Etre Andriana, c'est d'actualité

Accueil Forums Madagascar – Coutumes, croyances, histoire Etre Andriana, c'est d'actualité

5 sujets de 236 à 240 (sur un total de 814)
  • Auteur
    Posts
  • #20730
    Anonyme
    Inactif

    Sarasara ny Andriana

    Votre prophète avait prévu ce qui est en train de se dérouler: « hisy rà mandriaka ».
    ll a aussi prévu un changement drastique et un retour aux sources avant 2010: « taom-jobily ».

    Ce pays attend dans la douleur comme dans les affres d’un accouchement l’avènement de celui que Dieu désigne pour le conduire et raviver son honneur historique : le Hasina.

    Madagascar rejoindra alors le rang des pays véritablement bénis sur cette Terre: la Norvège, la Suède, le Danemark, le Royaume Uni, le Canada, l’Australie, le Japon, le Luxembourg, Monaco, les Pays-bas, et tant d’autres pays qui se reconnaissent par le niveau et la qualité de vie de leurs habitants et par leur régime particulier basé sur le respect d’ symbole absolu: leur souverain et d’une foi partagée en Dieu.

    Ce symbole de pouvoir se transmet par le sang et vient de Dieu:

    ANAO NY ANIO FA AHY NY FARANY !

    #20735
    Anonyme
    Inactif

    Sarasara ny Andriamanjaka
    Tsarava tompoko ny Andriana

    Aza manahy ianao ry « ahy ny farany » izay nanapaka ny nosoratako tery amin’ny ilany.
    Tsy maintsy ho voahaja daholo ireo hafatry Ikakibe isany ireo.
    Ka na avy amin’i Ralesoka sy Rasoherina aza, izany hoe taranaka mivantana avy amin’ny Ombalahybemaso dia tsy maintsy ho loharano nipoirana sy kibo nifono ihany koa Andriantompokoindrindra lahimatoan’Imerina toa an’i Andriamasinavalona.
    Saingy izao: taranaka mivantana fa avy amin’ireo izay efa voatendry ny Ombalahybemaso ho Zanakandriana.
    Ka tazano ary hoe iza no avy amin’i Ralambo, avy amin’Andriamasinavalona, avy amin’i Andriambelomasina, avy amin’Andrianampoinimerina, avy amin’ireo notendreny ho Zanakandriana, ka ny reniny Andriatompokoindrindra.
    Dia ampiako hoe: teraka tsinan’alahamady toa ireo Mpanjaka lehibe razany.

    Dia mivonona.
    Mahaleova sy mahalasàna.
    Trarantitra aza marofy.

    #20736
    Anonyme
    Inactif

    Ka tazano ary hoe iza no avy amin’i Ralambo, avy amin’Andriamasinavalona, avy amin’i Andriambelomasina, avy amin’Andrianampoinimerina, avy amin’ireo notendreny ho Zanakandriana, ka ny reniny Andriatompokoindrindra

    Tsy misy seza alaina aza efa maro ny mitsangana ho tompon-toerana, maika fa ahazo seza fiandrianana, koa tsy aman’alina ve no hitono tena ho mpanjaka ?

    #20737
    Anonyme
    Inactif

    Tsy maro loatra toa ny heverinao izy ireo satria tsy voalazan’ilay nanoratra tetsy ambony fa tsy maintsy tena andriana izany hoe andriandray andriandreny no asondrotra. Tsy mba isan’izany ny safiotra sy ireo izay mitampoka.
    Ary aza dia manahy fa efa mifankahalala anie izy ireo satria efa ela ihany koa no niomana

    Faharoa tsy seza io sanatria fa sata. Eo foana no mahadiso ny maro.

    Fahatelo olona mba nivonona amin’izany fitondrà-pirenena izany ihany koa fa tsy izao atsanga tsy aman’orana rehetra manonontena izao. Ka iaraha eken’ny be sy ny maro ny maha mendrika sy ny maha hendry azy eo amin’ny fitantanana sy fanomezana fahafahana sy fahasambarana ny bemihisatra.

    Fahefatra: ny mahagaga ahy kely dia naninona no navoaka imasom-bahoaka eto izao resaka izao. Mila fahanginana sy fahamalinana anie ny maka fanjakana fa sao dedaka tonga rafozana ka atody akoho ny loaka nefa famaky no ranitina.

    #20750
    Anonyme
    Inactif

    TOMPON’ NY FARANY IHANY NO TENA TOMPONY E !

5 sujets de 236 à 240 (sur un total de 814)
  • Vous devez être connecté pour répondre à ce sujet.
error: