Diso izany filazanao izany. Ohatry ny miteny ianao hoe tsy mino an’Andriamanitra na an’i Jesoa ny Mpanjakan’i Norvezy na ny Mpanjakan’ny Anglisy na ny Mpanjakan’ny Soeda na ny Mpanjakan’ny Espana na ny Printsy ao Monaco. Ary jereo anie ireo mpitarika ny fikambanan’ Andriana eto Madagasikara fa lehibe na mpitarika fiangonana Kristianina no maro amin’izy ireo. Diniho iza no mpitarika ny Tamima, ny SG any aza Mpitandrina, jereo iza no mpitarika ny Jaky Mena, jereo ny cardinaly zokiny…
Iza no naha Mpanjaka an’i Saoly na i Davida na i Solomona? Moa ve tsy Andriamanitra? Sa nataony hoe prezidàn’ny repoblika? Ary nahoana no ataon’i Jesoa hoe Fanjakan’ny lanitra fa tsy hoe repoblika ny lanitra?
Raha mahalala ny tantara ianao dia fantatrao fa nanomboka tamin’i Ranavalona II dia nandray ny fivavahana kristianina ny Andriana.
Dia raha mbola mandinika lalindalina kokoa ianao dia ho hitanao fa frimasao ireo namorona ny repoblika sy ny lalam-panorenana. Jereo anie ny La Frantsa na ny any Amerika USA.
Fehiny diso ny milaza fa raha mino an’Andriamanitra sy Jesoa dia tsy misy intsony ny Andriana. Ny mifanohitra amin’izany no marina satria Ireo aza no tena manondro hoe Iza no Andriana ary Iza no Mpanjaka. Voa miha mafy orina amin’ny firenena kristianina izany hoe Fanjakana entin’Andriana izany. Eto an-tany dia ireo firenena ireo no mahasoa sy mampiadana indrindra ny mponina ao aminy.