Etre Andriana, c'est d'actualité

Accueil Forums Madagascar – Coutumes, croyances, histoire Etre Andriana, c'est d'actualité

5 sujets de 601 à 605 (sur un total de 814)
  • Auteur
    Posts
  • #21696
    Anonyme
    Inactif

    Isika anie miresaka ny andriana, miady hevitra hoe mbola misy dikany ve izany, mbola misy antony ve izany…? Izaho convaincu fa misy dikany sy misy ny ilana azy izany resaka izany. Noho izany, tsy ekeko raha olona tsy manana ny hasina, tsy manana alalana, tsy manana rà no hitondra ny titre SAR de Madagascar any ivelany…

    Angaha rehefa misy tomobil mipetraka eo ka tsy misy chauffeur dia mahazo miditra enao mitondra an-iny satria hoe matoritory ny tompony? Izany tokoa no hoe horakoraka ny an-ny sahona fa ny tsiboboka no tompon-ny rano…

    Mino aho fa matoa betsaka no tsy tia ny resaka fanapahan-doha dia satria maro dia maro ny mendrika ho tapahin-doha noho ny usurpations fanao…

    #21699
    HasinAlasora
    Membre

    Izaho mahalala ny olona tompon’ny farany! te ahalala ianao? ndehana savasavao ny ao @ fikambanan’ny « terakin’ny Manjaka » ho gaga ianao fa ao no izy, ny tompony, ilay tsy nitampoka mandraka androany, ilay tsy mba nisehoseho nefa feno hasina, ilay sahy milazalaza ny @ razany @ olona izay fantany fa mahay mandray sy misaina ary vonona ny hihaino sy handalina. Mety ho maromaro no manana laharana mitovy sy zo hilazalaza ho tompon’ny farany ao @io fikambanana io saingy tsy any an-kafa izany fa ao @io fikambanam-pianakaviana io ihany no mifarana ny fikarohana rehetra. Aza resahina azy izay rehetra tampon’Itsimahafotsy fa hainy satria azy sy ny razany izany, aza atoro azy Imerinatsimo fa tanindrazany, aza tampenana ny masony raha hoeny @ ikakibe Andrianambonimena fa io no ligné direct @ lahy naha izy azy, Izahay???? mpitazana tsotra, namana, mandinika sy mizaha izay fiandohany sy ny fidonany, miandry izay figadony nefa tsy fahanan-dalitra ihany koa fa satria fantatray tsara hoe IZA moa no tompony? iza no mendrika ? aza lany andro @ izay resaka SAR sns fa alalino ny terak’ifohiloha mifampiditra @ Imahandrihono sy izay sahy manitsaka tsy ampihambahambana an’i Rarisambo sy ny toerana nisy ny lapa Voahangy sy ny tampon’imerinatsimo rehetra dia izay terak’Andrianjakanavalomandimby nifampiditra t@ Andriankotonavalona sy ry zareo Mahazaza…io lehiretsy no azoko lazaina fa SAR raha tiana izany a! SAINGY hoy izy mantsy anay hoe izahay Zazamarolahy fa tsy hilaza anay ho zanakandriana izahay satria afa dify ela ny époque monarchique…efa nihoatra ny taranaka faha 7 angaha ?

    #21700
    georges
    Membre

    za mba t ahafantatra ny momba ilay Princesse RAVERO raha mba misy afaka milaza sy mahay tantara. iza moa izy io? iza no vadiny? iza avy ny taranany? raha ny fantatro mantsy dia toa hoe anabavin’i RADAMA II izy. mba omeo fanampin-tantatara aho raha misy mahalala azafady..

    #21701
    tany
    Membre

    Izaho mahalala ny olona tompon’ny farany! te ahalala ianao?

    Raha toa mifanojo ny heritreritrao sy ny ahy,….mbola AO tsara ny mombamomban’io olona io..
    Taranaka faha 5 izy raha toa ka ny lignéen' »Zafikely » no tombatombanana ary faha 6 kosa raha toa ka resaka Génération.

    #21702
    ambodirano
    Membre

    za mba t ahafantatra ny momba ilay Princesse RAVERO raha mba misy afaka milaza sy mahay tantara. iza moa izy io? iza no vadiny? iza avy ny taranany? raha ny fantatro mantsy dia toa hoe anabavin’i RADAMA II izy. mba omeo fanampin-tantatara aho raha misy mahalala azafady..

    Efa maro ny resaka natao teto momba an ‘ Princesse RAVERO ka tsara ianao raha mijery ny post nalefa teto tany amin’ny Septembre-Octobre 2008 tany. Ny hany azoko anampiana momba izay dia zaza natsangan’ny Mpanjaka Rasoherina fony izy mbola Rabodozanakandriana vadibe an-dRakotondradama raha vao teraka tamin’ 1856 ny Princesse sy ny Prince Ratahiry zokiny ary notezain’izy ireo niaraka. Koa tsy anabavin-dRadama II nitaiza azy zany izy kah !!!

5 sujets de 601 à 605 (sur un total de 814)
  • Vous devez être connecté pour répondre à ce sujet.
error: