Elaela ity rakitra ity tsisy resaka vaovao ka handeha mba hizara ny hevitro koa aho.
Zavatra manitikitika ahy anefa ilay horesahiko mba hitadiavako valim-panontaniana marina, izay tsy azoko tany an-kafa ka inoako misy afaka mamaly ahy eto.
T@ity taona 2017 dia nalaza(c’est selon) fa tafatsangana ny A.A.M., toa efa resaka nandeha fa ela izy io saingy t@ity taona ity vao hoe tafatsangana tanteraka.
Nanampy ny lazany tampoka ny fanambarana fa nanangana « Andriamben’ny Merina » izy ireo, ary nanokana toerana hanaovana lapa ho an’ny fanjakana vaovao ery Mangabe (raha tsy diso aho).
Mazava ho azy fa maro no tsy nanaiky ary tsy nanome rariny ilay fihetsika, na ireo taranak’Andriana izany, na ireo olon-tsotra (samy manana ny hevitra tohananay ihany koa moa ry zareo).
Ny tenako manokana moa rehefa nanadihady dia varavarava mihidy sy teny an’avona no azoko (olako izaho samirery iny fa tsy iny no tiako hasongadina eto).
Lasa ary ny saiko : inona tokoa ilay A.A.M? AVy taiza? Taritin’iza? Eken’iza? Dia hanao inona e?