andriana c'est juste un titre ou…
Accueil › Forums › Madagascar – Coutumes, croyances, histoire › andriana c'est juste un titre ou…
-
AuteurPosts
-
27/03/2010 à 10h53 #21966ambodiranoMembre
Izany ve ? Mahagaga ihany marina aloha ny fisian’ny anarana « Ravololondrenitrimo » roa ao amin’ny tetiarana. Andrianjakatrimo koa moa izany tsy dia hainao loatra satria tsy tetiaranao? ….
Ny tena mahagaga ahy, dia eny avaratry ny fitomiandalana no misy ny fasana’Andriamangarira. Kanefa, rehefa nodinihina tsara, dia toa eny ivelanan’ny hadivory sy ivelan’ny rova no misy ilay vatolampy be itoeran’ilay « tranomanara ». Raha ny fahafantarako azy, indrindra moa tamin’ny andro faha gasy, toa tena misy dikany mihintsy ny fametrahana ny fasana ao anaty na ivelan’ny hadivory.
Misy ny anarana Ravololondrenitrimo 2 kah . Misy ny miantso azy hoe Rasohanamanjaka koa fa ny voalohany no tena anarany fa ny faharoa anaran-jafiny vadin’Andriandambozozoro II , io faharoa nitindra ny anarana koa. Hitanao amin’izany fa ny zafy dia manaha-draibe na renibe amintsika Merina. Misy ny Ravololondralambo I sy II zanany koa teny Namehana sy Ilafy.
Hadivory ve ny manasaraka ny fasan’Andriamangarira sy Rabodozafimanjaka eny Antsahadinta Ramose sa tohatra à? Ny Mpanjaka Andriamangarira anie no nanorina ny tanàna sy ny hadivory marososona ka izy ndray ve no ho ivelan’izany , sao dia mba mampiomehy ianareo ty, izy aza no avaratra indrindra !!! 0
29/03/2010 à 11h37 #21967mpandaloMembreMba nitopy maso kely ny tetiarana navaokan’ny teraky Ramakilahy zanak’Andriamangarira ampahabemaso aho, dia mba nampitaha azy tamin’ireo nivaoka ao amin’ny Taniko, Aviavy. Dia mba nampitaha amin’ilay tetiarana hitam-bahoaka ao an-drovan’Antsahadinta. Dia mba nojereko koa ny eto am-pelatanako. Aleo samy mitahiry tsara ny azy e. Raha toa ka misy miteny rahampitso hoe nahita Ravololondrenitrimo fahatelo, dia hajaina koa ny azy, fa ny ahy aloha aleoko ihany mitahiry tsara ny eto am-pelatanako.
Ny mikasika ny ao Antsahadinta. Tsy nisy nandà teto fa Andriamangarira no tompon-toerana nanorina ny tanàna ka. Izy tokoa no nanao hadifory fito sosona. Ny hany nahasarika ahy fotsiny fony nitsangatsangana teny, dia ilay toerana manokana nametrahana ny fasan’Andriamangarira. Rehefa miditra ao anatirova, izay tena voafehy tsara, dia hita mibaribary fa any ivelan’ ny rova ny fasan’Andriamangarira. Ao an-tanàna, fa ivelan’ny rova. Ohatrin’ny tohatra tokoa rehefa avy aty ambany ny fanasarahana ny rova sy fasan’Andriamangarira. Fa rehefa ao anaty rova no mijery, dia hita fa hady no manasaraka azy, fa tsy totohatra akory.
Mba lasa ihany koa ny saina mijery ity fasana ery ambony vatolampy. Fa andriana inona re no mbola nivevina teo ambony vatolampy tamin’ny andron’ Andrianampoinimerina e!
