Etre Andriana, c'est d'actualité

Accueil Forums Madagascar – Coutumes, croyances, histoire Etre Andriana, c'est d'actualité

5 sujets de 331 à 335 (sur un total de 814)
  • Auteur
    Posts
  • #21164
    Anonyme
    Inactif

    Tena lasa alavitra ny resaka eto zany an !!! :

    Ny voalohany mpamaky boky gaigy be sady mpilalao tranokala ny faharoa indray dia mitana mafy ny tetiarany ho miafina raha tsy izy samy izy hono ary koa mivoy ny hoe  » andriana de notoriété publique sy to-teny ary eken’ny maro eto Antananarivo …. Lolohavinay antampon’ny loha « . Ny tena tiany hotenenina izany dia hoe : »Izahay mpihavana ireto ihany no tena mitana ny fahamarinana amin’ity resaka ity » . Dray dray dray….

    Tsindrim-paingotra kely fotsiny ho anareo mouvances roa ireo :

    – Tsy marina daholo ny lazain’ny boky , marina izany, fa rehefa voasoratra eo ny anarany dia ny mpanoratra no afa-baraka raha zava-diso no aeliny sa tsy izany ?

    – Raha resaka tetiarana eran’ny tranokala indray dia tsy mampino ny hadisoana flagrant loatra asehony. Fa efa nanomboka ny asa aloha izy dia anjaran’ny tompony no manitsy izany raha sitrapony. Fa iza moa no nanome ny informations tany amin’ny tranokala tany amboalohany raha tsy ireo andriana sasany ihany é !!!

    – Fa ho an’ireo sasany manafina ny azy kosa dia hoy aho hoe eto Madagasikara ihany angamba amin’ireo firenenna lehibe eran-tany no misy tetiaran’andriana afenina nefa rizareo dia manandra-tena ho tena atinandriana sy zanakandriana. Mazava ho azy ny ambadik’izany .

    Ô re olona ô ny anareo angamba no azo afenina fa ny an’ny Andriamanjaka dia fanta-bahoaka hatramin’y taon-jato faha-12 angamba. Raha olona mba misy fahalalana kely ihany no anontaniana dia mahalala ny ambangovangony izy. Tsy misy tsy mahalala ny an’ireo Mpanjakantsika farany ary izany no nahazoany nanjaka teto amin’ity Imerina antsika ity.

    Zavatra roa loha fotsiny no mba singaniko fohifohy ihany amin’ny resaka nataon’ny ireo vahiny etsy ambony:

    – Ny zanaky ny Printsy Dokotera Rafaralahy hoy izy no hany ‘centre – to teny – atinandriana ets ets… Izy mirahavavy etsy Antaninandro izany no tiany ho tenenina. Ireo dia zafin’ny Printsy Ratsimamanga mivantana tokoa avy amin-drainy tsy iadian-kevitra izany. Fa ny Andriambavy na Princesse Ramanantenasoa Clémentine renin’izy ireo kosa fony fahavelony dia nanambara ( jereo ny gazety ‘Feon’ny Merina’ tamin’ny zoma 6 Septembra 1996 gazety izay eto ambanin’ny masoko ) fa :
    -‘ Fanontaniana : Mifamahofaho be ihany ny tantara ka azonao azavaina ve izay tsaroanao amin’izany ? ( tamin’ny faha zato taona nitifirana ny Printsy Ratsimamanga tamin’ny 1896 izany )

    dia hoy ny navaliny :
    Voasoratra ao amin’ny « Diary gasy » fa Ratsimamanga no lehiben’ny zanak’Andriana, Rasehenolahy lehiben’ny Zazamarolahy, Ravelonanosy lehiben’ny Andriamasinavalona. Ny reniko kosa dia Rasoamanantena zafikelin-dRatafika rahalahin-dRadama I.’

    Izy tenany mihitsy izany no nilaza fa ny reniny Rasoamanantena (aminareo avy eny avaratra mahalala tsara izany) no zafikelin-dRatafika izay zana-dRambolamasoandro izany hoe demi-frère ndRadama I izany hoe tsy tera-behivavy avy amin-dRambolamasoandro izy. Ary Rambolamasoandro aza dia midina avy amin-dRamorabe fa tsy avy amin-dRasoherimananitany rahavaviny araka ny hafatr’ Andrianampoinimerina ihany io.

    Koa ZANAKANDRIANA amin’ny ahoana ary izy mirahavavy zanak’i Dokotera aminao izay mamaky ity ???

    Izany anefa no « titre » entiny amin’ny gazety ary entiny hanaovana fanambarana amin’ny anaran’ny fikambanana fanta-daza amin’io resaka andriana io. Dia izay tsy mahafantatra dia voa-bluff eo fa tena titre ronflant tokoa kà. Eny , zafikelin’i Dadatoa Ratsimamanga izy fa zana-dahy ange izy izany é fa mbola eo ny ny taranak’izy mirahavavy Rasendranoro sy Razfindrahety izay Mpanjaka rahateo tsy azo adinoina izany.

    – Torak’izany koa ny teraky ny Printsy Rasoarandrana Ambatomanoina. Feno ny resaka momba azy ny forum andriana rehetra. Angamba rizareo ihany no mpanoratra mamelona ireny : ny fasany misy trano manara dia tsy
    idiram-binanto é ets ets… Rehefa misy maty ny sasany amin-drizareo dia zanakandriana mitatatata no misongadina eo amin’ny filazana an-gazety. Aoka re tompoko ô ZANAKANDRIANA amin’ny ahoana ary é , efa aty amin’ny génération fahafiry ve dia mbola hitonona ho izany ihany. RANAVALONA II tsy niteraka no nanandratra ny zanak’akanadahiny efatra ho zanakandriana anisan’izany i Rasoarandrana ary ireo efatra ireo dia telo-ray farafahakeliny. Printsesy Razafinjanahary renin’izy efatra dia andriana avy any Andratsay Betafo Antsirabe. Koa zanakandriana amin’ny ahoana ary ny teraky Rasoarandrana amin’izao fotoana izao satria tsy tera-behivavy velively fa Rasoamihanta vadin-dRasoarandrana dia Zanatompo tsotra tsy avy amin-dRasoherimananitany na oviana na oviana. Ary raha zanakandriana rizareo tamin’ny androndRanavalona II maty tamin’ny 1883 dia mbola nisy ny Mpanjaka Ranavalona III taorianan’izany ka ireo zanakandriana taty aoriana dia ireo akaiky ny Mpanjaka vaovao izay diso fantatra loatra sa tsy izany rizareo à !!

    Teboka famaranana ( point final) angamba izay ho an’ireo karazan’andriana ireo izay mameno ny MEDIAS eto amin’ny tanàna anefa ny légitimité suspecte momba ny maha zanakandriana azy ireo. 0

    Farany dia iverenako kely ny resaka momba an-dRamatoa Ravoninoro Louise izay hoe zanaka vavitokan-dRanavalona III fony izy mbola Razafindrahety. Manana ny « Secrets de famille »-ny tokoa ve (toy ny ao amin’ny fahitalavitra) ny fianakaviana rehetra no tsy fantatr’ilay Razafintsalama nanao ny tetiaran’ny mpianakavindRasoarandrana ny fisiany. Fa efa mba nijery ny sarin’i Ravoninoro amin’ilay misy azy sy Rainizoely vadiny ve ianao eo ambony io azafady indrindra sa mody fanina fotsiny ? ( ao amin’ny tranokalan’ny Fikambanan’ny taranak’izy mivady no ahitana io sary io). Raha izaho aloha dia dia hitako fa ny Rainy (Ratrimoarivony) nahohoka mihitsy ny tarehin-dRamatoa Ravoninoro na dia nanahaka an-dRazafindrahety aza izy nony nahazo taona.

    Ary amin’izao andro iainantsika izao koa ange , efa taonjato faha-21 izao, azo porofoina ny fiaviana é , izany dia atao amin’ny fitsrina ny ADN MITOCHONDRIAL izay manavaka ny ‘tera-behivavy’ ihany – lignée féminine exclusivement – Izany ohatra dia nampiasaina tamin’ny famantarana ny lavenon’ny Grands Ducs de Russie izay maty nodorana , zanaky ny Empereur Nicolas II de RUSSIE sy Alexandra Feodorovna vadiny tamin’ny taona 1998 namadihana azy ireo. Satria mbola manana taranaka tera-behivavy ny rahavavin’io Alexandra io.

    Koa tsofy rano re ry izy mirahavavy zafin’I Dadatoa Ratsimamanga à ! Tsy mahavery inona izany fa aoka kosa re tsy hanao hoe itsy havanay ary itsy tsy fantatray misy anie ny Havana akaiky sy ny Havana alavitra é ary samy manana ny azy !!! Fa raha ny filazan’ny vahiny etsy ambony dia hoe ianareo hono no référence amin’ny tetiaran’ny atinandriana rehetra mihitsy.

    Ary amin’ny 2010 izany ny fotoana ho antsika rehetra hifankahita daholo eo é !!!. Ka ny Andriana mira mpihavana ka no… Hiakatra ao Manjakamiadana amin’izay fotoana izay Ranavalona IV fa efa ela ihany izay ary mety hahasoa ny firenentsika izay tsy mety tafavoaka avy ao anaty lavaka lava foana izany Restauration izany. Fa tsy Ravalo izay tsy manan-jò amin’izany na dia kely variraiventy aza no hiakatra ao amin’ny ascenceur izay nampanaoviny. Dray re ry lanitra ô !!! Soa ihany fa tsy tanteraka ! Ny namindrany ny Masina tao andRova aza mbola ho ozona ho azy sy ny taranany, izao izy aloha mbola mitsilailay any an-tsesintany. Dia ohatry ny palitaony ihany ny fisainany : jereo fotsiny ange ny halavan’ny tanan’ny palitaony raha tsy manarona ny antsasaky ny felantanany foana rizareo à ! Je ne dirai pas comme certains qu’il restera toujours un bouseux et illetré mais bon il a évolué quand même… – raha tsy hilaza aho hoe izy kosa anie nanomboka tany amin’ny mifoha maraina amin’ny efatra manangom-bilona ho an’ny omby matoa tonga amin’izao toerany izao éééé !

    Izany ve no saika ho mpanjaka teo , aoka re tompoko ôôô , azafady amin’ny mpankafy aloha an…. Mandrapiresaka indray.

    #21166
    Anonyme
    Inactif

    Lalànanareo vokatry ny tsikombakomba tamin’Andafiavaratra sy Rainilaiarivony izany Ranavalona IV izany fa ny anay mbola ilay nafaran’Andrianampinimerina ihany no manjaka. ary izany no nahasesitany an-dRanavalona III sy Rainilaiarivony : ozon-drazana vokatry ny ota-fady namadika ny tenin’ny masina Andrianampoinimerina. samy miandry ilay tena tompony izany isika saingy samy hafa ilay andrasantsika

    #21167
    Anonyme
    Inactif

    Tonga koa dia fantatro fa tera-dRabodosahondra io miteny io, manaja tompoko.
    Mbola dôro ny tera-behivavy avy ao sady izay tsy tetiarana iray no isarangotany fa vao iray fotsiny @ marobe sa tsy izany?

    #21168
    Anonyme
    Inactif

    Ny eto aloha fahanana dia tonga dia mamoaka e ! . tena faly ry mpijapy isany fa mahazo soupapa.

    #21169
    Anonyme
    Inactif

    Aleo indray ho any amin-dRabodosahondra fa tsy maninona e! Taolana be koa ireo.

5 sujets de 331 à 335 (sur un total de 814)
  • Vous devez être connecté pour répondre à ce sujet.
error: