Etre Andriana, c'est d'actualité

Accueil Forums Madagascar – Coutumes, croyances, histoire Etre Andriana, c'est d'actualité

5 sujets de 661 à 665 (sur un total de 814)
  • Auteur
    Posts
  • #22040
    Ampandrana
    Membre

    Miarahaba anao ry tany!

    Misaotra anao aloha @ ilay valin-teny. Misy olona mantsy efa niresakatamiko dia oe Zazamarolahy ny eo Ankadivoribe.Ka izay no antony nanontaniako anao. Hitako tokoa io aviavy io raha ny fahalalako azy dia t@ nanjakan-dRadama rainy no nambolena azy io. Fangah refa misy aviavy dia vodivona.

    #22042
    tany
    Membre

    Miarahaba anao ry tany!

    Fangah refa misy aviavy dia vodivona.

    Miarahaba anao ry Ampandrana.
    Aza alefa lavitra loatra ny eritreritrao fa mba tsotsory ihany e.
    Tsy vodivona velively ny eo.

    #22043
    mpijery
    Membre

    Zazamarolahy = tetiarana lava reny + fitomiandalana de préférence sa tsy izany ry tany?

    #22044
    tany
    Membre

    Mazava loatra Tompoko…Tsara sy lafatra loatra raha toa manampy tosika sy manatevina izany rehetra izany ny hadivory.

    #22046
    Ampandrana
    Membre

    Miarahaba antsika rehetra indray!

    Hoy ianao ry mpijery hoe Marolahy= tetiarana lava reny+fitomiandalana.

    Kanefa raha ny fahalalako azy dia ny fitomiandalana etsy Alasora dia Andriamasinavalona dia ry Andrianamboninimena. Sa nasondrotra zazamarolahy

    Saika anontany anao izaho hoe avy aiza ny zazamarolahy. Rahany fahalalakoazy mantsy dia ireo tarak’izy efa-dahy zanak’i Andriamasinavalona izay nanjaka teto Analamanga dia Andriamasinavalona dia ireo zaza tsy nanjaka sy ireo fianakaviana.

    Omaly izaho anefa raha niresaka t@ olona iray izay dia nolazainy fa tsy ireo taranaky ny efa dahy zanak’i Andriamasinavalona no atao oe zazamarolahy fa efa tatay ahoriana ireo. Ka lasa mifangaro amiko ilay.
    Ka sao afaka manome fanazavana bebe kokoa momba ny Zazamarolahy ianao.

    Ar aizamarina kay ny nanafenana ny Mpanjaka Andriamasinavalona. Araka ny nolazain’ilay olona ihany fa tsy eo Manjakamiadana no nanafenana azy.

    Misaotra tompoko!

5 sujets de 661 à 665 (sur un total de 814)
  • Vous devez être connecté pour répondre à ce sujet.
error: