Etre Andriana, c'est d'actualité

Accueil Forums Madagascar – Coutumes, croyances, histoire Etre Andriana, c'est d'actualité

5 sujets de 611 à 615 (sur un total de 814)
  • Auteur
    Posts
  • #21710
    Anonyme
    Inactif

    Misy ny jaky mena ka. Hainao ve aloa ny dikany io ? Dia avy eo tao navadika fianakaviambe ilay izy, fa jaky mena no niatombohany. Ilay fianakaviambe indray dia ny andriana rehetra fa tsy ny andriandehibe irery, @ zay miray hina daholo ny andriana tsy mifangaro, zay angamba ny antony ? Rehefa ao anatiny ianao dia hainao ihany ilay izy ny farany fa aza manahy e.

    #21713
    mpijery
    Membre

    Sao dia izany kosa aza no nahatonga azy ireo tsy nivady raha tsy niamboho ny Mpanjaka Ranavalona II (mariazy tamin’ny 23 Aogositra 1883) iray volana taty aoriana. Kanefa ny Tantara ihany dia milaza fa nomen’ny Mpanjaka vodivona holovaina izy mivady izany hoe nankasitrahany ny fanambadiana.

    Nony tany an-tsesintany indray dia Princesse Marie Louise zanany no nandimby azy mazava ho azy. Koa mety hisy vaovao ato ato raha tafaverina tokoa avy any Alger ny taolambalon’ny Princesse Rasendranoro ka ho avy eo koa amin’izay ny taranak’i Marie Louise.

    Efa mazava fa Ramahatra -Razafindrazaka no noheverin-dRanavalona handimby azy.

    Raha ny filaharana fifandimbiasana eo amin’ny fiandrianana (ordre de succession au trône) aloha hatramin’ny 1897 diaPrincesse Razafinadriamanitra III zanaky Princesse Rasendranoro no lohalaharana , tsy nisy tsy nahalala izany ny manodidina ny Mpanjaka.
    Miala tsiny aho fa tsy marina io, tsy nisy nipetraka mazava mihitsy hoe iza na iza no voalohany satria mitovy sokajy ny zanakandriana samy afaka manjaka avokoa arakaraky ny circonstance ary indrindra tsy nilamina ny sucession nampakarana an-dRanavalona III n’inon’inona lazainareo, tsy nisy es qualité intsony nanomboka t@ Ranavalona I fa resaka clientélisme politique, ka aza asiana semblant de cohérence hoe tera-drasoherina e sns satria tsy nisy cohérence intsony io fa ny azo ambara kosa dia mbola sauvé aloha ny essentiel.
    Inona tsara moa ny portée juridique ny lalàna vaovao napetra-dRanavalona 1ère manoloana ny tena hafatra marin’Andrianampoinimerina? Dia mino tokoa ve ianao hoe Ranavalona III no hany tera-behivavy mazava azo nampanjakaina farany?
    Ny olanareo rehetra mpiserasera eto dia heveriko fa tsy te hahafantatra tsotra ny tantara ianreo fa mitady ny hevitra rehetra hanisihana izay soavaly mpihazakazakareo.
    Ny hitako eto dia voromanidina no asiana sira ny maro eto, ary lasa lamaody ity fiandrianana ity fa malaza hoe hievrina hono ny fahefan’Andriana hisy volabe koa angamba antenaina.

    #21714
    mpijery
    Membre

    Hasin’Alasora

    Tsy fanao ny mifampitsikerakera ny tantaran’ny tsirairay, zay tena mafy tsy mihetsi-bolo-maso @izay ataon’ny hafa, fa raha ambony ianao dia ambony foana, fa aleo mba hampiakatra araka izay heveriny fa mety ny hafa, izahay dia tsy printsy sady tsy SAR, tsy zanakandriana, raha misy sahy dia aleo izy haka raha zakany , izahay mantsy mahafantatra fa manan-jina io ka ny tantara tsy mifarana akory fa eo ampanohizana azy isika izao. Ny mitahiry no atao , hatreo ihany.

    #21715
    mpijery
    Membre

    Mba gaga ihany ny mahare hoe misy an’ izany jaky mena izany (anarana vao noforonina), dia avy eo misy an’izany teraky ny manjaka izany indray (mbola anarana vao noforonina).

    Tsy ho gaga indray raha ohatra ka misy fikambanana hafa indray hipoitra tampoka milaza azy ho tena izy, kanefa raha mihery ireo fotsiny dia samy mahita ny mpitazana fa ao ny mandrorona, ao ny safiotra, ao ny metisy, dia milaza azy ho zanakandriana sy zazamarolahy ary ho andriandehibe.

    Koa mila ho mailo ihany ny amin’izany !

    Tsy midika inona ny anaram-pikambanana fa aza mikoropoka na misy roapolo amby zato aza fa aza dia manahy hoe handeha hifaninana akory ny hafa satria misy manisa sira eto.

    Kilalao ny fikambanana fa ny tetiarana, ny vodivona, ny vady vadiana no force ka raha io indray kosa no tiana hanaovana fampitaha dia hiomehy be aho, ça m’amuse.

    #21723
    mpijery
    Membre

    Raiso am-pahatsorana ny resaka, ny mpikambana no manome hery ny fikambanana et pas l’inverse.

    Tant qu’une association n’ a réalisé rien de tangible mais que du bla bla ça reste du bla bla, mpanao balarora ahazoana tombotsoa no betsaka, misy ny efa nanao réalisation + généalogie redoutable là c’est autre chose

5 sujets de 611 à 615 (sur un total de 814)
  • Vous devez être connecté pour répondre à ce sujet.
error: