Etre Andriana, c'est d'actualité
Accueil › Forums › Madagascar – Coutumes, croyances, histoire › Etre Andriana, c'est d'actualité
-
AuteurPosts
-
29/08/2009 à 16h01 #21099AnonymeInactif
Être noble au sens pur du terme, c’est descendre de rois et de princes malgaches, mais surtout être noble de père et de mère .
C’est dans le sang. La valeur du sang noble est à , bien sûr, compléter avec la valeur du coeur et de l’esprit.
29/08/2009 à 20h00 #21100AnonymeInactifIzahay aloha andriana fa tsy noble. Andriandray, andriandreny. Manahirana be ilay ato hoe noble, satria io misy dikany dia misy dikany tokoa any amin’ny tompony any am-pita. Na dia amin’ny teny vahiny aza, aleonay atao ihany hoe « andriana ». Misaotra tompoko.
30/08/2009 à 15h32 #21102AnonymeInactifAndraikitra sy adidy ny maha andriana. rehefa tsy mahatanteraka sy tsy mahafehy izany ianao na mpanjaka aza dia voaongana. izany no nahatonga ny joe manjaka tapany. ny andriana tsotra indray dia na atao sesitany na aongana ho ka izany no hisian’ny zazahova. NY andriana koa mitondra ny hasina izay entina hanasoavana ny manodidina sy ny fiaraha-monina. ekeko fatsy rafi-piarahamoninan intsony ny fiandrianana. tokony hipetraka foana ao anatin’ny taranaka rehetra izany izay toetra mahaAndriana izany na aty anaty repoblika aza i Madagasikara. ny ankoatra izay fireharehana sy fizahozahoana izay inoako marimarina fa tsy nananan’Andriamasinavalona (ilay mpanjaka io) sy Andrianampoinimerina. Andriana tsy mihoatra an’ireo. tsy ani’isan’ilay mifamaly teo an!
30/08/2009 à 20h42 #21105AnonymeInactiffanontaniana kely hoa anareo mpahay tantara ireto: sao dia tokony hievrenana hatrany amin’Andriamasinavalona ny fandinihina ny tantara mba hahafantarana marina izay tokony hanjaka. ho anay Gasy petaka mantsy dia ota-fady teo amin’ny fandovam-panjakana no nahatonga ny hova lasa najakazaka taorianan’i Andrianampoinimerina sy Radama. izany no tenenina dia mba tsy hilazana fa nanomboka tamin-dry hagamainty sy ry rabefiraisana no nanomboka nadavaka ny hovalahy ka nahazo fanjakana taranaka roa taty aoriana. ady hevitra hafa an!
02/09/2009 à 15h07 #21114ambodiranoMembreMiarahaba anareo am-panajana daholo.
Tsara ny ady hevitra eto ary zaho koa mino fa mbola hiverina ny Mpanjakavavin’ i Madagasikara. Tsy ho ela aza angamba izany fa hiakatra ao Manjakamiadana @ 2010 io Ny Andriana dia Ranavalona IV izany sady tsingerin’ny 400 taonan’ Anatirova n’ Antananarivo @ izay.
Tsara ho fantatsika izay tsy mahalala manko fa namela tarana-behivavy daholo na Razafindrahety Ranavalona III avy @ Ravoninoro zanany vavitokana na ny Andriambavy Rasendranoro rahavaviny avy @ ndRaketaka zana-dRazafinandriamanitra III t@ Edouard Andriantsalama izay zanaky ny Andriambavy Ravero sy Philippe Razafimandimby Zazamarolahy. Ny tarana-behivavy ihany @ko no mitondra sy mamindra ny Hasina ahafaha-manjaka… ho anareo andriandray sy reny be dia be eto. Izaho dia Andriana mifangaro Andafiavaratra @ lafiny ilany ary raha nahazo fanjakana ny Andafiavaratra dia noho ny tanjaky ny volany sy ny tafika baikony aza adino koa anefa ny Andafiavaratra dia taranak’ Andriampirokana nanjaka teto Analamanga talohan’ Andrianjaka izay zafin’ anabaviny ihany tany @ 1630 tany. Izany hoe ny Andafiavaratra dia avy @ ny Antehiroka nanjaka talohan’ny Andriana…. Koa misokatra ny ady hevitra tompoko. -
AuteurPosts
- Vous devez être connecté pour répondre à ce sujet.