Etre Andriana, c'est d'actualité

Accueil Forums Madagascar – Coutumes, croyances, histoire Etre Andriana, c'est d'actualité

5 sujets de 576 à 580 (sur un total de 814)
  • Auteur
    Posts
  • #21659
    Anonyme
    Inactif

    Miarahaba anareo,
    Efa mahazoazo taona sy lehibe ihany ny tenako manoratra eto, ary somary gaga sy talanjona mamaky ny voasoratra momba Ranavalona IV sy Ravoninoro Louise. Taranak’i Rainizoely sy Ravoninoro ny tenako ka izao vao mahita fa misy resaka momba ny fianakavianay. Androany ihany angamba ny haneoako ny hevitro satria tsy mitondra teny ny fianakaviana aho fa ny tenako manokana sy ny lovantsofina avy aty amiko no hampitaiko eto ka ny tenako ihany no voakasik’izany, moa ny fianakaviana rahateo tsy te hiresaka lavabe momba an’io resaka io amin’ny olona sasany.
    Tsy ny fitadiavana reconnaissance na fampahalalana no tiako havoatra eto fa resaka hampita fotsiny ka samy maka izay tiany ny tsirairay.
    Raha ny voalazan’y Raibeko dia zanaka nateraka Ranavalona III Ravoninoro, teraka teny faravohitra ary nipetraka teo Amparibe, Alakaosy anefa izy ka nafenina ny fisiany dia napetraka nitoetra teny Iavoloha tamin’ny fianakavian’ny Princess Rasendranoro rahavavin’i Razafindrahety. Tena nafenina tokoa satria nahatahorana koa ny fihetsiky Rainilaiharivony tamin’izany sao vonoina ny zazakely. Taty aoriana dia natsangan’i Rasendranoro ny zaza ka ny fianakaviana teny no lasa akaiky azy. Ny Momba an’i Soavina dia tena tsy avy eny no niandohany fa toerana novidian’ny vadiny Joel Andriambahoaka ny eny, ity farany moa dia taranak’Andrianamboatsimarofy sy Andriambahoaka avy eny Imamo. ka teny izy mivady no nitoetra.
    Ny fianakaviana dia maro ny nanambady teraka fohiloha ,misy ny karazana Andriana hatramin’ny zanadralambo ao hitanareo io raha mijery ny blog ny fianakaviana ianareo fa tsy hanonona anarana eto ny tenako, ‘eny na ry zareo Andafiavaratra aza misy sasantsasany ao mivady taranak’i Ravoninoro.
    Ny mmba ny hoe hiakatraan-dRova angamba nofinofy na resaka tiana atao fotsiny izany satria tsy misy velively mihevitra ho tompom-panjakana ny ao amin’ny fianakavianay, toa izany koa ny hoe zanadRanavalona tokoa ve Ravoninoro sa tsia, aloe angamba ianareo no hitsara fa tsy ny tompony ny hidedaka satria tsy fomba izany. Ny tiako hapetraka fotsiny dia ny hoe raha tsy Zanaky ny mpanjaka izy dia avy aiza? ary nahoana Rasendranoro taty aoriana dia nanangana azy ho zanany, aza hadino fa Princesy Rasendranoro dia Zanaka Andriana farany amin’i Ranavalona III ary tera-behivavy. Ny momba io fananganana zaza io kosa indray aloha dia angamba tsy misy resaka satria dia misy taratasy mpanjakana mazava tamin’ny fanjanahantany manamarina azy ary mbola aty amin’ny fianakaviana hatramin’izao. rehefa niverina avy tany Alger ny Prince Rakotomena dia nampitondrai’i Razafindrahety Diadema haterina eny mahamasina misy ny teraka Ravoninoro fahiny, raha misy teraka Rakotomena mifampiresaka aminareo dia mba anontanio anie ny momba an’io Ravoninoro io, dia hitanareo ny filazany ry zareo.
    Ka iza marina ary ilay Ravoninoro? ……
    Marolahin’n Andriambelomasina sy tera-dRavoninoro.

