Etre Andriana, c'est d'actualité
Accueil › Forums › Madagascar – Coutumes, croyances, histoire › Etre Andriana, c'est d'actualité
-
AuteurPosts
-
19/01/2010 à 16h04 #21703mpijeryMembre
Izaho mahalala ny olona tompon’ny farany! te ahalala ianao? ndehana savasavao ny ao @ fikambanan’ny « terakin’ny Manjaka »
Tahaka anao ihany izy ireo, mpijery sy mpitazana, mety manadihady angamba fa tsy mba isan’ny mpanao ankisisika, fa mandalina sy mitahiry. Tsy hahita mihitsy ianao ao hisy hiteny hoe izaho no izy satria tsy fombany izany .
20/01/2010 à 7h28 #21704HasinAlasoraMembreJustement!! tarigetranareo tokoa ny tsy milaza an’izany satria « hono » efa hafatra t@ razanareo ny tsy ilazalazana izany satria zava-masina tsy azo atao kilalao ny resaka fifandovan-kasina ka tsy hivoaka ny seha-pianakaviana atin’Andriana ny resaka – efa mazava aminay mpitazana iny kah – SAINGY, mahasosotra kosa raha toa efa fantatra mazava hoan’izay olona rehetra mahay mandalina sy mandinika ary liana @ famakafakana ny hamaky sy hino fa atsy aminay havanandriana , ao aminay andrianteloray no hilazalaza fa SAR izy. Manaiky aho fa tsy mbola misy ROI izao, tsisy ny andriamanjaka eto Antananarivo SAINGY, na izaho na ianareo dia samy mahalala tsara hoe « iza » no taranak’i Ranona, ary iza no nifanambady t@ ranona ka nahatonga azy tsy ho Zazamarolahy intsony na ho andriamasinavalona intsony. Dia toa izany koa no fijeriko izaho manokana…andrianteloray ny tena ka tsy hanalabaraka tena hilaza tena ho SAR ka hitafy lamba eo imason’ny tompony ankalamanjahana eto, manalabaraka anay andrianteloray izay mifaitsaka tsara sy te hilamina lalandava ny fisisihan’ny olona iray hilaza azy ho SAR, ary hono wa??? fa ny andriantompokoindrindra (lahy) kay rehefa manambady zanadralambo (vavy) dia mba manao akory?? mbola mijanona ho zanatompo ihany ve??? aminay izay niezaka nitana ny hafa-dRay aman-dreny mantsy dia » ny reny no handovana hasina » fa aoka hotsakoina tsara izany vao manandra-tena.
hevitro ny ahy iny aza atao maha-tafitohina fa avereno amiko raha toa tsy mifanaraka aminao20/01/2010 à 15h19 #21705ambodiranoMembreMiarahaba anareo,
Efa mahazoazo taona sy lehibe ihany ny tenako manoratra eto, ary somary gaga sy talanjona mamaky ny voasoratra momba Ranavalona IV sy Ravoninoro Louise. Taranak’i Rainizoely sy Ravoninoro ny tenako ka izao vao mahita fa misy resaka momba ny fianakavianay…ary nahoana Rasendranoro taty aoriana dia nanangana azy ho zanany, aza hadino fa Princesy Rasendranoro dia Zanaka Andriana farany amin’i Ranavalona III ary tera-behivavy. Ny momba io fananganana zaza io kosa indray aloha dia angamba tsy misy resaka satria dia misy taratasy mpanjakana mazava tamin’ny fanjanahantany manamarina azy ary mbola aty amin’ny fianakaviana hatramin’izao. rehefa niverina avy tany Alger ny Prince Rakotomena dia nampitondrai’i Razafindrahety Diadema haterina eny mahamasina misy ny teraka Ravoninoro fahiny, raha misy teraka Rakotomena mifampiresaka aminareo dia mba anontanio anie ny momba an’io Ravoninoro io, dia hitanareo ny filazany ry zareo.
Ka iza marina ary ilay Ravoninoro? ……
Marolahin’n Andriambelomasina sy tera-dRavoninoro.Tsara ny nitondranao fanazavana teto ho an’ireo izay tsy mahalala . Niresaka diadema nentin’ny Printsy Rakotomena avy any Alger ho an’ny fianakavian-dRavoninoro teny Mahamasina ianao ka ity misy adiresy mahaliana ahitantsika ny sarin’ireo firavaky ny Mpanjakavavin’i Madagasikara :
http://www.theroyalforums.com/forums/f20/madagascar-royal-jewellery-25370.html
@n’ny teny anglisy izy io nefa mazava tsara ihany sady miteny ho azy moa ny sary ! (cliquer-na raha tiana halebiazana).
Ny vaovao farany koa izany dia manankevitra ny hampody eto antanindrazana ny taolambalon’ny Andriambavy isany Rasendranoro sy Razafinandriamanitra amin’ity 2010 ity ny fanjakana Malagasy ankehitriny. Hevitra mety tokoa izany satria izy ireo no mbola any ivelany hatramin’izao : ao @n’ny Cimetière St Eugène ao Alger ny voalohany (1901) ary atsy St Denis la Réunion ny zanany (1897) ary Marie Louise zafiny dia ao @n’ny Cimetière de Montreuil akaikin’i Paris (20 Janvier 1948). Raha tanteraka izany dia mety hivoha ve izany ny fasambe misy an-dRahety razamben’ny Mpanjaka ao Ambohipiara hanafenana azy ireo. Asa ho hitantsika eo ihany ny tohiny !
20/01/2010 à 15h30 #21706ambodiranoMembreNy prince Ramahatra dia prince foana satria zanaky ny mpanjaka Ranavalona II izy (nekeny ho izany izy 4 mianadahy zokiny), fa rehefa eo amin’ny zanany kosa dia mialoha làlana @izay Rafaralahy satria izy indray dia zandrin-dRanavalona III, na dia mpirahalahy iray reny izao aza ny zana-dRamahatra sy Rafaralahy.
Izany ange efa resaka mazava nifanaovan’izy mpirahalahy fa spect eny @ pélouse no manisy sira tsy mahalala resa-pianakaviana fa mba te hisisika koaEny tena Prince tokoa Ramahatra tamin’ny androny satria zanaka Mpanjaka rahateo (fantar’ireo izay mahalala angamba ny tiako ho tenenina). Fa ny amin’ny maha zana-dRanavalona II azy no mbola tsara azavain’ireo mahalala : tsy hoe natsangany ho zanakandriana fotsiny ve izy efatra mianadahy zokiny ? Raha tena zanany tokoa manko Ramahatra , Razafindrazaka vadiny koa anefa dia zanany ka nivady mpianadahy ve izany izy ireo ?
Sao dia izany kosa aza no nahatonga azy ireo tsy nivady raha tsy niamboho ny Mpanjaka Ranavalona II (mariazy tamin’ny 23 Aogositra 1883) iray volana taty aoriana. Kanefa ny Tantara ihany dia milaza fa nomen’ny Mpanjaka vodivona holovaina izy mivady izany hoe nankasitrahany ny fanambadiana.Raha ny filaharana fifandimbiasana eo amin’ny fiandrianana (ordre de succession au trône) aloha hatramin’ny 1897 dia Princesse Razafinadriamanitra III zanaky Princesse Rasendranoro no lohalaharana , tsy nisy tsy nahalala izany ny manodidina ny Mpanjaka. Nony tany an-tsesintany indray dia Princesse Marie Louise zanany no nandimby azy mazava ho azy. Koa mety hisy vaovao ato ato raha tafaverina tokoa avy any Alger ny taolambalon’ny Princesse Rasendranoro ka ho avy eo koa amin’izay ny taranak’i Marie Louise.
20/01/2010 à 16h50 #21709MasinaMembreMba gaga ihany ny mahare hoe misy an’ izany jaky mena izany (anarana vao noforonina), dia avy eo misy an’izany teraky ny manjaka izany indray (mbola anarana vao noforonina).
Tsy ho gaga indray raha ohatra ka misy fikambanana hafa indray hipoitra tampoka milaza azy ho tena izy, kanefa raha mihery ireo fotsiny dia samy mahita ny mpitazana fa ao ny mandrorona, ao ny safiotra, ao ny metisy, dia milaza azy ho zanakandriana sy zazamarolahy ary ho andriandehibe.
Koa mila ho mailo ihany ny amin’izany !
-
AuteurPosts
- Vous devez être connecté pour répondre à ce sujet.