Etre Andriana, c'est d'actualité
Accueil › Forums › Madagascar – Coutumes, croyances, histoire › Etre Andriana, c'est d'actualité
-
AuteurPosts
-
17/11/2009 à 6h20 #21474AnonymeInactif
angamba kosa nentim-pahatsorana ilay ranamana io fa dia hoe hanimbazimba sanatria, raha ny fahitako azy. ny tetiarana angamba mety hanahirana ny tompony ihany no handefa azy eto fa ny tantara kosa???? dia ho problème be ve ?
17/11/2009 à 12h09 #21476AnonymeInactifHo an’Ambodirano
Sao dia mba misy fomba afaka hifampiresahana ,en privée momba ny voalazantsika etsy ambony mety afaka hifampizaranaAndriamifonovy
17/11/2009 à 15h32 #21477ambodiranoMembreTsy olana mihitsy fa mahafaly ahy izany. Afaka manoratra amin’ity ianao :
soava tsara ary
17/11/2009 à 15h48 #21478lintelloParticipantSinon, y a aussi la messagerie privée du forum de KoolSaina mais pour ça, il faut s’inscrire en tant que membre.
21/11/2009 à 17h06 #21480ambodiranoMembreTamin’iny andron’ny 6 Novambra iny dia nandeha niakatra teny andRova aho , sady nijery ny asa efa vita no mba nanararaotra naka sary fa indraimandeha isantaona no moa no mba afaka manao izany. Raha akapoka iray dia mahavelombolo ny efa vita ary hita mivantana ny hakanton’ilay lapa MANJAKAMIADANA nony tafarina satria toy ny vaovao daholo ny ankamaron’ny vato mandrafitra azy. Ny fitazanana ny Vohitra rehetra manodidina avy eny ambony eny, ery amin’ny rihina misy ny lavarangambato manodidina iny dia manginy fotsiny. Toa tsy mampino hoe tafakatra ety indray moa ny tena efa ho 15 taona aty aorianan’ny teny farany.
Ilay efitra lehibe ao ambany rihina dia nolokoina mena volon-tany (lokonkazo) na ny andry rehetra na ny plafond mba ahazoana maminavina ny endriny rahatrizay. Toa mampahatsiahy ny lanonana rehetra niseho tao amin’io efitrano midadasika io toy ny Fandroana ny 22 Novambra daty rahampitso, ny Mpanjakavavy tamin’izany mipetraka ery Avaratra Atsinanana ankavian’ny varavarambe fidirana ao. Fa tao koa no nanaovana ny lanonam-panjakana maro sy ny « Bal » maromaro ihany. Anisan’izany ity iray hotantaraiko ity nalaina tao amin’ny Boky biographie-ndRAINILAIARIVONY nataona vazahavavy toy ny roman fa mba misy ampahany marina ihany angamba raha ny fijeriko azy aloha.
Tany amin’ny fiandohan’ny taona 1885 tany no miseho ny tantara raha vao nanjaka roa taona eo ho eo RAZAFINDRAHETY lasa Ranavalona fahaTelo. Ary mampiseho ny fijalian’Ingahirainy Praiministra na i ‘Vony’ (izay no anarana nomen’ny mpanoratra azy) amin’ny fahasarotampiarony noho izy nanambady ny Mpanjakavavy izay zandriny 34 taona anefa. Reraky ny ady t@n’ny frantsay koa Ingahirainy ka mbola tsy « despotique » ohatr’izany hono izy t@n’io satria zara raha noresahiny ny Andriana ny fanapahin-keviny rehetra. Faran’izay tsy tantiny ny tsy firaharahin’ny Mpanjaka azy rehefa mamihina azy (??) na ny tsiravina eny @n’ny endriny. Ilay faniriany azy miredareda tany ambohalohany dia lasa nivadika ho fankahalana indraindray. Ohatry ny passion rehetra io é! Raha ny vehivavy rehetra nanaiky azy hatr@n’ ny mpanompo tsotra indrindra ka hatr@n’ ny Andriambavy avo razana mitady faveur ho azy na hoan’ny vadiny dia mbola NIHEVINTENA ho mbola MANAMBàKA sy TANORA lalandava Ingahirainy. Raha ny nataon-dRanavalona azy t@n’io anefa dia NANDISO mafy izany fiheviny izany !!!
(mbola HITOHY)
-
AuteurPosts
- Vous devez être connecté pour répondre à ce sujet.