Etre Andriana, c'est d'actualité
Accueil › Forums › Madagascar – Coutumes, croyances, histoire › Etre Andriana, c'est d'actualité
-
AuteurPosts
-
13/09/2009 à 11h53 #21134AnonymeInactif
Raha tsy miverina amin’ ny tompony,
tsy milamina ny tany sy ny firenena !13/09/2009 à 19h15 #21135AnonymeInactifNy Sakalava, na Boina na Menabe, izay mbola mametraka ny toerany Ampanjaka amin’ny tokony hisy azy koa ohatra tsy manaiky ny hanjakan’ny hafa amin’ny taniny (tsy nanaiky ny fanjakan ‘andriana merina mihitsy hatramin’ny farany), tahaka izany koa ny Tanala izay mbola manana ny mpandova ny fanjakany, ny Mahafaly sy ny Antandroy, izay tsy nahafantatra mihitsy izany Andrianampoinimerina sy Ranavalona izany, ao koa ny Betsileo izay nitolona tamin’ny mpanjanaka merina hiverenan’ny fiandrianany tahaka ny nitolomantsika tamin’ny vazaha tamin’ny 1947, tahaka izany koa ny Antankarana sy ny sisa. iza amin’ireo no tena tompon’i Madagasikara? hanaiky ny ho ambany razana mihoatra ny merina ve ireo rehetra voalaza ireo ka hiankohoka eo anatrehan’ny mpanjaka merina tahaka ny any amin’ny fanjakan’Andriana rehetra. raha samy manjaka any amin’ny fanjakany dia mety: ny taranak’Andrindahifotsy manjaka @ azy, ny an’Adriamisara manjaka amin’ny azy, ny an’Andriamanalimbe manjaka amin’ny azy, ny an-dRamakararo sy Ralitavaratra manjaka amin’ny azy. Inona intsony no maha iray ny Nosy @zany. ary raha fakafakaina lalina, ny an’ny Merina ange no tena tsy misy fitohizany ny fombafombam-panjakan’Andriana fa ny an’ny foko hafa dia mbola manana ny anjara-toerany ny ampanjaka.
17/09/2009 à 10h53 #21138ambodiranoMembreMamaly anao manao resaka mampme io aho fa izao no hany mba fantako :
– Hitovizako hevitra @nao hoe be dia be ny diso @ tetiarana @ Internet fa atao ahoana moa fa izay aza niezaka nanao fa izahay mahalala ny tena marina dia irariana mba hizara
– ny resaka Ranavalona III indray dia manana ny site azy ny tera dRavoninoro Louise (1878 Faravohitra – 1947) sy Rainizoely vadiny dia ho ho hitanao ao fa namela zanaka 12 izy ary vehiavy ny 6 @n’ireo izay namela taranaka maro dia maro. Tsy mbola nisy nihambo teto hoe Zanakandriana rizareo fa ny fisiany fotsiny no tiako hizaraina @ ny izay tsy mahalala. Ho anao moa tsy mino dia anao izany fa ao ny sary jereo fa tsy afa-mandainga ny sary é…. Ny antony niafenany dia izy no mahalala fa mety hoe tsy nanjaka Razafindrahety raha fantatra hoe efa niteraka satria avy @ Rainilaiarivony ny hevitra ary betsaka ny hevitra milaza fa izy no nahafaty tanora andRatrimoarivony vadin-dRazafindrahety ary rain-dRavoninoro t@ 8 Mai 1883…
– Manaraka indray ny momba ny « tera-dRasoavero » hoy ianao dia fantaro fa tsy ny Princesse Marie Louise zanakin’ny Princese Razafinandriamanitra ary teraka t@ 14 Mars 1897 tany St Denis de la Réunion no resahiko izay zanaka officier frantsay (métis zany izy) fa ny zokiny teraka teto t@ 1896 ary zanak’ Edouard Andriantsalama lahimatoan’ny Princesse Rasoaveromanana na Ravero sy Philippe Razafimandimby Zazamarolahy. Ary tsy « Rtoakely Marie Louise » izy satria nanambady an’i André Boshard tany France ary maty tany t@ Janvier 1948. Misy milaza fa niteraka vavy Marilise de Vilmorin izy fa tsy voamarina sady tsy maintsy ho nafenin’ny frantsay fa ny sources ahazoana ireo dia « Ranavalo la derniére Reine de Madagascar » de Maarie françoise Banier.
– Raha momba ny taranany sy ny hoe iza no vadin’ireo taranany dia mbola hivoaka tsy ho ela ary tsy hisy hisavika ny anjaran’ny sasany izany eto fa ny tsy manana anjara no toa be dia be ary ny hisisika @ seza fiandrianana koa dia tsy izany no tanjona fa izay eram-bahoaka ihany fa « monarchie constitutionelle » no fenitra iraisana. Midika izany fa ialohavana latsa-bato avy @ vahoaka ambanilanitra. Fa tsy aleo ve izay no lalana tsara indrindra raha mendrika sy manana ny sata sy mitondra ny Hasina feno ny Andriamanjaka ho avy eo …
– Lavitra ahy ny nieritreritra hoe ny Antehiroka no hiverina hanjaka eto fa ny tantara no nampatsiahiviko hoe Rainilaiarivony sy ny Andafiavaratra no nahazo fitondrana ( fa tsy fanjakana azafady ) dia noho ny volany t@ izany andro izany sy ny miaramila teo ambany fifehezany sy ny fianakaviany. Ary izany dia tsy tsara ny hivererenany , izao manokana terak’Andafiavaratra aza no miteny an’izany. Iaraha-mahalala koa fa nanararoatra ny fivakivakisan’ny Andriana t@n’izany fotoana izany izy : betsaka no mahalala fa nisy ohatra ny clan Printsy Ramahatra sy ny andaniny Printsy Ratsimamanga. Tokony hisy izany ny firaisankinan’ny Andriana izay akaiky « Fanjakana »…
Ny Antehiroka koa dia zana-dehilahy, zana-dahy no mandova sata, ka ny terak’Andriantsimandafika no tena izy fa tsy izay milaza azy ho be sandry. (vakio ny TA sy ny bokin- dRakotovao)
Hiady laharana hanala-bara-tena @izany angaha ny sasany aminareo? Mazotoa e! Ny hadalana omaly ihany no mbola misy ta hamerina anio, tsy hay mantsy ny nandray lesona t@ omaly.
17/09/2009 à 13h05 #21139AnonymeInactifAry tena nahomby kosa aloha ny taktikan’Andafiavaratra e! zao mikirontana miady « légitimité » ny andriana. tsy fantatra tsony hoe iza aminizy ireo no tena tompony. same te lohany daholoko na izany aza. ny fanafodiny samy miverina any amin’ny vidivonany sy ny menakeliny dia manao izay hivoaran’ireny haingana dia haingana. ireny indray avy eo no amboarina entina atao base électorale hangalana fahefana tsikelikely. rehefa samy mahafehy ny azy ny isam-bohitra dia atambatra indray ny hery hangalana ny distrika dia tahaka izay hatrany hatrany mandra-pahazo an’Antananarivo manontolo. mety hoe tsy fanjakan’andriana intsony izao nefa raha izany no tanteraka dia an’ny andriana ihany ny fahefana. hahatongavana amin’izay nefa dia tsy maintsy miezaka mampangina ny ambo-po aloha ny tsirairay satria tsy ny hoe taranaky ny avy atsy irery na ny avy atsy no zava-dehibe fa ilay fanjakana naorin’Andriamasinavalona tamin’izany no hatambatra ho iray indray. raha vao misy iray te hisongadina dia rava indray io satria tsy tafatambatra iray mitsy. tsy fantatra mety ho andriana niainga avy amin’izay vondrona sy stratejy izay no hahazo ny fahefana indray andro any. ny olana koa manko indraindray dia mihatakataka amin’ny fiaraha-monina sy ny vahoaka ny andriana ka tsy manana « influence » aminy intsony. fotoana angamba izao hirotsahana ho an’ny tsirairay.
17/09/2009 à 20h34 #21140AnonymeInactifHay va re e! Dia mahagaga raha tsy zafikelin-dRamatoa Ravero i Marie Louise no dia nanangom-bola ery izy handehanana any an-dafy hijery ny ankizy dia ahoana ilay fihaonana t@dranomaso tao parisy t@ Ranavalona III sy ny zazakely? Ny tena aloha tsy matoky loatra ireny boky atao tantara foronina ireny, ilay boky iray aza moa milaza fa annobli hono Ratrimoarivony, mahatalanjona!!
Izahay tsy miditra fa ho raharaha ny ady laharana e! Tsy hifidy aloha satria tsy nitaizana anay teraky fohiloha ny fifidianam-bahoaka hahalalana izay tompon’ny HASINA eo amin’ny Andriana.
Donc:
A ma gauche la prétention ici présente.A ma droite des descendants de Rakalobe se réclamant également d’une fille unique de Ranavalona III, et affirmant disposer de preuve irréfutable. Au moins nous savons qui c’est Rakalobe, qui a failli être reine, et disposant d’un vodivona de notoriété publique à Anosiarivo.
Tsy miditra ho aho fa antomboy e! Ny tetiarana tsy valider-na fokonolona, fa aoka ho samy ho hitan’ny havany ( tsy péjoratif akory izany).
Ilay prétention fahatelo aleo tsy lazaina akory, fa efa niteny ry zareo fa tsy mila hasehoseho saingy manana ny lanjany kosa, satria ny tera-dramatoa Razafinandriamanitra II dia efa nilaza fa efa henony tao @ fianakaviany ity resaka fahatelo ity. Rafotsibe Razafinandriamanitra anie mbola taty aorian-dramatoa Raketaka vao nodimandry e, sady @izay efa nanjaka tsara ery Razafindrahety. Ny toerana ilevenan’ireto koa dia andriana tsy iadian-kevitra.
Tsy haiko fa izay hifanosehanareo fa aleo hangina @izay ny tena, ndrao hilaza ny tsy fitantara am-pahibemaso. Samy manaova izay mahafinaritra e!
Aleo tokoa ny vodivonan’ny tena no karakaraina mba tsy lazain’ilay havana iray ao hoe seza fiandrianana taho-mangahazo.Azafady indrindra tompoko, mety azo ambara eto ve raha tsy mahadiso ny vodivonan’ilay prétention ici présente?
-
AuteurPosts
- Vous devez être connecté pour répondre à ce sujet.