Azafady, Ny prince Ramahatra printsy fony Ramoma fa tsy izy intsony t@ Razafindrahety toa izany koa ny Rasoarandrana sy ny hafa. Ratsimamanga Rafaralahy sy ny fianakaviana akaiky an’i Razafindrahety (Aza hadino fa mbola misy an’ireo misongona ireo Printsy lazainao ireo) dia ekeko ho printsy farany. Ny Ray amandreniko dia teraka Printsy tokoa terak’i Mahandrihono.
Ny olana anie dia be ny milaza ho fohiloha kanefa tsy izy akory ao koa no milaza ho printsy kanefa tsy Zanaka Andriana ny titre entiny.
Ny prince Ramahatra dia prince foana satria zanaky ny mpanjaka Ranavalona II izy (nekeny ho izany izy 4 mianadahy zokiny), fa rehefa eo amin’ny zanany kosa dia mialoha làlana @izay Rafaralahy satria izy indray dia zandrin-dRanavalona III, na dia mpirahalahy iray reny izao aza ny zana-dRamahatra sy Rafaralahy.
Izany ange efa resaka mazava nifanaovan’izy mpirahalahy fa spect eny @ pélouse no manisy sira tsy mahalala resa-pianakaviana fa mba te hisisika koa.
Izay no tsy hitonotononam-poana ny izao sy izao satria notezaina fatratra ka manaja mafy ny soa toavina nampitaina, fa ny tsy notezaina t@izany ange no fantatra foana satria tsy mataho-maso mena fa miantsampitsampy e!
Aza atao mankarary fo izany e! Ao Imahandrihono tokoa inenibe, fa izao e tsy printsy isika fa andriana zazamarolahy tsotra izao. Tena milay sy sitrahana izany fa tsy vao noforinina taona vitsy lasa akory ilay titre: ny vodivona, alliance, fianakaviana, tetiarana voatahiry tsara aman-jato taona no porofon’izany fa fony tsy nisy niraharaha aza ny zazamarolahy fa hoe tsy misy intsony hono dia izay foana isika tsy maninona.