Etre Andriana, c'est d'actualité

Accueil Forums Madagascar – Coutumes, croyances, histoire Etre Andriana, c'est d'actualité

5 sujets de 591 à 595 (sur un total de 814)
  • Auteur
    Posts
  • #21681
    Anonyme
    Inactif

    Iza no mamorona ilay antoko vaovao Fanjakana amandRepoblika?
    Mahaliana io. Sady mahafao be no tena miorina amin’ny tantaran’i Madagasikara.

    #21682
    Anonyme
    Inactif

    Ravelonanosy Clovis no manao an-io. Efa ela mihintsy no nihandrasana an-izay hetsika izay. Tena mba hirotsaka mihintsy fa tena tsara ilay hevitra. Mikasika ilay mitondra ny titre hoe printsy na ny hoe SAR de Madagascar dia tokony ho tapahina ny lohany. Izao ko tsy mitonona ho Prince fa raha firazana dia veriko lavitra koa ilay ranamana iny… Ka raha mbola misy re Prince tena izy na taranaka zanakandriana dia aoka mba ho tapahina ny lohan-ny SAR usurpateur e!!

    #21683
    Anonyme
    Inactif

    Adaboy ilay manapa-doha fa mbola izany ve no fahaizan’ny andriandehibe mitondra vahoaka sa efa mahay miaina amin’ny taonjato faha-21.
    Ny razana ambony, ny razana nanjaka samy nanana fa ilay toe-tsaina, soatoavina sy enti-manana ankehitriny no maha samihafa.
    Iza no manankasina ary iza no tendren’Andriamanitra hitondra ny Fanjakana? Izany no tsara hasondrotra ankehitriny fa tsy ny hoe izaho no Sar sa izaho no zanakandriana. Lany andro eo fa ny fandraisana Fanjakana efa tongotra mby andakana ary izay tonga aloha ihany no arahabaina.
    Ka ao ve ny taranaky ny fohiloha, ao ve ny avy amin’i Ralesoka sy Ranavalona, ao ve ny lahimatoan’Imerina, ao ve ireo tsy namadika ny tanindRazana? Efa hifoha ny masoandro.

    #21686
    Anonyme
    Inactif

    Ahoana indray ity Fanapahan-doha ity e?!…Mba nanao hetsika io olona io ary tsy indray mandeha ihany , dia ho atao toy izany ve?!!!
    Toetsain’inona loatra izany?!!!.
    Ny mihesona am-pitoerana ,tsy mahavita afa tsy ny fijerena sy fitsikerana ny zavatra kely mba vitan’ny hafa ve no hamoaka izany fiteny izany?….Mba menatra.
    Taiza ihanao t@ ora nidona?…..Natoritory?. Raha nahay nandray andraikitra ihanao fa tsy nitazam-potsiny, niandry ny zava-bitan’ny hafa ahafahana ‘mitsikera’, dia mazava fa tsy ho afa nihetsika sy hanonon-tena ho Prince etc….izy.

    #21688
    Anonyme
    Inactif

    Azafady, Ny prince Ramahatra printsy fony Ramoma fa tsy izy intsony t@ Razafindrahety toa izany koa ny Rasoarandrana sy ny hafa. Ratsimamanga Rafaralahy sy ny fianakaviana akaiky an’i Razafindrahety (Aza hadino fa mbola misy an’ireo misongona ireo Printsy lazainao ireo) dia ekeko ho printsy farany. Ny Ray amandreniko dia teraka Printsy tokoa terak’i Mahandrihono.
    Ny olana anie dia be ny milaza ho fohiloha kanefa tsy izy akory ao koa no milaza ho printsy kanefa tsy Zanaka Andriana ny titre entiny.

5 sujets de 591 à 595 (sur un total de 814)
  • Vous devez être connecté pour répondre à ce sujet.
error: