Etre Andriana, c'est d'actualité
Accueil › Forums › Madagascar – Coutumes, croyances, histoire › Etre Andriana, c'est d'actualité
-
AuteurPosts
-
03/11/2009 à 13h17 #21409AnonymeInactif
Tsarava tompoko
Hitako fa misy resaka mandeha momba ny teraka Razafindrahety eto amin’ity forum ity. Tsy fantatro aiza ianareo no mahita ny sources anareo fa ny tenako akaikin’ny fianakaviana Ravoninoro RANAVALOZAFIMANJAKA. teo amparibe izy no teraka ka alakaosy io vaninandro noho izany nafenina tany Iavoloha teny amin’ny Rasendrasoa.Ary nihalehibe teny. Ny vadiny Joel Andriambahoaka Ratsimihara, taranak’andriambahoaka an’Imamo sy ny Jeneraly zanak’Andriana Ratsimihara nafenina eny Antsahadinta. Ny taranak’i Ravoninoro dia marobe ary ny Ankamaroany mivady amin’ny zazamarolahy sy Zanaka Andriana. Ao ny Ravahatra avy amin’Andrianampoinimerina, ao ny teraka Ramboasalama avy eny Ambohimirimo, ao ny Ankadinandriana. ao ny terad-Ravao zokiny ao ny teraky Andiamparalahimanjaka marolahi’andriambelomasina.
Ny resaka lalina kokoa noho izay dia aoka ho an’ny teraka Ravoninoro ny maha andriana hono mantsy tsy mila fisehosehoana fa aoka ny razana no tetezina toa ny fanaon’Andrianampoinimerina.
Soava tsara03/11/2009 à 20h41 #21410AnonymeInactifNy tetiaran’ny tera-dRatsimihara sy ny fianakaviana dia eto ambany masoko, h@ ady lova. Raha mahalala tsara ny momba an-dRatsimihara ianareo dia ho hainareo vetivety fa tsy zanakandriana izy. Ary ny tera-dRavahatra dia vao miasa FANTATRA mazava ny taranany h@ fasany ilevenany sy ny fianakaviana taranany izay fanta-poko fanta-pirenena (ho an’ny mpihavana), ary fantatro manokana satria zanakolo-mianadahy Ravahatra sy ny raiben’ny renibeko, ary RASENDRASOA aleo ilay taranany mpandalo eto no hilaza azy ary Ravaozokiny indray koa dia ao ry zareo etsy ananona vao haingana no nisy maty izy ireo (indroa sa intelo nifanesy izay) ary fantatra ny fianakaviana ao.
Asa aloha fa mba hazavao azafady ilay eny Ambivihy.
04/11/2009 à 5h55 #21411AnonymeInactifMahavariana ity resaka ity ary tena mila fandinihana sy famakafakana lalina ny tetiarana nihaviany avy ny tsirairay
VAO MANAMAFY NA IZY NA TSIA.
TSY HOE TERAKA TAO AMPARIBE SY NIPETRAKA TAO AMPARIBE AKORY RAZAFINDRAHETY dia misy milaza ireo HAVANY NA ANDRIANA NISY ROHIM-PIHAVANANA T@ TAO FA TARANANY !!! …
DIA MAPALAHELO IRETO TARANAKA ATY AORIANA REHETRA FA MIHAINA @ LOVAN-TSOFINA TSY MARINA !!! …
HOY NY DADABEN’NY DADABE NAY FA IZAHAY HONO … HONO … HONO … TARANAK’i RAZAFINDRAHETY NA RANAVALONA III !!! …04/11/2009 à 8h52 #21412AnonymeInactifTsarava ny Ambany lanitra
Misy fanitsiana kely ny post etsy ambony fa diso aho. tsy tompony tokoa ny ny tena fa mahalala zavatra kely ka mety diso rehefa mitantara. Ravoninoro dia teraka teo Faravohitra fa nefa kosa manana fasan-dRazana eo Amparibe, mora hita ihany ilay izy fa raha misy mazoto dia mba anontanio tsy dia lavitra fa ao anaty tamboho ampitan’ny Relais Malaky agence de voyage eo amin’ilay fidinana handeha any amin’ny kolejy Saint Michel iny. Ka anontanio re mba iza avy ny milevina ao dia fantatrareo ny tohiny.
Fanamarihina: dia Ratrimo-ari-vony; Ravoni-noro.
Anontanio koa ny teraka Rasendranoro eny Iavoloha misy valiny ho anao eny.
Efa histidika ity forum ity ny taranaka Ravoninoro ary hisy mpitondra teny atsy hoatsy raha mila fanazavana ianareo
Tsy mihevitena ho heritier du trone mihintsy ry zareo fa mankato fa samy malagasy iray volo daholo ao anatin’ny repoblika isika rehetra. Nisy fihaonana tao amin’ny Unesco tamin’i Ranjeva tao amin’ny Unesco momba io ka nanehoana ireo rakitra toa ny lovia bakoly sy ny sisa avy aty amin’ny taranaky Ravoninoro, fa ny tena zava-dehibe dia ny Test ADN ahitana ny tena Andriana tsy mifangaro izay efa dinihin’ny Comoié d’Etjhique manao fikarohana momba ny fiavin’ny Malagasy tarihin’ny PR A Raharinirivonirina (agrégé de droit privée). Ho hita eo ny tohiny04/11/2009 à 10h29 #21413AnonymeInactifTsarava tompoko
Ravoninoro dia nafenina any Soavina Ambivihy, toerana nisian’ny vadiny Andriambahoaka Ratsimihara.
Momba ireo taranany sy ne fanambadiana avy ao dia hitanao ao amin’ny Blog ny fianakaviany. -
AuteurPosts
- Vous devez être connecté pour répondre à ce sujet.