    #21660
    Anonyme
    Inactif

    Tsy hiady hevitra na hanao fanamarihana fa fampahafantarana fotsiny.
    Ny taranak’Andrianamboatsimarofy dia manana tetiarana détaillé @ antsipiriany ny fianakaviana, ary vita fanazavana h@ hoe ianona tsara fanahy nanambady an-dry ianona ery ananona, ianona tsara tarehy, ianona toy izao sy toy izao, h@ 20è siècle. Tsy azo iadian-kevitra satria afaka miditra avy hatrany ao @ fasan-drazan’ny tanindrazana izay efa fantatra.

    #21662
    Anonyme
    Inactif

    Raha ny voalazan’y Raibeko dia zanaka nateraka Ranavalona III Ravoninoro

    Misaotra anao nanome fanazavana. Ny hany mba mampieritreritra kely, dia ny hoe alohan’ ny lasa mpanjaka ve sa taty aoriana no niteraka i Razafindrahety ?

    #21663
    Anonyme
    Inactif

    Tsy hiady hevitra na hanao fanamarihana fa fampahafantarana fotsiny.
    Ny taranak’Andrianamboatsimarofy dia manana tetiarana détaillé @ antsipiriany ny fianakaviana, ary vita fanazavana h@ hoe ianona tsara fanahy nanambady an-dry ianona ery ananona, ianona tsara tarehy, ianona toy izao sy toy izao, h@ 20è siècle. Tsy azo iadian-kevitra satria afaka miditra avy hatrany ao @ fasan-drazan’ny tanindrazana izay efa fantatra.

    Ary mba tiako ho fantatra hoe azafady : hita ao @n’ny fanazavana koa ve hoe MPIMAMO gaigilahy Andrianamboatsimarofy ka izany no nandresen’i Nampoina azy. Toa lazainareo hoe hita ao daholo manko ny hoe ianona tsara tarehy , ianona tsara fanahy ary ny Mpanjakan’Antananarivo fahiny izany dia tsara ho fantatry ny mpamaky eto koa hoe mpimamo gaigilahy ka na eo ampandinihana raharaham-panjakana aza izy sy ny mpanolotsainany dia efa mamo efa hianjera daholo. Sady ao Antsahadinta ange hatr@n’izao mbola misy misy ireo fitaovana fanaovana toaka gasy aseho ny mpitsidika ny tranombakoka é. Avy eny ny renin’Andrianamboatsimarofy ary eny izy no nafenina indray rehefa nafindran’Ingahy Ranjoanina mpitandrina izay taranany ary milevina eny rahateo.
    Mety ho ianareo koa izany no niteny teto hoe ry ianona @ taranany dia voalaza fa niady lova satria hita ao amin’ny tantara sy tetiarana daholo izany. Ka izy aza izany mba misy lova iadiana fa tsy ohatran’ny sasany efa andriana *** censuré *** daholo sa tsy izany ?

    #21664
    Anonyme
    Inactif

    Hum, hum, hum, Nanoratra ihany ianao ry R… rehefa nolazaiko fa misy forum miresaka momba Ravoninoro. Asa raha mbola hiverina hanoratra eto hanohy ny famelabelarana nataonao etsy ambony. Fa Ity misy site tsara jerena ihany koa ka asa angaha fa aleo samy handinika ny tsirairay izao aloha mieritreritra faz marie Louise zafin’i Rasendranoro no tian’ilay vazaha lazaina ao satria izy taizan’i Razafindrahety fa Ravoninoro kosa napetraka teny Iavoloha tamin’ny tante ny dia Rasendranoro fa tsy natao fantatra olona na dia fantatry gallieny aza ny fisiany.
    Forum Ranavalona3 Généanet.

5 sujets de 576 à 580 (sur un total de 814)
  • Vous devez être connecté pour répondre à ce sujet.
error: