) . Ireto taranaka farany ireto efa eto Imerina izao.
Mbola > mpijery ihany :
« Misy ny histoire ho an’ny mahay ohatra anareo ary misy ny histoire ho an’ny tsy mahay n’inona n’inona ohatra anay sady tsy nianatra fa saingy ny histoire-nay histoire an’ny TOMPONY. »Histoire an’ny tompony hoe é ? Fa ianareo izany ilay taranaky ny nanjaka ve ? fa ireny mantsy no tena tompony amiko fa tsy ireo teny amin’ny strapontin tamin’izany fotoana izany , mainka moa f@’izao? Satria ianao ihany no manohy hoe « satria olona anonyme ny tena fa tsy prétendant au trône akory, eny @ sisitosy eny ihany »
Ary dia nofarananao t@n’ny hoe :
« Tsy maninona mihitsy ange e! Ilay mamoromporona fotsiny no asiako sira kely kanefa tsy maninona e! izay mahay izany mahay, izay tsy mahay aleo izany hianatra ny tailana any. »Ny anao ny dadan’i Koto dia izay naloaky ny vavan’i Mavo ihany na dia efa niamboho 13 volana talohan’ny nahaterahan’i Koto aza, misaotra é !!!
Ary toa mbola tsy hainao foana hoa ny mampiasa « citation » eto @ kool saina forum é ? Afaka ampiako koa ianao manao ny tetiarana avy @n’Andriamasinavalona miakatra any @ndRangita ! Eny é miakatra @ndRafohy moa izany fa Rangita tsy niteraka fa nanangana azy.
> andriana indray miresaka amiko hoe :
« Est-ce que tu as bien compris ce que veut dire le mot officieusement ? J’ai l’impression que non. »T’inquiète pas, je sais ce que c’est mais moi je parle de son père biologique pas de celui qui est sorti de la bouche de Mavo !!!
15/03/2010 à 16h26 #21938ambodiranoMembre> mpandalo milaza ianao hoe :
« Inona koa moa ny tena mampisendotra an’ ireo mpitahiry tantara ? Toa hoe fasam-bazimba hono ny an’i Nenibe Ravolondrenitrimo ao Ambohimihakoja ao … »Tsy azoko ny ifandraisany amin’ny resakao talohan’io fa tohizako hoe : Marina tokoa ve izany ? Nenibe Ravololondrenitrimo miafina eny Ambohimihakoja manko zanak’Andriamasinavalona ary renin’ Andriamangarira Mpanjakan’Antsahadinta voalohany , ho an’izay tsy mahalala. Mbola hojereko io fa ny hitako farany teo vao iray volana izay aloha dia efa mila hirodana ny trano masin’ny Mpanjaka Andrianamboatsimarofy eny Antsahadinta eny ihany ary ny varavarana dia efa migoana . Asa izany ve ilay hoe fasam-bazimba ? satria tsy azo amboarina intsony …
Dia misy koa teto nanao hoe :
« Ka ilay hoe safiotra dia ireo misy silakova. Dia amin’ izay mba afaka miteny hoe « izahay safiotra ». Ary tsy tokony hisy hamenatra ireo rangs 4 ireo »toa > ampandrana angamba nefa misy tsy ampy kely amiko : ny silak’andriana atao aiza amin’io fandaharana io ? atao hoe safiotra koa ve ?
15/03/2010 à 16h29 #21939ambodiranoMembreMisy rakitsoratra momba ny 14 sy 15 Mars 1897 ireto :
Alatsinainy koa ny andro tamin’io 15 Mars 1897 io , andro nampamindran’i galliéni ireo masina avy eny Ambohimanga nankao amin’ny Rovan’Antananarivo. Izao moa dia toa hoe niverina eny Ambohimanga daholo indray ireo tao Anatirova ireo, mbola hohitantsika eo ny marina…
Ny Alahady 14 Mars no natao ny famongarana teny Ambohimanga , noravana ny lain’ireo tranomasina ary nafindran’ny frantsay na nalainy mihitsy ny sasany t@n’ireo zavatra nampombaina ny masina rehetra tao. Izay angamba no tanjona iray nanaovany io fanotana fady io ary mbola any @n’ny musées na collections privées-ndrizareo any ho any ireo .
Hoy gabriel lafaille alias jean carol : « la mission avait été confiée à Rasanjy, – lequel venait d’être nommé gouverneur général de l’Imerne. Quatre petits fonctionnaires européens et quelques dignitaires indigènes l’accompagnaient. »
Ny ampitso Alatsinainy 15 Mars 1897 dia nafatotra tsirairay tamina filanzana ireo masina ireo ary ny an’Andrianampoinimerina dia borizano tsotra fa tsy mba zanak’andriamitondra no nilanja azy. Teo Fidasiana no nalahatra ny filanzana.
« Avant la mise en marche, Rasanjy lut le kabary qui lui avait été préparé : un cantique de reconnaissance pour ‘l’inépuisable bonté’ du général galliéni, qui avait bien ‘voulu permettre’ ce qu’on venait de voir.»
(mbola hitohy)
15/03/2010 à 16h31 #21940ambodiranoMembre(tohiny)
Tamin’io Alahady 14 Mars 1897 io ihany koa no tonga tany la Réunion ny Mpanjakavavy Ranavalona III sy ny fianakaviany ary ny mpanarak’azy. Adiny roa taorian’izay dia niteraka an’i Marie Louise ny Princesse Razafinandriamanitra noho ny faharerahany. Ary tohin’izany ihany, herinandro taty aoriana dia niamboho raha vao 15 taona fotsiny.
Tapa-bolana talohan’izay ny Mpanjaka no nentin’ny mpanjanaka nandositra amin’ny alina niala tao andRova izay tsy ho hitany intsony :
« Le samedi 27 février à 20 heures trente, le commandant gérard chef d’état major de galliéni, accompagné de Rasanjy qui sert d’interpréte, pénétra inopinément dans le salon de Tsarahafatra. Rasanjy goûta cette volonté suprême d’annoncer lui-même à Ranavalna sa déchéance et de lui lire l’arrêté de proscription… on lui accordait 4 heures pour faire ses préparatifs et qu’il faudrait se mettre en route à minuit. »
«Note : Rasanjy (1851-1918) était l’ancien principal secrétaire de Rainilaiarivony. Sous le protectorat de 1895-1896. il était secrétaire géneral du gouvernement malgache et il travaillait notamment auprès de P. Bourde… Principal collaborateur indigène de galliéni, il est fait au début de 1897 gouverneur principal de l’Imerina et il le reste jusqu’en 1908 où il se retire de l’administration. jean Carol, l’auteur, le méprise.»
-
AuteurPosts
- Vous devez être connecté pour répondre à ce sujet.