Etre Andriana, c'est d'actualité

Accueil Forums Madagascar – Coutumes, croyances, histoire Etre Andriana, c'est d'actualité

5 sujets de 766 à 770 (sur un total de 814)
  • Auteur
    Posts
  • #22924
    Zanatompo
    Membre

    rafanoko>misaotra indrindra @fanamafisana !be mantsy no mbola mandray ankolaka ka mihevitra fa fanavakavahana io resaka fanambadian’ny samy Andriana io ! aoka re isika merina mba hifanaja ka samy hitazona sy hanaja ny fomban-drazany fa tsy hijabaka sy hitsikera ny an’ny hafa no andeha ho atao eto!za manokana dia tsy mahafantatra ny fombafomba fanaon’ny hova ary tsy izaho no ho sahy hanaratsy izay nampitain’ny razambeany taminy!

    #22925
    Anonyme
    Inactif

    Dia ahoana izany ny taranaky Printsy Ramahatra raha namaky ny bokiny ramamonjisoa suzy ianareo, ireny razafimanantsoa ireny ve andriana ray sy reny izay nikambana tao am jaky mena, razafindrakotohasina ireny ve nanambad andriana oatra azy daolo izay malaza ho sarotiny anefa, ary ry zareo ao anosimanenimerina, tena andriandray sy reny daolo ary ve izy ireo; ireo Andriamasinavalona ao ambodifahitra ve andriana ray sy reny daolo, ary farany iny anosimanjaka hatrany fiakarana ve Andriandray avokoa ary zareo ao ambohitriniandriana ao ve andriandray sy reny….izao mantsy tsy dia mahalala ny valiny loatra

    #22926

    Andriandray andriandreny ny tena manambady andriandray andriandreny fa na dia izany aza ilana fanetren-tena ilay izy.

    Tena tsapako mihitsy t@ fiainako fa izay mahay manetry tena no asandratra fa izay fatra-pidera tena tsy mba mety lasa lavitra. Ary koa ny fanandratantena no mialoha ny fahalavoana.

    Fehiny: samy notezaina daholo isika hoe milay be, fa rehefa mandroso ny taona dia mahita fa misy koa zavatra tsara ny an’ny sasany fa tsy dia hoe ny an’ny tena ihany, na iza io na iza io l’autre io.

    Tiavo tokoa izay anao fa aza mba manambanimbany ny hafa fa zava-doza ny todin’io eo amin’ny fiainanao. Raha misy kosa manivaiva ny anao dia hihomehezo fotsiny RAHA TOA KA TENA FANTATRAO NY VALEUR-NAO, tsy manana revendication atao amin’y olona hafa ianao raha toa ka mahatoky tena ny @ maha-izy anao.

    #22927
    tsinjo11
    Membre

    reveko le fomba fiteninao e!tena voalazanao daholo ny tiko tenenina

    #22928
    tsinjo11
    Membre

    aleo samy andriana ihany no mivady ka.na dia mpisipa fotsiny aza aleo samy andriana ihany.

    Ny tsy fanajana an’io indrindra no miteraka ny tsy fifankazahoana sy ny fifamaliana eo anivon’ny merina fa raha hajaina io soa toavina io dia nilamina sy nirindra ny tany

5 sujets de 766 à 770 (sur un total de 814)
  • Vous devez être connecté pour répondre à ce sujet.
error: