Etre Andriana, c'est d'actualité

Accueil Forums Madagascar – Coutumes, croyances, histoire Etre Andriana, c'est d'actualité

5 sujets de 671 à 675 (sur un total de 814)
  • Auteur
    Posts
  • #22208
    Ampandrana
    Membre

    Miarahaba anao ry ketafotsy!
    Ary maninona ny etsy Ambohipeno Ambohimanambola no misy aviavy nefa tsy misy andriana akory fa tsimahafotsy sy zanamihoatra ihany.
    Momba ny zanamihoatra ian koa: ny zanamihoatra dia taranak’i Andriamihoatra izay tetsy Ambohitraina ary ambohitraina dia misy hadivory koa maninona no sokajiana ho hova ny zanamihoatra.

    Misaotra tompoko mialoha @ valinteninao.

    #22233

    Efa 4 taona i RavoninoroLouise no assassiné ny rainy Ratrimoarivony ; talohany naha mpanjaka an’i Razafindraheta izy izany no teraka.

    Efa no tezain’ny nenitoany Rasendranoro tao Ambatobevanja koa izy, ary avy eo rehefa hita fa misotrosotro io nenitoa io dia lasa nimpetraka no taizain’ireo queen garduan , mpitaiza mpanjaka ireny i Ravoninoro Louise ; tamin’izany no nanany ireo frères et soeurs de coeur
    Ranjavao mianadaha avy. Misy an’ireny Dr Rajaonarivony Georges …
    Tsy frères et soeurs de sang aminy akory ireo fa fianakaviana lavitra mpitaiza azy fotsiny

    #22263
    zafimanjaka
    Membre

    ny problématique goavana ko zao de hoe: raha iverina ny fitondran’ny Mpanjaka eto madagasikara, izay efa ilofosan’ny andriana merina amin’izao fotoana izao, iza ary no hanjaka? ny andriana merina, sa sakalava, sa betsileo, sns…raha ny andriana merina no hanjaka, tsy hanaiky an’izany velively ny andriana hafa fiaviana satria hiaraha nahita ny tantara lasa, ny andriana merina dia anisany nanao génocide mahatsiravina eran’ny madagasikara ary namela ratra sy tantara ratsy tamin’ireo mpiray tanindrazana aminy, nanao fanaparam-pahefana ko. mety zay vo tena hisy adimpoko mahatsiravina eto, ary mety ho resy ihany ny merina satria efa betsaka no tsy faly aminy. ka torohevitra de hoe tokony hodinihin’ny andriana merina ihany aloa ny tantara lasa sy izay mety ho vokatry ny izay mety hetahetampon’izy ireo. ny maha andriana dia tokony hiambozonana foana nefa ko tsy tokony hanambaniana ny tsy andriana, fa tia fotsiny ireo mpiray tanindrazana aminy na andriana na andevo na olon-tsotra. être andriana c’est d’avoir un bon coeur mba ho mamy hoditra. fa tsy voatery manambany olona foana akory indrindra amin’ny fotoana tsy ilàna izany. fa manambony tena kosa anefa amin’ny fotoana ilàna izany fa tsy amin’ny teny fa amin’ny fihetsika, ny toetra,amin’ny fombafombany rehetra tsy manimbazimba ny maha andriana azy. indrindra tsy miteniteny foana. tokony hita taratra ao amin’ny andriana foana ny grâce, ny retenue ary ny fierté.

    #22264
    rakotobe
    Membre

    mampihomehy ihany ilay resaka ka ! dia faly mifanebatebaka fotsiny ny ankamaroany ! ankehitriny efa niova be ihany ny sata sy lalàna mifehy ny tany ama-monina : tsy ny rà mikorina ao anatinao ao intsony no maha izao sy izao anao fa efa zavatra hafa toy ny vola, ny fahaizana, sy ny etsetra. mifankatiava ry andriana isany ô peace and love

    #22287
    tany
    Membre

    ny problématique goavana ko zao de hoe: raha iverina ny fitondran’ny Mpanjaka eto madagasikara, izay efa ilofosan’ny andriana merina amin’izao fotoana izao, iza ary no hanjaka? ny andriana merina, sa sakalava, sa betsileo, sns…raha ny andriana merina no hanjaka, tsy hanaiky an’izany velively ny andriana hafa .

    Aza alefa lavitra loatra ny eritreritrao ry Zafimanjaka satria dia misy tokoa ny andriamben’Imerina misy rà iraisana amin’ireo Havany any
    anindrana ary dia mifankalala sy mifandray tsara tokoa izy ireo.

5 sujets de 671 à 675 (sur un total de 814)
  • Vous devez être connecté pour répondre à ce sujet.
error: