andriana c'est juste un titre ou…

Accueil Forums Madagascar – Coutumes, croyances, histoire andriana c'est juste un titre ou…

5 sujets de 371 à 375 (sur un total de 402)
  • Auteur
    Posts
  • #22215
    Anonyme
    Inactif

    Izay moa ilay atao hoe hena ratsy ?

    #22216
    Anonyme
    Inactif

    Mety ho maromaro no antony tsy hihinanan’ny Andriamasinavalona, Zazamarolahy ary Zanakandriana ny hena ratsy fa ny iray izay HEVERIKO ho manakaiky ny izy no lazaiko eto. Hoentiko hamaliana izany dia fanontaniana fototra no hanombohako azy. Voalohany, « fa maninona no mamono omby rehefa misy fahoriana na famadihana ? ». Faharoa « Ankoatra ny fasan’ireo nipoiran’ny Andriana tahaka izay hita ao Ambohitrakoholahy, Fanongoavana, Ampandrana sy ny sisa, nankaiza ny fasan’ireo olona nonina teto imerina talohan’ny taonjato faha XVIII ? ». Anton’io fanontaniana faharoa io dia tsotra: talohan’ny taonjato faha-10 no efa nisy olona teto Imerina, araka ny fikarohana nataon’ireo arkeology, nefa taonjato faha-XVIII ny fasana tranainy indrindra ho an’ny sarababem-bahoaka.

    Ny valin’ireo fanontaniana roa ireo dia tsotra : talohan’ny taonjato faha-XVIII dia tsy nalevina tsy akory ny maty fa nohanina. Ny boky « Le bain royal à Madagascar » nosoratan’i Louis Molet no moilaza izany amin’ny ambangovangony. Maro ireo boky milaza izany milaza izany saingy andalovana kely fotsiny ka tsy misongadina tsara. Araka ny finoana manko dia ny fihinana izany dia mampita ny hasin’ny maty sy ny heriny any amin’iero mpiray foko sy ny fianakaviana aminy. Raha fahavalony indray no maty dia toraka izany ihany fa saingy ny hery no alaina aminy. Taty aoriana dia niova ny rafipiarahamonina ka nilaina ny mamboatra fasana mba hanamarihana ny maha tompontanindrazana ka nasaina tsy maintsy nanao fasana ny olona. Io ilay atao hoe « sédentarisation » izay nitranga indrindrta indrindra tamin’ny andron’Andriamasinavalona nanangana an’Imerina efa-toko. Teo no nanomboka nanao fasana sy namadika ny sarababem-bahoaka. Ary satria tsy nohanina intsony ny faty dia nosoloina omby taty aoriana. « Par substitution » izany dia tandindon’ilay razana ilay omby zaraina. Omby ihany tany ampiandohana no zaraina saingy netim-èpahantrana dia niova ho zavatra hafa tahaka ny kisoa sy ny ondry ohatra.

    Ho an’ny Andriana voalaza tetsy aloha nefa dia efa nanana fomban-drazana mandevina am-pasana ka tsy voakasiky ny fomba mivantana izy nadia mitaky omby azan y fiaraha-monina rehefa misy miamboho. Manaraka izany ny hasina sy ny hery dia tsy miampita amin’ny fihinanan-kena fa amin’ny ra ka mahatonga ny fanambadiana ho saro-pady ho azy ireo. Ho azy ireo dia mamono ilay hasina ampitaina amin’ny ra ny fihinanana hena ratsy. Izany no mahatonga ny fanendrikendrehana Andriana ho « nihinana hena ratsy » raha tiana hoverezina hasina ka very zo hitondra fanjakana. Nisy izany ho an’ireo Andriana resian’Andrianampoinimerina taoriana ny famoriana an’Imerina tamin’ny fotoan’androny. Mampitovy azy amin’ny sarababem-bahoaka koa mantsy ka nofadiany fatratra.

    Araka ilay voalazako tany amboalohany dia maromaro no mety ho antony fa ity no HEVERIKO manakaiky ny marina ka zaraiko. Iombonana hevitra aminà mpampianatra mpikaroka eny Ankatso io fijery io.

    #22219
    Ampandrana
    Membre

    Miarahaba antsika rehetra indray e!

    Misaotra an’ilay invite eo ambony aloha fa milaza sy mizara izay fantany. Misaotra tompoko!
    Momba ilay fomba fahagola dia izao izaho vao naheno izany oe mihinana olona izany. Ary maninona no ireo firazanan’andriana ireo ihany no tsy mahazo mihinana ilay oe hena ratsy na oe biby misy tongotra efatra . Misy mihintsy olona mbola mitazona io fomba io amin’izao. Misy olona avy any mantasoa fantatro sady fianakaviana ian dia mbola tsy mihinana afa tsy akoho rony rehefa misy miamboho ary rehefa mihinana dia atao kely sira ary tsy mahazo manampy sira raha sendra mahatsapa fa somary matsatso. Ary tsy mahazo mihinana hena afa tsy akoho raha tsy efa tafala eo ambohitra ny razana.
    Tena hitako fa anisan’ny fady tsy maintsy hajaina indrindra io tsy fihinana hena biby tongotra efatra io araka ny nolazain’ilay invite eo ambony oe: »raha tiana hoverezina hasina ka very zo hitondra fanjakana ». Ohatra izao izahay avy etsy Ambohimasombola dia voan’io fahverezana hasina io satria araka ny nafaran’ny razam-be tany aloha t@ ireo raiamandreninay dia nihinana « henam-paty » hono no nahavery ny naha andriana ny taranaka aty ahoriana.
    Ankehitriny koa anefa izaho dia mahita andriamasiavalona mihinana hena mena na dia misy maty aza ny fianakaviana. Ka miankina @ tsirairay raha ny fahalalako azy misy ny mitazona misy ny efa tsy miraharaha.

    Izay angalba no azoko lazaina fa mangataka antsika andray anjara e!

    #22220
    Harefo
    Membre

    Ny fadin-drazana ho an’ny Andriana dia misy hifandraisany foana amin’ny hasina. Ireo telo ireo no mifady hena ratsy dia satria avy amin’izy ireo no nipoiran’ny andria-manjaka. Ary ny andriana no manjaka dia ny hasina izay homen’ny vahoaka azy mazava loatra nefa ihany koa ilay raisiny avy amin’Andriamanitra Andriananahary sy ny Razana. Ny Zanakandriana sy ny Zazamarolahy ary ny Andriamasinavalona no voakasik’ireo satria tao no nipoiran’ny Andriamanjaka. Tsy ny Andriamasinavalona rehetra koa no manaraka io fomba io satria misy karazany ny Andriamasinavalona. tany ampiandohana dia ny « zana-behivavy » no tena mizaka ny satan’Andriamasinavalona. Singanina manoka amin’ireny ny teraky Rampanambonintany anabaviny, Andriamasinavalona mpanjaka io.
    Misy koa ireo izay nomena izany sata izany noho ny fifandraisany manokana tamin’ny Andria-manjaka, indrindra tamin’Andriamasinavalona sy Andrianampoinimerina. Ohatra akaiky amin’izany Andriamahazonoro Antemoro Anakara nantsoina hamboatra ny vitan-dRadama rainy. Nomen’Andrianampoinimerina ny satan’Andriamasinavalona izy sy ny taranany tavela teto Imerina. Tsy voatery hanaraka ny fadin-drazan’ny andriamanjaka sy ny tera-behivavy izany izy ireo.
    Ankehitriny dia tsy misy intsony ny fanjakana ifandimbiasana ka nahavery hasina ny fifadiana. Manamafy izany koa ny fivavahana kristiana ka izany nahatonga izay nifady taloha hihinana. Safidy manokana io ka tsisy bedy…
    Tsara ny manamarika fa ny Andriana rehetra no nanana io fady io tany ampiandohana. Tafiditra tao anatin’izany ny Antehiroka. fa rehefa nandroso ny fotoana dia niha-nalalaka ny fomba ho an’ireo « lignée » lavitra kokoa ny Andriamanjaka. ny fametrahana ny satan’ny Zazamarolahy sy ny Andriamasinavalona tamin’ny andron’Andriamasinavalona izay niampy ny Zanakandriana tamin’Andrianampoinimerina dia nanamafy izany.
    Mikasika ny » fihinanan’olona » indray dia mbola maro ny fomba fahagola tsy fantatry ny sarababem-bahoaka izay mihonona amin’ny lovantsofim-pianakaviana fotsiny. Ny lovantsofina nefa dia mifidifidy tantaraina araka ilay voalaza hoe « la mémoire est sélective ». Noho izany dia ny tsara sy izay azon’ny taranaka ireharehana ihany no tena ampitaina. Adino ho azy noho izany ny fomba amam-panao ka tsy ahafantarana ny tena anton-javatra. izany no maha-zava-dehibe ny fikarohana amin’ireo boky tranainy mahakasika an’i madagasikara rehetra. izany ihany koa no antony nanomezana « référence bibliographique » etsy ambony.

    #22237
    tantsaha
    Membre

    Mbola misy koa ny hoe tsy mihinana lohan’akoho sy tongotr’akoho

5 sujets de 371 à 375 (sur un total de 402)
  • Vous devez être connecté pour répondre à ce sujet.
error: