Mise au point kely:
– Ilaina ny mahay tantara, ary harena ho antsika izany.
– Ravalo aloha amiko dia tsy andriana satria ivelan’Imerikasinina ny fasany.
– Amiko, na Andriana ianao, na Hova ianao, na Andevo ianao: ny fahedrenao, ary ny fahaizana amam-pahalalanao no hitsarako anao.
Tadidiko fony izaho nianatra tany amin’ny lycée, nisy namako izay tsy Andriana araka ny tianareo, nefa izy dia tena nahay tokoa, nahay math physique,…..
Ny lazaiko aminareo dia aza de mirehareha loatra amin’ny maha Andriana anao. Tsisy dikany io, ny ataonao no hitsarana anao.
Izay manandra-tena no ahetry, ary izay manetry tena no asandratra.
Aminareo ve zany de hoe ny Andriana no miditra ny fanjakan’ny lanitra?
Tsotra ilay izy e, ilaina ny fahafantarana ny firazanana misy anao, fa ny fiheboheboana, sy ny fanambaniana ary ny fanaratsiana ny hafa no fadio!