andriana c'est juste un titre ou…

Accueil Forums Madagascar – Coutumes, croyances, histoire andriana c'est juste un titre ou…

5 sujets de 306 à 310 (sur un total de 402)
  • Auteur
    Posts
  • #21979
    mpandalo
    Membre

    Raha namadibadika ny soratry Mayeur aho, dia voazavany tsara kosa ny vodivona ( fanjakana ? ) nandraisan’ ireo havan’ Andrianamboatsimarofy hajia tamin’ny 1777. Hoy izy hoe Raboudou manjacanimerina ( Rabodomanjakanimerina ? ) , renin’ Andrianamboatsimarofy dia nandray ny hajia tao « Maroumene » ( Maromena ). Mazava koa fa tena avahany tsara ny « Mamoula dahe » ( Mamoladahy) sy ny Maromena rehefa mitanisa ny « régions administratives » izy.

    Taty aoriana, rehefa novorian’ny mpanjaka Andrianampoinimerina imerina enin-toko, dia nozarainy Ambodirano, ka nisy Mamoladahy ( Antsahadinta ), Maromena avaratra ( Fenoarivo ) ary Maromena Atsimo ( Ambohimandry ), sns ….. Ny fizarana teo aloha ihany no noraisiny, fa Antsahadinta fotsiny no nataony renivohitr’ Ambodirano.

    Ka minomino kokoa aho fa tsy avy ao Antsahadinta ny renin’ ny mpanjaka Andrianamboatsimarofy fa avy any Fenoarivo.

    Jereo ange e. Rehefa notafihan Andrianampoinimerina in-telo izy, dia Fenoarivo foana no nalehany. Ny Manisotra moa tezitra tamin’ny mihintsy: « Andraso ny tanàna ao Antananarivo, fa aza mandehandeha any Fenoarivo ». Tsy tany Antsahadinta mihintsy izy no nitsaoka, fa tany Fenoarivo foana.

    Ranjoanina koa toa tao Antsahadinta no nitandrina. Mafy ny « influence » ny mpitandrina tamin’izany fotoana izany (1920 ). Miteny fotsiny izy hoe avy eto Antsahadinta ny reniko, dia nino daholo.

    #21982
    Ampandrana
    Membre

    Miarahaba antsika rehetra tompoko!

    Elaela tsy nandalo ny tena zao vao mamaky indray ny voalaza ato e.
    Saika anontany fotsiny izaho hoe inona no mety antony mahatonga ny fasana ivelan’ny hady (satria misy izao milaza fa mba milolo trano manara iahny ny fasana sasany nefa ivelan’ny hady) dikany ratsy ve izy io.
    Misaotra tompoko!

    #21983
    Ntaolo
    Membre

    Miarahaba antsika rehetr e!

    Mahafinaritra ny mamaky ny soratanareo eto .

    #21985
    ambodirano
    Membre

    Efa ela ihany tsy nitsidika teto fa izao indray vao tafaverina.
    Ny resaka farany teo dia hoe :

    … Ka minomino kokoa aho fa tsy avy ao Antsahadinta ny renin’ ny mpanjaka Andrianamboatsimarofy fa avy any Fenoarivo.

    Ny antony nanafenana an’Andrianamboatsimarofy tao Antsahadinta tamin’ny namindran’ny taranany azy (1918) dia satria avy ao ny reniny, mbola averiko indray , adi-hevitra moa no atao eto dia tsara no hafantaran’ny mpamaky eto ny fandehan’ny tantara. Nalàna teny Fenoarivo izy fa ny avy amin-dRavolamisa vadin’i Nampoina no ao anaty Rova eny izao. Tsy hay loatra moa hoe taiza teo Andrianamboatsimarofy no nafenina tany amboalohany.
    Ary miara-milevina amin’ny reniny Ramananimerina niova ho Rasahala izy eny Antsahadinta , eo ny taranany hanamarina izany eto raha tiany.
    Fa tsy hoe noho Ranjoanina Mpitandrina teo Antsahadinta ka to-teny dia :

    … Miteny fotsiny izy hoe avy eto Antsahadinta ny reniko, dia nino daholo.

    #21986
    ambodirano
    Membre

    Dia hotohizako amin’ny tantaran-dRasahala , ho an’i Mpijery izay ho liana amin’izany:
    Ny Rasahala voalohany dia RamatoaRasahala mba hanavahana azy @n’ireo Rasahala telo hafa ary Ramananimerina no tena anarany voalohany. Vadin’ny Mpanjaka Andriamasinavalona izy ary renin’Andrianjakanavalomandimby nandimby an-drainy teto Antananarivo. Nomen’ny Mpanjaka ankizy 60 (30 lahy sy 30 vavy) izy ary nomeny an’Amparindrasahala io atsimo atsinanan’Anatirova io. Ireo mpanompo ireo no nasaindRasahala naka valala sy orana ho azy teny Anosizato sy Bevalala (Andoharanofotsy) fony nitady zaza sy niandry vohoka izy.
    Ary Andrianjakanavalomandimby dia niteraka vavy tamindRatsimitoviaminandriana izay nataony hoe Ramananimerina na Rasahala mitovy anarana amin-drenibeny. Io no lasa renin’ Andrianamboatsimarofy taty aoriana. Diso génération iray aho tery ambony tery fa Andriamponimerina dia anadahiny izany hoe anadahindrenin’ Andrianamboatsimarofy fa tsy raibeny.
    Olona maro toa an’i Mpijery no manafangaro azy amin-dRasahala fanintelony rahavavindRamorabe sady vadin’Andriamponimerina indray kosa izany hoe Nenitoan’ Andrianamboatsimarofy fa tsy reniny. Io Nenitoany io no avy amin-dRanavalontsimitovy Anosimanjaka.
    Ary ny Rasahala fahefatra farany dia Ravaonimerina zanak’ Andrianamboatsimarofy , nifanekena fa ho vadin’i Nampoina kanjo nomen-drainy an-dRabehety ( = Andriantomponimerimandimby) Mpanjaka farany teo Ambohidratrimo anadahin-dRambolamasoandro). Nony resy teo ity farany izy dia nandositra teny Antsahadinta (forteresse tamin’izany hoy Mayeur ihany) nisy an’Andriamaromanompo anadahin-dRavaonimerina. Ary Ravaonimerina no Razanakinimanjaka teo Antsahadinta fa ny anadahiny nitazona ny teny Fenoarivo angamba. Nony tsy nety azon’i Nampoina Ambohijoky nisy ireo Manisotra mpiaro an’ Andrianamboatsimarofy sy Imerinatsimo dia nataony izay ahazoana an’Antsahadinta aloha ka azony ihany taty aoriana. Maty tamin’izany mihitsy Rabehety ary ‘tsy nanaiky Nampoina raha tsy naverina ho vadiny Ravaonimerina’ (dixit Mayeur) izay nafindrany napetraka tao Rarihasina Anatirovan’Antananarivo niaraka amin-dRavaomanjaka izay teo Fenoarivo talohan’izany. Novany ho Rasahala koa ny anaran-dRavaonimerina izay mbola nataon’ny Manisotra hoe Andriambavy Mpandova an’Imerinatsimo foana. Natahotra an’izany Nampoina ka nampamonoiny hono Ravaonimerina sy ireo zanany taminy anankiroa izay mety ho milevina ao Amparihindrasahala toa andRamatoaRasahala izay voalazan’ny tantara fa nafenina teo.

    Koa na Anosizato izay renivohitr’i Fenoarivo, nandosiran’ Andrianamboatsimarofy na Antsahadinta eny nanomboka teny Amparihindrasahala dia vodivona an’ireo Rasahala nifandimby ireo daholo izany fa tsy samy hafa akory , iray fototra daholo ireo aminay Ambodirano. An’ny Fanjakan’Imerinantsimo teo aloha izay Antananarivo no renivohiny.

5 sujets de 306 à 310 (sur un total de 402)
  • Vous devez être connecté pour répondre à ce sujet.
error: