Etre Andriana, c'est d'actualité

Accueil Forums Madagascar – Coutumes, croyances, histoire Etre Andriana, c'est d'actualité

5 sujets de 351 à 355 (sur un total de 814)
  • Auteur
    Posts
  • #21190
    Anonyme
    Inactif

    Fa loza inona ity nafitsokao ry Ndriana no dia nandeha nijokojoko mangingiana sy nitonantonam-poana tany ity ihanao?.
    Mijere endrika @ fitaratra ihanao dia apetrao @ tenanao ny fanontaniana:
    -Tena mendrika ahy ve le « Titre »?
    Tokony ho nahay nanaja tena ihanao,nipetraka tsara ary nanaja ny maha » Andrianteloray » anao fa tsy nandeha hampiseho ny maha Mpisavi-dRazana anao sa……………..rehefa sady « beau-Gosse » no manan-damba trara entina mianjaiky dia afaka hilaza ihanao fa Prince?..SA kosa ary …..nisy vola be tany?….Fantatra ny mahazo anao fa na dia izany kosa aaaaza eeee!Ary mba avy aiza hoa ilay taolan-tehezanao no tsy mba henoheno mihintsy e……

    #21192
    Anonyme
    Inactif

    Andriana TAIZA i Ra8 ?
    Mpisolelaka nanakaiky azy no namoromporona an’io hitazonana toerana ,ary rehefa nakipak »i Ra8 izy vao tera nenina.

    #21193
    Anonyme
    Inactif

    Fa loza inona ity nafitsokao ry Ndriana no dia nandeha nijokojoko mangingiana sy nitonantonam-poana tany ity ihanao?.
    Mijere endrika @ fitaratra ihanao dia apetrao @ tenanao ny fanontaniana:
    -Tena mendrika ahy ve le « Titre »?
    Tokony ho nahay nanaja tena ihanao,nipetraka tsara ary nanaja ny maha » Andrianteloray » anao fa tsy nandeha hampiseho ny maha Mpisavi-dRazana anao sa……………..rehefa sady « beau-Gosse » no manan-damba trara entina mianjaiky dia afaka hilaza ihanao fa Prince?..SA kosa ary …..nisy vola be tany?….Fantatra ny mahazo anao fa na dia izany kosa aaaaza eeee!Ary mba avy aiza hoa ilay taolan-tehezanao no tsy mba henoheno mihintsy e……

    Fa ngaha beau gosse koa i Ndriana mampahatsiahy ahy an-dra8 tamin’ny voalohany mantsy izany fa tsy izao intsony an !!!! Ary dia tena hoe Son Altesse Royale Ndriana Rabarioelina PRINCE de MADAGASCAR no titre noentiny hatrany amin’ny forum miteny anglisy iray izay : THEROYALFORUMS.com hitan’ny masoko mihitsy. Tsy haiko hoe iza moa izy io ? fa mbola tsy nahita ny sariny teny amin’ny médias rehetra aho . Raha ny fanazavany dia Zana-dahy amin’ny zana-jokiny hono izy amin’ny Andriana eto IMERINA (de la branche aînée en ligne masculine) ao amin’ilay forum iseraseran’ny MONARCHIES rehetra erantany io an dia nahahazo Welcome Your Royal Highness tao mihitsy…. Mba azavazavao re izay mahalala ny momba azy fa mba tiako ho fantatra mihitsy ka !

    #21194
    Anonyme
    Inactif

    Aza dia kapoana mafy loatra iny namako iny e !

    #21195
    Anonyme
    Inactif

    Ny Hasin’Alasora no manoratra ho anareo
    Tompony koa zany miakatra zany. sady zay ny azy ny « voahangy mena » mbola tsara tahiry, ny hafatr’Andriamasinavalona mbola mitabataba am-pahanginana any anatin’ny zazamarolahy sy ny andriamasinavalona reetra any ambany ravinkazo any. sady izay lahimatoan-dRangorinimerina, tera-behivavy iringiriny. azy miala tsony tompoko ô! be loatra manko ny usurpateurs eto!!!

    Ie ! tera-behivavy iringiriny tokoa aloha raha hatreo amin’ny zanak’ Andriamohara resahinao satria toa Ranavalomboahangy no vadiny fa aorian’izay dia tera-behivavy avy amin’iza moa mba tianay ho fantatra fa nanomboka t@ 1810 aloha dia ny tera-dRasoherina sy Ralesoka no angalana hoy Andrianampoinimerina t@ hafany . Misaotra é

    Hasin’Alasora:

    hoavy eny tsy hoela isika raha mikasina an’Andriamohara sy ny terany no tiana asiana resaka; fa tsy mahalala ny mpianakavin’Andrianambonimena sy ny hasiny tokoa mantsy ry zalahy ka izao savika etsy sy eroa izao no resahina isanandro eto. SAR @ ahoana aryyyy…aoka itsy fa mahasosotra indraindray!
    fa momba an’ilay resaka Ranavalona IV sy ilay hoe tarana-dRanavalona III; ô rangahy ty a! fa modianao tsy hita va ny tera-dRazafindrafara sy Ramisarivo? ahoana ianao no dia manangana tantara vaovao toa izao? Tsy izay natera-dRamasindrazana tsy akory ka niantso hoe « Neny » an-dRazafindrahety no lazaina fa naterakin’ny kibony…azonao tsara angamba ny tiako hambara hatreto! sa ve anisan’ireo izay tafaraka t@ dRazafindrahety tany an-tsesitany ny lolohavinao ka niantso azy hoe « Neny » tany na dia efa nifampiditra t@ ireo menasofina aza ry zareo tato aoriana ka entina hilazana fa tera-dRanavalona III. Tandremo izany rahavako fa mitady hiova izany tantara izany. tsy hilaza zavatra betsaka ho anao aho fa indro misy ankamantatra kely omeko anao mba hosaininao kely ka hampikaroka anao ny tena marina. mandehana eny @ zaratanin’ny Tsimahafotsy (Ambodisiarivo) izay tsy hambarako anao akory ny misy azy dia hanontanio ny mponina izay taranakin’ny mpiandry andriana tao ny tantara…tongava eny Ambatomanoina avaratra dia hadihadiho ny tantara FA HO TALANJONA IANAO ary ahitsinao izay nanoratra ihany izay noresahina taminao. tohizako @ manaraka rehefa avy nanao recherche kely ianao.
    Ny mikasika an’Alasora indray???? hahahahaha!!! ampitahao kely hoe ny hasin’Andriantsira sy izay momba an-dRafotsirabodonizimirahalahy sy izay zanakandriana fantatrareo any? dia miresaka isika aveo

5 sujets de 351 à 355 (sur un total de 814)
  • Vous devez être connecté pour répondre à ce sujet.
error: