Ny mikasika ny teny Manjakazafy dia nisy Fahatsiarovana ny daty nahaterahan’ i Ranavalona III tany (22 novambra), ary nisy lahatsoratra kely fa mafonja izay nosoratan’Andriamatoa Adolphe Andriankoto ary namidy tamin’ io fotoana io. Izy angamba no tokony ho hanontaniana fa tsy ny FBVA. Araka ny vaovao dia nisy ny fampisehoana nataon’ ireo tanora mikasika ny fitafiana sy akanjon’ireo Andriamanjaka ihany koa tany, ary nisy koa indrindra indrindra fotoam-pivavahana fanomezam-boninahitra an’andriamanitra koa
Raha ny mikasika ny any Manandriana Avaradrano indray dia ao ny taranany, manana ny tantaram-pianakaviana, sy ny tetiarana manomboka amin’ ny Mpanjaka Ralambo mandraka ankehitriny. Soa ihany fa mbola voatana soa aman-tsara any, na dia tsy azo havoaka araka ny fomban-drazana sao misy vahiny tsy tompontany mitady hisavika (ohatran’ ilay vahiny mpihavy milaza azy ho avy eny Antsahadinta, ka ny lakilen’ ny fasan’olona indray no tadiaviny hangalarina)…