Etre Andriana, c'est d'actualité
Accueil › Forums › Madagascar – Coutumes, croyances, histoire › Etre Andriana, c'est d'actualité
-
AuteurPosts
-
22/12/2009 à 12h13 #21576AnonymeInactif
Fa hay ve ka mpihavana ny mpanjaka tanindrana sy ny eto Imerina e? raha tsy hiresaka ny fifampidiran’ny fianakavian’Ambohijanaka (Ranavalona) sy ry zareo tao Manandona (Andriamanalina) aho , na ry zareo tao ihany (Ratsivinda) sy ny terany tany Menabe (Ramasoandro – rabodo – Ramitraho – Rasalimo) ka nihavian-dRabobalahy; na koa ry zareo Fiakarana sy ny any Boeny? dia iza koa? mba tantarao hoe fa mahaliana tokoa? misy hifandraisany ve ny eto Imerina sy ny any Ankarana? misy ifandraisany ve ny any Ihorombe , ry zareo Antesaka, ny mpanjaka Tandroy (Ambovombe sy Tsiombe)sns? manao ahoana ny fandraisan’izany Bengy izany sy ny mpanjaka ambaniandro fahiny? ankehitriny mantsy raha namonjy alahamady aho indray andro dia nolazaina fa tarana-dRafohy sy ry Rangita mpanjaka vazimba teto Ankova koa hono ry zareo! mba hazavao hoe? tena very aho. Mbola hoavy hoe ny fanjakana andriana? dia efa fantatra ny ho mpanjaka @ izay? fantatro hoe iza io olona io…no comment! hoavy tokoa ny 2010, ary hoavy ny fin juin 2010 izay nilazana ha hisian’ny fahagagana eto Madagascar!! dia samy miandry am-pahatoniana izahay ka tongava ny andro malaza fa dondona ny ambanilanitra rahavako.
22/12/2009 à 19h40 #21577AnonymeInactifIreo voalazanao ireo dia mazàna efa fahita anaty boky ary misy koa anefa ny tantara sy tetiaram-pianakaviana , taranak’andriamanjaka, izay
tsy mivoaka fa mijanona ho an’ny mpianakavy.
Ny mba ho ambarako kely eto fotsiny dia ny momban’ny
» Atsimon’Imerina « , izay nianatsimo , nampandry tany na nitady ravin’ahitra na nohoin’ny antony hafa ka nifanambady @ teraky ny Andriamanjaka manerana ny sisin-tany ,ary izay no niteraka ny Fihavanana.Mifankalala tsara ny rehetra ary tsy mifanary na an-tsaha na an-tanety.
Adinonao ny niresaka an’i Tangaina.23/12/2009 à 7h29 #21578AnonymeInactifMarina tokoa izany saingy nijanona hatrany ho resa-pianakaviana. Tsy voalazako tokoa arak’izay nosoratanao ny mikasika an’i Tangaina! tsy mahalala ny tena fa mba te ahafantatra, inona moa no nitranga tao? ny hany fantatro dia ny fiparitahan’ireo terak’Andriamasinavalona teto afovoan-tany ka tonga hatrany vakinankaratra rehetra tany, ny niparitahan’ny terak’andriana voalohany nifehy ny tampon’Antsahadinta any atsimo any dia Andriapakatro taranak’Andriamangarira, mpitari-tafika, izay nomen-dRadama I faritra iray tiany teo anelanelan’ny reniranon’i Onive sy Ihazolava (Soavina sy Ambohimandroso gara) izay antsoina ankehitriny hoe Anjanamangarira. Io faritra io dia ao anatin’ny faritra nomen’Andrianampoinimerina ny tarana-dRangorinimerina avy ao Tsirangaina. Ankoatra ireo, dia nitatra hatrany Soanindrariny sy Antsirabe ary Miantsoarivo ny taranaka.Ao koa ireo nifampidiran’ny havan-dRatompoindraondriana (niainga tao Mantasoa sa Alasora????)tany Andratsay ka nahatonga ny Hasin’i Vakinankaratra satria hono terak’Andrianonimanjakantany! Ny nifampidirany t@ sud est tsy fantatro ary ny fifaneraseran’ireo t@ ireo tompotany hatreo Fianarantsoa ka hatrany Fort Dauphin tsy dia mazava amiko loatra. Tsy haiko ny tena marina.
Ny hasin’Alasora
23/12/2009 à 9h11 #21579AnonymeInactifTsara be kosa ra miray hina daholo ny andriana eran’ny madagasikara. L’union fait la force
23/12/2009 à 10h16 #21580ambodiranoMembreFa hay ve ka mpihavana ny mpanjaka tanindrana sy ny eto Imerina e? raha tsy hiresaka ny fifampidiran’ny fianakavian’Ambohijanaka (Ranavalona) sy ry zareo tao Manandona (Andriamanalina) aho , na ry zareo tao ihany (Ratsivinda) sy ny terany tany Menabe (Ramasoandro – rabodo – Ramitraho – Rasalimo) ka nihavian-dRabobalahy; ……. Mbola hoavy hoe ny fanjakana andriana? dia efa fantatra ny ho mpanjaka @ izay? fantatro hoe iza io olona io…no comment! hoavy tokoa ny 2010, ary hoavy ny fin juin 2010 izay nilazana ha hisian’ny fahagagana eto Madagascar!! dia samy miandry am-pahatoniana izahay ka tongava ny andro malaza fa dondona ny ambanilanitra rahavako.
Mbola hotantaraiko anao ny mety ho rohim-pihavanana teo @ny havan-dRangita niondrana nandositra tany antSakalava ( Toliara @n’izao fotoana izao) ary nanambady ny Mpanjaka voalohany @ dynastie Maroseranana (Anglisy fihaviana) ary nihavian’ ANDRIANJAKA sy ny Andriana rehetra taranany . Dia ho avia soamantsara ny 2010 é , samia hahatratra azy !!!
-
AuteurPosts
- Vous devez être connecté pour répondre à ce sujet.