Ary farany, mbola nanontany tena ihany koa aho amin’ny toerany avaratry ny miadalana ao anatirova. Mianatsimo mianavaratra no fahafantarako ny filaharan’ny miandalana. Raha napetrany teny avaratra ny azy, dia midika ve fa taty aoriana izy izany ? Ary nahoana moa no nahazo anjara toerana tao anatirova ny taranak’Andrianjakatrimo, nefa izy « mpanjaka » ary tsy nahazo ?Hay 80 taona lasa izay, efa nisy namaly ireo fanontaniako ireo, ary tsy hitako raha tsy vao haingana ny nosoratany tao anaty Firaketana : » …Eo ivelan-kadin’Antsahadinta, ary ivelam-bohitra, no misy ny fasana izay nandevenana an’Andriamangarira…. Mifampiarahaba « tsara va tompoko » toy ny andriana ny taranak’Andriamangarira, na dia menakelin’Antsahadinta toy ny Mamoladahy aza, ary mitondra entan’andriana sy manao ny fanaon’ny hova rehetra … ».
31/03/2010 à 15h41 #21971ambodiranoMembre…Ny mikasika ny ao Antsahadinta. …
… Fa rehefa ao anaty rova no mijery, dia hita fa hady no manasaraka azy, fa tsy totohatra akory.
Mba lasa ihany koa ny saina mijery ity fasana ery ambony vatolampy. Fa andriana inona re no mbola nivevina teo ambony vatolampy tamin’ny andron’ Andrianampoinimerina e!
…Ravololondrenitrimo anabavin’Andriamasinavalona dia renin’Andrianjakatrimo ka izy angamba no Trimo nahavery anarana azy. Fa Ravololondrenitrimo Ambohimiakoja renin’Andriamangarira koa anefa dia nananjanaka hoe Ramboatrimo ka mety nahatonga ny anarany.
Fa amiko dia mety ho naka ny anaran’ny anabavin’Andriamasinavalona ny zanany vavy anankiroa satria toa tsy niteraka vavy iretsy voalohany. Dia Ranavalotsimitoviaminandriana anabaviny vadin’Andriampanarivofoinamanjaka (Fanongoavana ,Vakiniadina) sy Ranavalotsimitoviaminandriana zanany teny Anosimanjaka. Torak’izany koa Ravololondrenitrimo anabaviny teny Ivatobe sy Ravololondrenitrimo zanany teny Ambohimiakoja. Ravololondralambo I teny Namehana no niteraka and Ravololondralambo II fa ity farany indray no momba.
Ireo anarana mitovy ireo toy ny an’Andriandambozozoro anankiroa koa no mampisambôdika ny tetiarana mandehandeha any ka samy manana ny azy tokoa é !.Tsara mihitsy no nangalanao io ampahan’ny tantaran’Antsahadinta io satria betsaka toa anao no mametram-panontaniana. Ampahany hoy aho satria fomba fijery tao amin’ny Firaketana io nentinao io. Nony nanjaka Andrianampoinimerina , rehefa azony Antananarivo renivohitr’Imerinatsimo dia lasany koa mazava ho azy Antsahadinta nametrahan’Andrianamboatsimarofy Mpanjaka ny zanany vavy Razanakinimanjaka. Satria avy ao ny renin’ Andrianamboatsimarofy dia lovany tao sady havan’Andriamangarira ihany ny razany tao. Nony lasan’i Nampoina ny fanjakana dia napetrany tao Rabodozafimankaka vadiny isan’ny 12 vavy sy ny rainy Andriantsira, samy Andriambaventy. Ireo no nanao ny Rova hitantsika izao ka ireo nanjaka teo aloha dia mazava ho azy fa any ivelan’io Rova io nefa ao antampontanàna ihany.
Ka noho izany ao anaty tanàna fa tsy any ivelambohitra no ilevenan’Andriamangarira. Tsy any ivelan’ny hady fa tena ao anaty tanàna milahatra amin’ireo fasan’andriana ao ary izy no avaratr’indrindra. Raha mijery ny toe-tany eo ianao dia ho sarotra ny hanangana Rova eo avaratry ny fasany ka izay no nahatonga an-dRabodo mianakavy hanao azy ety atsimo rehefa avy nototofana avo be ny teo. Dia mety ho nohodidininy hady vaovao tokoa izay misy io tohatra amin’izao fotoana izao io ! Ny niambohon’Andriamangarira dia talohan’ny nanjakan’i Nampoina kah , izy tsinona iray ray amin’Andriambelomasina fa zandriny.31/03/2010 à 15h45 #21972ambodiranoMembreAry farany momban’ny hoe mifampiarahaba tsarava tompoko ny taranak’Andriamangarira … ary manao ny fanaon’ny Hova rehetra dia taranaky ny Mpanjaka teo ve ho lasa Hova tampoka eo na resin’i Nampoina aza fa samy manana ny filazany io. Rizareo nanjaka farany moa no ao anatin’ny Rova izany izao nefa tsara ho fantatry ny mpanaraka tantara koa hoe oviana Rabodozafimanjaka no nafenina teo ?
Taorian’ny ady nifanaovany tamin’ireo ‘demi-frères’-ny anisan’izany Ratsimisotry raha nanontany ny anjara lovany ireto farany hono dia nizarazara ny fanjakana teo. Nahiana ho niray tsikombakomba hamadiana an’i Nampoina vadiny Rabodo ka voatery nampinomina ary niamboho tamin’izany. Nafenina tao Ivandry aloha izy hoy ny tantara , izay vao nafindra tao Antsahadinta efa 60 taona taty aoriana tamin’ny fotoana nanjakan-dRadama II. Andriantsira rainy koa dia tsy navelan-dRanavalona Reniny nafenina teo Antsahadinta fa namoaka didy izy ny hanitrihana azy eny Alasora fihaviany.
31/03/2010 à 19h06 #21973mpijeryMembreAnaovako fanamarihana ny nambaranao momba an’Andriantsira, tsy sanatria henatra akory ny tsy namelana an’Andriantsira hilevina tao Antsahadinta fa voninahitra ho azy ny namerenana azy any amin-dray aman-dreniny teny Alasora.
Ny amin’Andrianjakatrimo sy Andriandambozozoro dia tsy misy milaza ny taranany fa eny Ivatobe izany reniny fa Ambohimiakoja avokoa no lazain’ny mpianakavy fa nisy an-dRavololondrenitrimo nipoirana. Ny amin’izy miarahalahy ireo dia tsy sarotra ny hijery ny taranak’izy ireo eo @ireo vohitra fantatra hatrizay fa andriamasinavalona manodidina eo, ny tarana-dRamboatrimo raha heverina fa olona hafa io dia tsy misy afaka hilaza fa taranak’io ankehitriny, ary tsy misy vohitra eny afaka hitonona fa izy no tera-dRamboatrimo.
Amiko io dia fahadisoan-tetiarana avy @ Rabenjamina, mba te hilaza ny @ Antsahadinta ny avy eny Iharanandriana, ka dia mba te hiteny koa izy hoe avy eo Antsahadinta ny renin’Andrianamboatsimarofy izay efa mazava fa zanaka vavin’Andriampoinimerina.
Tsy misy hafa @ Rabetrano nolazaina t@ andron-dRanavalona fa ikoizana @ tetiarana sy tantara dia asaina milaza dia mitantara tokoa menatra ny hilaza fa ny azy dia tena kapoakany fa ny an’ny hafa hainy ambangovangony hany ka nisy ihany ny nodisoina na tsy nambarany.
Tahaka ny tsy hibitabitahako @ tetiaran’ny Andriana ao Masoandro ohatra na i Mananina na i Marianina na i Miantsoarivo, Andriamasinavalona ireo fa tsy afaka hilaza hahafehy izany tsara. -
AuteurPosts
- Vous devez être connecté pour répondre à ce sujet.