Miarahaba antsika rehetra tompoko,
Tsara dia tsara tokoa ny toe-tsaina te hifangaro mba hampiray ny Malagasy nefa koa tsy manome tsiny izay tsy te hifangaro koa ny tenako fa manana ny antony mety mahatonga izany izy.Nefa ny manambany olona kosa dia tsy mety, fa rehefa tsy mety amin’ny tena izy dia avela fotsiny.
Amin’ny fomba fijery tsy miangatra dia mahatsikaritra angamba isika fa misy olana matetika ny fanambadiana raha toa ka tsy mitovy ny olona roa (oh: Andriana sy Mainty, Hova sy Tanindrana sns….). Ny anton’izany akory dia tsy volonkoditra fa tsy fitoviana tamin’ny fomba nitaizana sy ny fomba fiainana. Ka misy ilay antsoina hoe « choc culturel ».Misy ihany ny « exeption » satria hono ny fitiavan maharesy ny rehetra saingy tsy maintsy mipoitra foana io fahasamihafana io ao antokatrano sy amin’ny fianakaviana ka matetika miteraka fasimban’ny tokatrano sy fahasimban’ny fiainan »ny ankizyizany.
Misaotra sy mankasitraka tompoko