Le « fiandrianana » dia averiko ihany fa tsy « titre » fotsiny arak’izay ilazanareo azy fa raha izany dia azo ampitovina amin’ny hoe : Dokotera, proffesseur,Maitre,Jeneraly…..ireo no atao hoe titre satria tsy misy dokotera na proffesseur vao teraka izany fa nisy fikirizana sy fikelezan’aina avy @ilay olona voa tonga @izany toeram-boninahitra izany !
Fa ny fiandrianana kosa dia « Identitée » izany hoe tsy noho ny fiezahanao no maha-Andriana anao fa satria Andriana ny Ray aman-dreninao ka mandova ho azy an’izany ihany koa ianao (tahaka ny maha Malagasy!)
Ka tsy hitako izay hiadinkevitra @izany fa tsy miaina @zava misy isika.
Ny resaka fitiavan’olondroa indray dia samy tompon’andraikitra @ny hoavin’ny taranany ny tsirairay:
-Misy ireo izay mifasidy ny hanoy izay efa natombokin’ny razambeany ka mitandro ny fiandrianany ary izay no mahatonga ny Andriana sasany tahaka anay hifanambady samy izahay!
-Ao ireo izay tsy sarotiny na manao tsinotsinona izany fomba nitandrovan’ny razambe teo aloha izany ka manohitra azy @alalan’ny hanambadiany hova na andevo na hafa..:safidiny izany saingy tokony zakainy hatramin’ny farany izany safidiny izany satria aina no fetran’ny fanambadiany
Raha aravoko dia malalaka ny tsirairay saingy anjarany samy irery ny mizotro @lalana izay nofidiany!