Etre Andriana, c'est d'actualité

Accueil Forums Madagascar – Coutumes, croyances, histoire Etre Andriana, c'est d'actualité

5 sujets de 326 à 330 (sur un total de 814)
  • Auteur
    Posts
  • #21149
    ambodirano
    Membre

    Raha teto Antananarivo indray dia nanana trano maro izy mivady toy ilay teo Ambatobevanja izay trano avo tapenaka be atao hoe trano sokera miendrika hôtel particulier any Frantsa hita @ sary Fonds Grandidier. Io ambany avaratry ny Dispensaire ankehitriny io ny toerana nisy izany eo am-pitandalana atsinanana. Hoy indray ny FIRAKETANA pejy 272 ao @ ny hoe Ambatobevanja : « Ny tranon’ny Andriambavy Ravero isan’ny trano tsara tarehy indrindra t@n’ izany dia io itoeran’ny Lehiben’ny Douanes ankehitriny io. Filipo Razafimandimby vadiny no nanao ny maritrano. » Mbola nisy tananany koa teo Andrefan’I Mahamasina izay mirefy hatrany @ 5.000m2 tamin’izany andro izany izay lasan’ny Architecte Antoine Jully taty @ taona 1904. (Demeures royales…Didier Nativel ihany)

    Mampalahelo anefa fa efa nirodana io trano tsara tarehy teo Ambatobevanja io izay nanome endrika ny toerana teo raha mbola nijoro izany tany @ faran’ny taona 1970 tany. Ny fototra sisa no mbola eo, fototra vita @ vato voapaika sy voarafitra tena tsara tarehy toy ny fototry ny Lapa Masoandro eny Anatirova mbola ao koa. Mampalahelo hoy aho satria ataon’ny olona eny fanariam-pako sanatrian’izany ankehitriny ilay toerana nanan-tantara taloha. Angamba lasan’ny fanjakana ankehitriny izy io ary toa niadivana mafy t@n’ny fotoana farany nitondran-dRatsiraka t@ 2001 ireny fa nisy ny afera « VILLA ANTOINETTE » dia nisy afera « VILLA… » tsy tadidiko intsony ny anarany nivoaka an-gazety koa. Dia kontenera sy fako sisa no eo izao isika miresaka izao nefa tokony ho Vakoka ho an’ny Fomba sy Tao-trano Malagasy raha mba voatahiry teo ilay trano.

    Torak’izany koa dia mampalahelo ny fasana iafenan’ny Zanakandriana ANDRIANTAHIRY na Prince RATAHIRY eny Mandrosoa amin’ny Tantsaha ety amin’ny faritray Ambodirano ihany. Mbola asiako resaka ihany izany @ manaraka. Tsara manko ny ikarakarana ny misy azy avy raha mbola azo atao ihany araka ny resaka ataontsika eto. Izany dia natao mba hiverenan’ ny fifamatorana eo @ ny vahoaka sy ireo nanjaka teo aminy t@n’ny andron’ny Fanjakana Merina fahizay. Adidintsika angamba izany @n’izao andro iainantsika izao.

    Farany tsarovana manokana eto anio 21 Septambra 2009 ny faha 101 taona katroka niambohon’ny Princesse RAVERO t@ ny 21 Septambra 1908 teto Antananarivo. Tena andriana tao andRova akaiky ny Mpanjaka t@n’ny andro niainany rehetra izy noho ny fiaviany satria zanaky ny Prince Ratsimamanga (maty notifirin’ny mpanjanaka t@ 15 Oktobra 1896) sy Razafimanjaka Zanakandriana zanakavavin’ny Prince RAMONJAMANARIVO na RAMONJA anadahy zokin-dRanavalona II izy. Maty teo am-piterahana azy t@ 1856 ny reniny izay toa efa natsangan’ny Mpanjaka Rasoherina fony izy Rabodozanankandriana t@n’izany , izay tsy niteraka moa. Ary noho ny alahelony azy dia natsangany izy mianadahy zanany Prince Ratahiry sy Princesse Rasoaveromanana. Avy @ndrainy izany dia zanak’olo mianadahy (Ratsimamanga sy Raketaka) Ramatoa Ravero sy Razafindrahety lasa Ranavalona III ary toa tsy firesaky ny Boky loatra io lafiny io fa ny hoe zanaka natsangan’ny Mpanjaka Rasoherina sady nandova azy rahateo no nahafantarana azy.

    Arak’izany dia manana rohimpihavanana @n’ireo Mpanjaka nanjaka farany teto rehetra ny Andriambavy Ravero satria :
    Ranavalona I dia rahavavindrenin’ny Prince Ramonja
    Radama II sy Rasoherina nitaiza azy
    Ranavalona II izay nametrahan-dRasoherina azy mianadahy teo am-pialanaina dia anabavin’ny Prince Ramonja rahateo
    Ranavalona III dia ‘cousine germaine’ –ny hoy ny teny frantsay

    Niharan’ny fambaboanan’ny frantsay mpanjanaka ny fananany izy mivady ary mety ho nitarika ny fahafatesany tamin’ny taona 1908 izany teo koa ny namoizany ny zanany maty mbola vao erotrerony.

    Mety tantara mbola tsy ren’ny mpamaky sasany eto izany rehetra izany koa dia natao hozaraina @n’izay rehetra liana @n’izany.

    #21156
    Anonyme
    Inactif

    Azafady fa izao vao nahita ny reska eto indray dia hamaly kely ihany fa voan’ny fotsiaritra,
    mampalahelo indrindra raha tsy mahalala ny zana-dRatrimoarivony ny iray tampo aminy sy ny zanany, anefa anie Ramatoa Rasoamihanta sy Razafindrahety vadin’ny mpirahavavy mba nifankahazo resaka ihany, ary Rampelasinimoro sy Rasoarandrana dia tsy nisaraka mihitsy t@ Ratrimoarivony mandra-pahafatiny. Tsy mba niresaka izany Rabison indrindra Razafintsalama izay mpitahiry ny tantaran’ny fianakaviana.

    Angamba tsy dia haintsika loatra fa tsy maintsy miakatra an-drova ila ho isan’andro ny zanakandriana, dia ahoana no nanafenan-dRazafindrahety ity kibobeny sady tsy nahalalan’ny fianakaviana izany ? Marihiko etoana fa 1879 ny mariazin-dRazafindrahety sy Ratrimoarivony, (talohan’izay izany izy no niteraka ?) ary tsy prévu ny hanjaka mihitsy Razafindrahety t@io, efa nanakaiky ny fahafatesan-dRanavalona II vao nandeha ilay fiheverana, ary heveriko fa adala Ratrimoarivony raha niray hevitra ny hanafina ny zanany (h@ iray tampo aminy aza) hahazoan’ny vadiny fahefana raha nisy izany satria tsy nisy tombontsoa ho azy izany na kely aza fa efa mazava fa hahafaty azy.

    Raha ny fiaingany avy any ato ho ato hisy koa hilaza fa zana-dRapelasinimoro, ho hitantsika eo anie e! Efa dila ny zato taona dia tsy sarotra ho an’ny sasany ny mandraikitra Tetiarana @ izay rantsana tsy manan-taranaka fa ny ahy dia averiko indray: NY ANDRIANA MIRA MPIHAVANA! Ny avaratra na atsimo na atsinanana na andrefana satria tsy nisy nanambady iray tampo ireo, raha tsy hoe angaha efa nivoaka ny lova tsy mifindra tanteraka ka nisy reniben’ny reninbeny andriana taloha tany kanefa raha izay, hitady hialoha làlana an’iza eo, sa hiady laharana amin’iza?

    He ny terak’Ambatomanoina? Moa va tsy miditra eny Anosivaratra? Ny eny Ambohipiara eny maniton’imarovatana, Ny eny Fenoarivo eny Ambohjanaka, ny eny Mahazaza eny Ikaloy, ny Ambohidrabiby eny Andramasina, Ny eny Ambohijoky eny Ambohidrapeto, Ny eny Antantsaha eny Ampahitrosy, ny eny Beravina eny Ambohimalaza, ny eny Anosiarivo eny Andranosoalaza sns tsy hita ho tantaraina fa raha izany tanindrazan’andriana izany anie ka mahenika an’Imerina e!
    Izany no tsy mba itonotononana Tetiarana satria nototriété public eo @ Mpihavana ny tetiarana sy ny vodivonan’ny tsirairay fa tsy hoe akory nisy nafenina teo, lasa mythique ity Tetiarana ity, kanefa ny nitaizana anay dia rohim-pihavanana fantatra hatrizay, ny havanay na saoferana taxibe aza fantatray foana satria mazava ny vodivonany, ny fihavanana, ny fianakaviana. Vao tsy ela izay, nisy fianakaviana lavitra avy amin-drenibenay (avy amin’ny raibeny) tsy fantatra mihitsy, fa gaga fotsiny fa mitovy anarana sy anaran-drazana vao nifanontany kely dia aoka fotsiny, taiza no nisy ilay dadabenareo, tetsy ananona aoka fa havana e, nafatrafarana taminay tokoa ny havana tetsy ananona, eo koa vao fantatra fa ny vadin’ny rahalahin’ny dada anie ka cousine-ny e ary ny vadin’ny cousin-ny an’ineny koa!

    Raha misy mitonona ho terak’olona iray dia ataoko angamba fa ny fanontaniana mipetraka avy hatrany dia ny hoe aiza moa no milevina ny nipoirany, ary raha mitonona azy ho atinandriana dia fady impito mandifotr’olona ny fomban’ny Tsimialonjafy @ fasan-drazana sy ny tanindrazana.

    Hevitra tokoa tera-bary fa ny mahazatra antsika h@izay ataoko isika ho an’izay nitovy fitezana tamiko satria tsy mba lavitra antsika ny 200 taona, ialana tsiny tompoko raha manafitohana dia tsotra ihany:
    1) Ankoatry ny tanindrazany, Dadabe roa sy nenibe roa ny olona iray, ary toa izany koa ny vadiny eo angaha vao manomboka ny tena atin-dresaka. Antony: fantatra avy hatrany ny soatoavin’ny fianakaviana ahalalana ny marina ny aminy, ary heveriko fa manomboka eo dia tsy ho afaka ny tsy hanan-kavana ao @ireo fianakaviana efa fantatra hatrizay ny loharanony. Raha ny havana akaiky tsy hiadian-kevitry ny rehetra fa sady tompon’Ambohipiara ohatra dia: ny Teraky ny Printsy Dr Rafaralahy Ratsimamanga ka izay manodidina an-dRanavalona faha-III dia havany ary Atinandriana ny ray aman-drenin’ny printsy dokotera sy ny ray aman-drenin’ny vadiny. Izay ekeny fa havany ihany no havany aminay, fa ny tsy mahalala Tetiarana aza no tonga any, dia izy no manazava tsotra, ry anona anie ka havan-draibenareo e! Mbola nisy aza ity hoe ry anona anie ka havanareo avy amin’ny rain’ny raibenareo e, nefa anie ity rain’ny raibe ity ka teraka manodidina ny 1860! Ry Razanabolamena izay nanaranaka eny Anosiavaratra aza mbola fantany fa havany fa taranak’Ambohipiara. Vao haingana izay nisy atinadriana nodimandry, tsy ho hitanao ao anaty internet velively ny tetiarany fa nanontaniana izy hoe fantatrareo ve ireo i …., edrey..zanaky ianona e, dia misy havany eny ananona, dia ry anona no havam-badiny, dia ny cousine-ny nanambady an-dranona, dia ny zanany nanambady an’ianona, aoka fotsiny ho aho fa tsotra re ny navaly azy: tsofy rano re hahaleo hahalasa izahay zanaka e! Amiko manana hasina mahery vaika ireo olona ireo sanatriaviko ny hiambo hialoha làlana azy na dia Zazamarolahy aza ny tena. Ary na dia terak’Andrimabelomasina sy Rasoherina amin’ny branche misimisy ihany aza ny tena dia tsy mba mpiady laharana fa manaiky fa centre ireo.

    Ny tera-dRasoarandrana indray dia maro, izay ambarany momba an-dRatrimoarivony no ekeko fa marina satria mbola misy laharan’ny zafikely mivantana ao, efa bebe taona ihany izy dia ndehana mamangy azy na ny zanany raha toa ka havany e! Rehefa miresaka fihavanana any mantsy ela dia ela ery satria voatety daholo ny fianakaviana iraisana. Ka raha nanan-janaka Ratrimoarivony dia cousine germaine-n’ny rainy izany ary dia mahasakodiavatra ihany raha tsy manana rohim-pihavanana aminy sy ekeny kanefa mitonontena havany. Ny zanaky Razafinjanahary tsy nisaina ho zanakandriana miaraka amin’izy efatra mianadahy printsy aza fantany tsara. Mbola haveriko eto ihany indray ny tahirin’i Joseph Razafintsalama nanao (au début du siècle) ny tetiaran’ny mpianakavy sady nahalala ny secret fifandraisan’izy 4 mianadahy mpiray tampo kanefa tsy niresaka ity resaka ity ary voatantarany soa aman-tsara kosa ny zana-dRazafinjanahary rehetra h@ ny tsy zanakandriana ankoatr’izy efatra mianadahy lehibe.

    2) Ny amin’ny zana-dRazafinandriamanitra indray t@ 1896 indray ny efa hita etsy ambony fa maty vao roa volana ny zaza, ka asa raha toa mbola hisy hilaza fa naterany ihany. Ny amin’ny Marie Louise indray dia nilaza ny fianakaviana fa nilaza koa ny vazaha ka tsy olana amiko satria tsy misy mihambo ho mpandova fanjakana ny avy aminy raha misy izany.
    Ataoko fa ny fanazavana ny maha-andriana mazava sy ny rantsana 4×2 farafaha-keliny no atao aloha vao miresaka fanjakana. Fa raha toa kosa ka nisy nanaja fatratra ny soatoavina tany dia tsy izay nanao ny sitrapony fa be fihavy no ekena ho tompony, fa ozondoza amin’antambo no vokatr’izany, andramo kely izay sahy !

    3) Satria na tiantsika na tsia dia misy andriana de notoriété publique ary eken’ny maro eto Antananarivo, tsy iadian-kevitra sady tsy misy tantara miafina ary lolohavinay an-tampon’ny loha ireo.

    Raha misy mitononona azy ho tarana-dRatsimamanga dia mbola izay ihany no izy, misy zafikeliny mivantana anie ao e! Ny andriana fianakaviana rehetra dia mpamangy azy ireo.

    Ialako tsiny mihitsy fa tsy nanambady velively an-dRazafinimanjaka Ratsimamanga be, izay ilay mahavoa ny famakiana boky, fa ny anay mantsy dia any amin’ny tompony izahay no manontany sady izahay rahateo tompony. Talohan-dRazafindrazaka dia nanambady niterahany an-dRazanamanga mianadahy Ratsimamanga ary nanambady an-dRangory zana-dRazakaboana mbola havana akaiky koa any avaratra any ry Rangory ary maty vetivety. Io no nampanjonitra an’Ingahibe. Ry zareo etsy @ quartier anona sy anona no fianakavian-dRangory ary zafin’ny mpirahavavy izahay.

    Tsy mba nianarako t@ boky fa azafady fa Ratsimamanga Ampamaho no vadin-dRazafimanjaka (fantatro koa ny vadiny hafa, ry anona indray koa no havan’ity, vao niaraka izahy omaly alahady, tsy mampiresaka aho fa tena marina izany) ary ery ananona ny tarana-dRatsimamanga Ampamaho, t@ 2008 izahay no nifanena farany, de ery ananona no misy azy sady miezinezina ny vodivonany efa lehibebe ihany izy ary tsotsotra fa izahay tsy manadino ny fihavanana aminy mihitsy.

    Ireo no havana nekena hatrizay sady mbola nitana ny soatoavina ka azafady indrindra raha toa ka be tantara e!

    P.S: – Ny amin’ny tera-dRakalobe indray tsy dia hay t@ boky izany, fa tera-behivavy iringirina avy @’Andrianampoinimerina mivantana kosa izy e! Izany kosa dia fantatry ny mpihavana rehetra raha mbola milaza azy ho centre amin’ny andriana, sady izay indray ny vadin’ny sasany amin’izy ireo dia ao amin’ny tena ivony …. aoka fotsiny fa tsy hita velively,. Nisy nilaza teto hoe izaho mahalala ny zanakandriana farany (azo isaina @ratsan-tanana) dia tonga dia fantatro fa havako io.

    – Ny amin’ilay hoe Zazamarolahy no rain’ny mpanjaka dia mahavariana izany fa andriamasinavalona Andriantsalamandriana, Andriamasinavalona Andriantsimianatra, Marolahin’Andriamary Razaka, ka tsy misy tera-dRangorinimerina ireo, ka asa izay marina @ilay izy, fa misy tena Atiny any, dia mba tongava miresaka aminy raha toa ka ekeny ho havany e!

    Aoka angamba izay fa tsy hamaly intsony fa misy efa mitezitra ahy hoe aza be resaka imasom-bahoaka.
    Samia ho lava andro iainana dia samy hotronin’ny havany e: io ihany ny aminay no tena fiandrianana marina, havan’ny tena andriana ireo tompom-bodivona maro erak’Imerina. Fa ny anay na ny taranaka any ambadiky ny fito aza ka tsaroanay dia havanay foana, dia izay ilay resaka hifanatsafana, hifanaovana hoe rahoviana izahay no mba hiantrano any aminareo fa raha vazo mitovy ihany ve hiampita rano e! Ampifaneraserao ny ankizy e! Izany no nahamaro ny tanindrazantsika efa mpihavana hatrizay, fa raha ny fasan’Andriana azo ilevenena mihoatra ireto ratsan’ny tànana roa ireto.

    #21159
    Anonyme
    Inactif

    Aoka marina e. Mahafinaritra ny mahita ny arguments avaokan’ i Ambodirano satria manakaiky kokoa ny fomba fandahatra amin’ ireny memoires ireny, satria misy sources. Kanefa, rehefa mijery ny nosoratan’i « invité » farany aho, dia toa tsy mila mametraka source izy, satria toa izy no source. Mampahatsiahy fotsiny izy fa Joseph Razafintsalama dia efa nahavita izao resaka ataontsika izao tany aloha be tany.

    Tsy film akory ny an’ ny tena atinandriana fa fihavanana ihainana andavan’ andro. Tsy hisy intsony akory rôle hivoaka tampoka eny satria zafiafin’ny mpanjaka niafina. Mbola misy velona soa aman-tsara amin’ izao fotoana izao ny fianakaviana akaikin’ ny Mpanjaka vavy farany ary afaka manazava tsara ny rohim-pihavanana izy ireo. Inoako fa efa voarakitra an-tsoratra any izany rehetra izany ho an’ny zanaka amam-para.

    #21160
    Anonyme
    Inactif

    Mety tsy te hamoaka source angamba ny marina na koa dinidinika any an-tokatrano any dia tsy mivaoka satria toa saro-piaro ireny olona ireny. Normal izany satria nohenejehina taloha ny mpanoratra tantara dia sarotiny ny zanaka amam-para satria nandraisan’ny havany risque ny nitahiry tantara. Mba manonatany tompoko, mety aiza no ahitana ilay bokin-dRabison? Mbola manantena any andro any volana fa hisokatra kokoa ny tantara.

    #21161
    Anonyme
    Inactif

    Valiny tsotra fotsiny. Ampahany amin’ ny boky efa noviakiako sy navadibadiko ireto ohatra :
    http://www.ambohimalaza-france.com/bibliographie/indexBibliographie.htm

    Fa izao, rehefa miresaka amin-dry zareo tompony, dia aleo mihaino tsara satria boky boky ihany, misy diso, misy tsy ampy, misy manely tsaho … Tahirim-pianakaviana voarakitra an-tsoratra, diary … ireny no mety hanampy kokoa raha mahita.

    Ny boky dRabisaona ? Anisan’ny efa voavaky koa io ( mora hita kosa raha tena mitady ) . Kanefa, hafa foana rehefa taranakin’ny Printsy Rasoarandrana no mitantara mivantana … Izay no maha samy hafa ny boky sy ny dinidinika amoron-patana, mety hivaoka eo ny tsiambaratelo sasany izay tsy ho hita any amin’ny boky mihintsy.

5 sujets de 326 à 330 (sur un total de 814)
  • Vous devez être connecté pour répondre à ce sujet.
error: